SECES: Rendrika ny firenena
Nanao fanambarana ny mpikambana avy ao amin’ny Seces na ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra amin’ny oniversite , manoloana ny zavamisy eto amin’ny firenena ankehitriny amin’izao fitantanan’ingahy Hery Rajaonarimampianina azy izao sy ny HVM na ny antoko politika « Hery vaovao hoan’i Madagasikara ». Rendrika tanteraka ny firenena Malagasy noho ny ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, raha ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny faran’ny herinandro iny no asian-teny. Hatrany amin’ny vola ampiasaina eto amin’ny firenena ka hatrany amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ary ny fanaovana hery famoretana amin’ny vahoaka ankehitriny amin’ny lafiny maro. Toa izao indrindra no voalazan’izy ireo amin’izany.
Manoloana ny zavamisy eto amin’ny tany sy ny firenena dia mahatsapa fa voahozongozona ny fiandrianam-pirenena satria tsy voahaja ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana, ohatra amin’izany ny momba ny tetibola hanatanterahana ny frankôfônia, ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana, ny anjara vola tokony halefa any amin’ny distrika tsirairay. Manjaka ihany koa ny fanamparam-pahefana sy ny herim-pamoretana amin’ny vahoaka madinika ataon’ireo tokony ho « tandroka aron’ny vozona »sy ireo milaza fa manokan-tena « hoan’ny tanindrazana ». Tsy eken’ny SECES ny fanomezan-dàlana hitrandraka harena an-kibon’ny tany tsy mandalo ny filan-kevitrin’ny mponina eo an-toerana sy tsy mbola nahazoana fanomezan-dàlana ara-tontolo iainana.Toherin’izy ireo koa ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ka ny vahiny indray no mahazo laka sy manararaotra amin’izany toa ny mitranga any Soamahamanina , Bealalana, Tsarazaza Fandriana, Mananjary kanefa ny vahoaka tompon-tanindrazana indray no zary lasa tompony mangataka atiny. Koa noho izany, dia manao antso avo amin’ny vondrona iraisam-pirenena mba hanome tànana ny vahoaka malagasy amin’ny fanenjehana ny fanondranana tsy ara-dalàna ireo harem-bahoaka ireo. Rehefa nadinika ny Seces ireto dia manohana ny « Adopt » na ny fikambanan’ny olona avy any faritanin’i Toamasina amin’ny mampitombona ny fangatahan’izy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ ny fikasana hanitatra ity raharaha ity.
Jesy Rabelaolao
Governemanta Mahafaly: Mitady handrebireby vahoaka indray
Araka ny natsidikay tamin’ny “inty sy nday” teto tamin’ny sabotsy teo dia iny andron’ny sabotsy iny ihany tokoa dia niatrika ny mpanao gazety tetsy amin’ny trano fandraisam-bahinin’i Colbert etsy Antaninarenina ny sokajin’olona mitonona ho “Firaisan-kina ho amin’ny fampandrosoana” , saingy tsinjo fa te hifaninana amin’ny Hvm. Raha ny marina anefa, te hiaro-tena ireto minisitra sy depiote tsy Hvm fa te hiteny hoe “manohana ny filoha Rajaonarimampianina” ireto hoe “miasa sy mahomby ka raha misy ny fotoana hanamboarana ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia tsy tokony hokitihina ny toeranay fa ny an’ny hafa (Hvm???) itadiavana vahaolana (fa ireo (???) no tsy mahomby). Satria imasom-bahoaka ry zareo no niteny omaly dia mody miseho ho hafa (démarquassions) fa iza moa izao no nahalala fa tsy ny politikan’ny Hvm no tompoin’izy rehetra ireo ?
Ireo asa notanisain’izy ireo rehetra tamin’ny sabotsy fa zava-bitan’ny fitondrana ankehitriny (Agoa, fiverenana eo anivon’ny fianakaviambe iraisampirenena…) dia ny Hvm no kitapo nifonosany, na Kolo Roger praiminisitra teo na Ravelonarivo Jean na Mahafaly Olivier Solonandrasana. Tsy afaka hanilika ny minisitra avy amin’ny Hvm ho tsy nahavita azy, noho izany, ireto manaiky nolalaovin’i Jean Jacques Rabenirina. Izy mantsy no tena nanetsiketsika an’ity vondron-kery iray ity. Noho izany, na manaiky ho isan’ny Hvm ireto nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina ny sabotsy teo ireto, na manaiky ny hosoloina ho olon’ny Hvm avokoa ny toeran’izy ireo fa mandrebireby vahoaka fotsiny. Ho an’ny vahoaka aloha, tsy misy hafa ireo fa iray ihany, hatrany an-tampony, ka raha ny fanirian’ny maro izao dia miova hatrany ifotony ny tompon’andraiki-panjakana manaiky hampihatra ny politikan’ny Hvm satria tsy misy vokany amin’ny vahoaka ny ataony fa vao mainka aza mampitombo ny fahantrana efa nitambesatra tamin’ny maro hatrizay.
Ny filohampirenena koa no te hivoaka ho mpandresy amin’izao sarinandin’ny samy mpikambana ao amin’ny governemanta izao. Raha ny fandresen’ny filohampirenena no tanjona dia tsy mahagaga raha mihombo ny fahantram-bahoaka satria tsy nieritreritra an’izany vahoaka izany mihitsy hatrany amboalohany Ingahy Rajaonarimampianina. Ny sarinadin’ny samy mpitondra koa dia tsy mandaitra amin’ny vahoaka intsony e! Esory any avokoa ireo tsy Hvm ireo dia ataovy Hvm ny mameno ny governemanta dia mazava ny resaka amin’izay, na mahomby na tsia ny fitondrana. Raha misy amin’ireo te hanava-tena ho tsy Hvm moa mbola manaiky na mifikitra amin’ny toerany ao dia mazava izany fa efa Hvm koa izy e !
Aoka tsy hifampivarotra sakabe loha eto !