Inty sy Nday: Ohatran’ny olona tsy tompon’andraikitra !

Taorian’ny trangan-javatra tany Mampikony ny sabotsy teo ka niteraka hain-trano noho ny hatezeram-bahoaka (fitsaram-bahoaka) dia niloa-bava indray ny tompon’andraikitra ara-panjakana, tamin’ny alalan’Ingahy Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier hoe “misy ambadika pôlitika iny raharaha iny”. Izay indray ilay feo. Eto angamba dia tsy misy olona hiteny afa-tsy izany isaky ny misy zavatra miseho. Na olona solafaky ny hoditr’akondro eny an-dalambe aza dia holazaina fa “misy ambadika pôlitika”, nefa ilay olona no tsy nijery tsara.

Vantanina ny resaka fa tenin’olona ohatran’ny tsy tompon’andraikitra izany e! Toa te hilaza ingahy Praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana hoe “tsy nisy antony akory nahatonga iny fitsaram-bahoaka tany Mampikony iny fa lalaovin’ny mpanao pôlitika ny vahoaka any”. Sanatriavin’ny vava toa manao fihantsiana an’ireo vahoakan’i Mampikony izay tofoky ny raharaha maloto itsikombakomban’ny tompon’andraikitra sasany any Ingahy Praiminisitra.

Izahay tsy manome rariny ny fitsaram-bahoaka satria mihevitra izahay fa tany tan-dalàna ny eto, saingy tsy manome tsiny anjambany ny tranga toa ireny kosa izahay satria “ny vy tsy mikitrana irery”, hoy ny fahendrena Malagasy.

Ny mampieritreritra amin’izany fanambaran’Ingahy Praiminisitra izany mantsy dia toa te hanome vahana ny fifandonan’ny samy Malagasy izy ary te hiala andraikitra hoe “raha misy fifandonana na tranga toa ireny tany Mampikony ireny dia manasa tanana izahay mpitondra fanjakana fa tsy tompon’andraikitra amin’ireny fa ry zalahy mpanohitra no milalao ny raharaha”. Angaha, hoy izahay teto hatrizay, rehefa miteny ny tompon’andraikitra fa “misy ambadika pôlitika ny tranga iray” dia mivaha ho azy ilay olana na tsy azo ikatsahana vahaolana mihitsy ilay raharaha ?

Ho anay, ny tompon’andraikitra mahavita miteny toa izany amin’ny tranga toa ireny no tena “manao ambadika pôlitika ilay tranga”.

Ralay

Ajouter un Commentaire