Depiote: Haongana indray i Jean Max Rakotomamonjy

Mandeha dia mandeha indray ny ady hevitra ao amin’ny Antenimierampirenena ao Tsimbazaza ao amin’izao fotoana izao fa hanongana an’ingahy Jean Max Rakotomamonjy izay filohan’ity andrimpanjakana ity sy ny birao maharitra miaraka aminy ireo solombavambahoaka. Tamin’ny zoma faha 04 novambra 2016 lasa teo dia nisy fivoriana izay tsy azon’ny olon-kafa natrehina nataon’ireto depiote ireto tao amin’ny lapan’ny Tsimbazaza tao. Mahakasika ny raharaham-bola tantanan’ny birao maharitra sy ny fomba nampiasana azy no ady hevitra tamin’izany. Voalazan’ireo depiote izay nanao ity fivoriana ity ka tafaresaka taminay fa maloto ny resa-bola ao amin’ny Antenimierampirenena ao. Be loatra ny fandaniana ataon’ny birao maharitra hoy ihany izy ireo ka tsy maintsy sakanana izany. Mihoa-pampana hoy ireto depiote ireto ny tombotsoa alain’ireo eo anivon’ny birao maharitra raha mitaha amin’ny an’ny depiote tsotra. Tsy vita tamin’io zoma io ny fivoriana fa mbola hitohy androany alarobia faha 9 novambra 2016. Lasibatra amin’ity raharaha ity ingahy Jean Max Rakotomamonjy izay filohany. Eo indrindra anefa no ipetrahan’ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ireo samy solombavambahoaka. Misy ny mbola te hitazona ity filohany ity, nefa misy koa no efa leo azy tanteraka, ka izao mihevitra ny hanongana azy amin’ny toerany izao. Ny ampahany amin’ny depiote indray dia milaza fa ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra ihany no tokony haongana fa manao fandaniana be loatra amin’ny volan’ny andrimpanjakana. Ny kestiora no voalazan’ny sasany koa fa fositra lehibe amin’izao tsy fahaiza-mitantam-bola izao. Mbola isan’ny mahatezitra ireto depiote ireto koa ankehitriny ny tsy fahaizan’ireo eo anivon’ny birao maharitra ireo miady ny tombotsoa tokony ho azon’izy rehetra. Isan’izany ny mahakasika ny tsy fahazoan’izy ireo ny fiara 4x4. Ho hitantsika ny tohin’ity raharaha ity manomboka androany na handeha amin’ny fanonganana na hiverin-dàlana toa ny mahazatra azy ireo. Tamin’io fotoana io koa no nilazan’ireto depiote ireto fa manao kobaka am-bava ny fanjakana amin’ny raharahan’ny vola natokana hampandrosoana any amin’ny distrika izay hotantanan’ny depiote sy ny mpiasam-panjakana any an-toerana. Ny minisitra ny Vola indray no lazain’ireto depiote ireto fa fototra ny tsy fahazoana ny vola, ary mampikatso ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mbola resaka hafa manokana koa moa ny mahakasika ny famoahana vola ataon’ny minisitra ny Vola raha ny voalazan’ny depiote hatrany. Tsy tonga nivory niaraka tamin’ireto solombavambahoaka ny minisitra ny Vola na dia efa tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana izany.

JB

Fandriam-pahalemana:  Ny frankôfônia no laharam-pahamehana

Mitaraina izay tsy izy ny mponina any ambanivohitra izay nisy miaramila nanampy azy ireny tamin’ny ady amin’ny dahalo. Toerana maro manerana ny nosy, tany anivon’ny kaominina sy fokontany no nametrahana ny antsoina hoe DAS (détachement autonome de sécurité). Misy miaramila efatra na dimy izy no miray dia ka miasa amin’ny toerana iray izay voafaritra tsara amin’ny fotoana voafetra ihany koa. Ny mponina any amin’ireny toerana ireny no miantoka ny sakafony sy ny trano hipetrahan’izy ireo. Misy moa ny fifanarahana ataon’ny kaominina sy ny miaramila amin’izany. Nanomboka ny volana oktobra lasa teo dia nampodiana namonjy ny tobiny avokoa ireo miaramila ireo satria hono hisy fanamboarana vaovao. Maro ny fangatahana ny hamerenana azy ireny maika dia maika nataon’ny fokonolona nialany tamin’izany satria raha vao namonjy ny tobiny izy ireo dia tsy niandry alina iray akory dia efa tonga ny dahalo nanafika.

Hatramin’izao dia tsy nisy intsony ny fiverenan’izy ireny tany amin’ny fokontany izay nialany. Tonga indray ny solotenan’ny fokonolona nanao fangatahana ny hamerenana azy ireo. Tsy nahazo mandeha intsony anefa ireo miaramila ireo raha tsy vita ny fihaonana an-tampony izay hataon’ny tany miteny amin’ny ampahany sy tanteraka ny teny frantsay amin’ny faha 22 izao ka hatramin’ny faha 27 novambra 2016 izao. Vokatr’izany dia mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy sy ny dahalo amin’ny toerana maro manerana an’i Madagasikara. Ireo izay tsy hamonjy ny aty Antananarivo hitandro ny filaminana mandritra io fotoana io dia tsy mahazo miala ny toby misy azy koa. Hatramin’izao dia tsy misy resaka hatao ny fanjakana raha tsy ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia. Ity raharaha ity izay mahabe resaka eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Maro loatra ny Malagasy no tsy mankasitraka ny hanatanterahana azy ity eto Madagasikara. Mampanahy mafy ny hitrangana korontana sosialy aorian’io fihaonana io hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena.                

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire