Korontana tao Mampikony: Roalahy nosamborin’ny zandary

Amin’ny ankapobeny dia niverina amin’ny laoniny ny fiainana andavan’andron’ny mponina any Mampikony, nanomboka omaly. Tao aorian’ny fivoriana niarahan’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ary ireo raiamandreny ara-drazana any an-toerana omaly, dia niverina tsikelikely ny filaminana noho ny fanelanelanana natao. Marihana fa nidina tany Mampikony mihitsy ny tompon’andraikitra maro avy eo anivon’ny faritr’i Sofia, ny « préfet », ny mpampanoa lalàna, ary ny kaomandin’ny « groupement » sy ny « compagnie » an’ny zandarimariam-pirenena  any Antsohihy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena kosa dia lehilahy miisa 2, isan’ireo lohandohan’ny mpitarika ny fihetsiketsehana, no nosamborin’ny zandary ary fotorina hatramin’ny omaly hariva. Ireto roalahy ireto izay voarohirohy ho tompon’antoka voalohany tamin’ny fikomiana nataon’ny mponina, izay tsiahivina ihany fa niafara tamin’ny fahafatesana olona iray ary naharatrana olona 4. Raha loharanom-baovao avy any an-toerana ihany dia nandositra niala tao Mampikony ireo mpiasan’ny fitsarana miisa 11, ao anatin’izany ny mpitsara miisa 4, noho ny fahatahorana fitsaram-bahoaka. Na teo aza moa ny fandrobàna sy ny fandoroana ny tobin’ny zandary dia tsy nisy ny fitaovam-piadiana very satria voaaro tsara ny toerana fitehirizana izany, raha ny tatitra nataon’ny sampan-draharaha misahana ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Ilakaka: Pasitera notafihana jiolahy miisa 8

Mandry tsy lavo loha indray ny mponina ao Ilakaka amin’izao fotoana noho ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, dia mpamongady iray sady mpitondra fivavahana no notafihan’ny jiolahy miisa 8, tao amin’ny fokontany Mangatokana. Vao nahafantatra ity pasitera ity fa misy manafika ny tokatranony dia niantso ny zandary avy hatrany. Minitra vitsy monja moa dia tonga ny zandary miisa 3 ary nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy. Raikitra teo ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary naharitra teo amin’ny 30 minitra teo ho eo raha ny loharanom-baovao. Tsy nahatohitra ireo mpitandro filaminana moa ireo jiolahy ka vaky nandositra. Marihana fa fitaovana mora vidy ihany no lasan’ireo jiolahy tamin’ity fanafihana ity noho ny hafainganan’ny zandary tao an-toerana. Ireto farany izay somary nanao fitarainana ihany satria tsy mba nisy ny pôlisy na miaramila tonga nanampy azy ireo nandritra ny fifampitifirana tamin’ireo olon-dratsy kanefa dia nantsoina tamin’ny telefonina ireto farany. Voalaza fa nisy ny miaramila miambina teratany vahiny teo akaikin’ilay toerana nisian’ny fifandonana, saingy nitazam-potsiny tsy nanao na inona na inona kanefa nitàna basy.

                                                                                             F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire