Fitsaram-bahoaka: An’iza ny fahadisoana?
Mikorontana tanteraka ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny ary tranga iray hafahana manaporofo izany ny firongatry ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Tato anatin’ny volana vitsy monja izay dia tsy misy herinandro iray eto Madagasikara ka tsy ahenoina resaka fitsaram-bahoaka, indrindra fa any amin’ireo faritra lavitry ny Renivohitra. Raha mbola miteraka ady hevitra eo amin’ireo olom-pirenena ny zava-niseho tany Mananjary, faritra Vatovavy Fitovinany, ny alahady 30 oktobra lasa teo, dia nitrangana savorovoro indray tao Mampikony, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray avy namono olona, ary nosamborin’ny zandary tany an-toerana no tadiavan’ireo mponina tao Mampikony hanaovana fitsaram-bahoaka. Mazava hoazy fa tsy nanaiky ny fitakiana nataon’ny mponina ny zandary ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Vokany, olon-tsotra iray no maty ary 4 kosa no naratra. Misy ampahany amin’ny tranon’ny zandary ao an-toerana sy fiara iray no may nodoran’ireo andian’olona nangataka ny hanaovana fitsaram-bahoaka ireto. Marihana fa voatery niantso zandary sy miaramila tany Antsohihy mihitsy ireo manam-pahefana tao Mampikony noho ny fahamoroan’ny vahoaka nanao fihetsiketsehana. Noho ny hatezerana tamin’ireo mpitandro filaminana dia nandrahona ny handoro ireo biraom-panjakana hafa ny vahoaka. Toe-javatra iray tena nirongatra tao anatin’ity fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ity ny fitsaram-bahoaka, ary matetika dia amin’ny fomba feno habiabiana no hamonoana ireo olona voapanga na voatondro ho jiolahy. Fotoana angamba izao tokony hijerena ifotony ny antony tena mahatonga ity fitsaram-bahoaka ity manerana ny Nosy, ary fanontaniana lehibe tokony hapetraka ny hoe, “an’iza ny fahadisoana?” Na inona na inona ady hevitra, tsy azo ekena ny fitsaram-bahoaka, indrindra fa ao anatina tany voalaza fa tan-dalàna sy demokratika ary miaro ny zon’olombelona. Raha ny zava-misy anefa ankehitriny, araka ny fanadihadiana natao eny anivon’ny fiarahamonina eny, dia saika ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao no mankasitraka ny fitsaram-bahoaka. Tsy mahatoky intsony ny fanjakana, izany hoe ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana, ny vahoaka Malagasy. Tafahoatra loatra ary mampiteny ny moana ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana, hany ka tsy misy intsony ny fahamarianan’ny fitsarana. Etsy ankilan’izay, mbola manjaka ihany koa ny tsindry bokitra sy baiko midina ka na olona tokony ho meloka sy ho saziana aza dia afaka madiodio rehefa manana fifandraisana akaiky amin’ireo mpitondra. Ny firongatry ny fitsaram-bahoaka tao anatin’izao fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izao dia fitaritry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ankehitriny. Tsy mahagaga raha tsy misy intsony izany tany tan-dalàna izany ho an’ny vahoaka eny ifotony satria ireo mpitondra tokony ho tarafina mihitsy no manitsakitsaka izany. Na inona na inona resaka atao momba ity fitsaram-bahoaka mameno ny tanàna ity dia tsy afa miala ny fanjakana izay tompon’andraikitra zato isan-jato. Raha voatantana tsara araka ny tokony ho izy ny firenena, manao ny asany am-pahamarinana ny fitsarana, ny mpitandro ny filaminana sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, azo antoka fa tsy misy ny fitsaram-bahoaka. Tsara ny manamarika fa anisan’ny tena manaratsy endrika ny firenena Malagasy ity fitsaram-bahoaka ity ka mila handraisana fepetra haingana raha manana finiavana hampitsahatra izany ny fitondrana.
F.Tsihiavonana