inty sy nday: Dia hojerem-potsiny ve?
Vantanina ny resaka tian-kambara ety ampiandohan’ity “Inty sy nday” ity fa ny zavatra afitsoky ny mpitondra fanjakana eo anivon’ny fiaraha-monina ankapobeny. Na dia malaza koa aza anefa ny resaka fitsaram-bahoaka dia azo adika ho mitovy lenta amin’izany koa ity matoan-dahatsoratra ity na sasanangy samy hafa araka ny fahita aza.
Tsy fitsaram-bahoaka araka izay mety ieritreretanao azy sy araka ny zavatra mahoraka amin’izao fotoana, fa “fitsaram-bahoaka” hamaizana ny mpitondra manararao-pahefana.
Hitanisa tranga vitsivitsy avy hatrany isika.
Raha misy milaza fa “fifidianana ara-pomba demokratika no niakaran’ny mpitondra eo amin’ny toerana ka tokony hajaina izay dia samy miandry ny fotoana hanaovana ny fifidianana demokratika”, dia ekena, saingy ny fepetra takian’izany koa dia “manaja ny fifanarahana demokratika nifamatorany tamin’ny vahoaka ny mpitondra”.
Ny dikan’izany, raha manampatra fahefana ny mpitondra dia tokony tsy melohina ara-pôlitika koa ny vahoaka raha mampiasa fomba na fihetsika mitovy lenta sy mifandanja amin’izay fanamparam-pahefan’ny mpitondra izay. Raha manosihosy ny zom-bahoaka ny mpitondra dia tsy tokony helohina ny vahoaka raha manosihosy ny zon’ny mpitondra koa…
Satria ny mpitondra, ohatra, no nanapaka samirery ny fifanarahany tamin’ny vahoaka, tamin’ny tsy fahafahany nampanjaka ny fandriam-pahalemana, tamin’ny tsy fahafahany nitsinjo ny tombontsoam-bahoaka teo amin’ny raharaham-pampianarana sy fitsaboana, ny mbola fitohizan’ny delestazy, ny fidangan’ny vidim-piainana… sy ny maro tsy ho voatanisa dia manana zo hieritreritra ny fepetra mifanandrify amin’izany koa ny vahoaka fa tsy hiandry fahafatesana eo mandra-pahatongan’ny fotoam-pifidianana. Satria ny mpitondra, ohatra, manondrana an-tsokosoko na mitsikombakomba amin’ny vahiny amin’ny fandrobana ny harem-pirenena, dia tokony omena rariny ny vahoaka hiaro ny harenany ka hanilika ny mahavanona izany fa tsy hiandrasana fotoam-pifidianana akory izany, satria mety ho lany ritra eto ny harem-pirenena… Sy ny maro araka ny hitantsika any anivon’ny fiaraha-monina misy antsika tsirairay avy any e!
Aoka hotsorina fa tsy an-dRajaonarimampianina samirery ity Madagasikara ity na an’ireo vehivavy tsy manaiky ho maty manota ao an-dapa, na an’ny Hvm irery na an’ny mitana ny fahefam-panjakana irery… fa samy nanana ny razany namela ity Nosy ity ho an’ny taranany ka manan-jo hiaro izany koa ny vahoaka, manan-jo hisitraka ny anjarany ao koa ny vahoaka, ary adidin’ny vahoaka koa ny mitsinjo ny ho avin’ny taranany any aoriana, ka rariny sy hitsiny izy raha saro-piaro ka tsy hanaiky lembenana amin’izao afitsoky ny mpitondra mpanampatra fahefana izao.
Rainisoa