Sokatra tratra tetsy Andranomena: Voaheloka higadra 18 sy 12 volana ireo tompon’antoka

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba ilay raharaha fahatratrarana sokatra miisa 227 tetsy Andranomena, ny 28 septambra lasa teo. Fotoam-pitsarana izay notanterahina tao amin’ny efitrano faha 2 ao amin’ny tribonaly etsy Anosy. Sazy mihatra 18 volana an-tranomazina no azon’ilay vehivavy voampanga ho ati-doha nikotrika ny fanondranana ireto sokatra ireto any ivelany, raha toa ka 12 volana an-tranomaizina ny sazy ho an’ilay lehilahy iray mpiray tsikombakomba taminy. Lehilahy iray hafa kosa, izay naira-voasambotra tamin’ireo voampanga, no afaka noho ny fisalasalana. Marihana fa mbola misy olona 7 hafa voasaringotra ao anatin’ity raharaha ity no voasambotry ny mpitandro filaminana, andro vitsy tao aorian’ny nahatratrarana ireto telo mianadahy ireto, saingy mbola mandeha ny raharaham-pitsarana amin’izao fotoana, ary mbola handrasana ny didy havoakan’ny fitsarana. Ankoatra ny fidirana am-ponja dia voaheloka handoa lamandy 4 tapitrisa ariary koa ireo voasazy. Tsiahivina ihany fa noho fiaraha-miasan’ny AVG (Alliance Voary Gasy) sy ny mpitandro ny filaminana noho nahatratrarana ireto mpanao trafikana sokatra ireto.

F.T.

Vahoakan’Ambohimahasoa: Nampiesonin-dRajaonarimampianina

Efa ho volana maromaro izao no tsy afaka mihaino ny Radiom-pirenena Malagasy ny mponina ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra Ambony, noho ny olana ara-teknika. Efa hatry ny ela no nitaky ny hamahana izany olana izany ireo mponina any an-toerana , hatramin’ity androany ity anefa dia tsy mbola nivaly ny fangatahana. Ny fiandohan’ny volana aogositra lasa teo no nandalo tany Ambohimahasoa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny fanombohan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha 7 izay mampitohy an’ity tanàna ity sy ny tanànan’i Fianarantsoa. Tamin’io fotoana nandalovan’ny filoham-pirenena tany Ambohimahasoa io dia mbola nanamafy ny fangatahana efa natao momba izay tsy fahazoana ny RNM izay ireo manam-pahefana tao an-toerana. Manoloana izany indrindra dia nampanantena i Hery Rajaonarimampianina nandritra ny kabary nataony fa tsy maintsy miverina ao anatin’ny fotoana fohy ny Radiom-pirenena Malagasy. Raha ny fanazavana nomen’ny solombavambahoaka voafidy tao Ambohimahasoa dia mahatsiaro tena ho voafitaka ihany ny vahoaka satria 3 volana mahery aty aoriana, tsy mbola tanteraka ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena. Ity solombavambahoaka voafidy tao Ambohimahasoa ity izay mbola manamafy ny antso avo amin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika amin’izany mba hitady vahaolana haingana.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire