Hery Rajaonarimampianina: Tsy voafehiny intsony ny firenena
Tsy mbola nisy fiainan’ny Malagasy nikorosofahana toa ny tamin’izao fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izao hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovan-tenany izay. Ny fanangonam-baovao manerana ny Nosy ary ny fiainan’ny mponina no ahazoana milaza izany ankehitriny. Tsy ho tenenina intsony ny fahantrana mihoa-pampana mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny satria voalazan’ny mpikirakira ny antontanisa fa ny 99% ny Malagasy dia mahantra avokoa ankehitriny, ary ny 93% ny fianakaviana no milomano ao anatin’ny fahantrana. Ny antotanisa lazain’ny manam-pahaizana sasany indray dia milaza fa miaina ao ambanin’ny 1 dôlara isan’andro ny 80% ny Malagasy. Marihina fa ny famaritana ny fahantrana dia ny fidiram-bolan’ny olona iray iray tsy mihoatra ny 2 dôlara isan’andro. Ho an’ny firenena frantsay dia ho sokajiany ho “ famille indigente” (fianakaviana tena mahantra) ny fianakaviana mandray karama isam-bolana izay latsaka ny 1000 euro na 3.400.000 ariary. Ny Malagasy izay nitovitovy fari-piainana tamin’ny frantsay tamin’ny taona 1970 tany ho any.
Raha nitondra ny firenena ingahy Hery Rajaonarimampianina ny febroary 2014, mbola 89% ny Malagasy no tao anatin’ny fahantrana. Amin’izao fotoana izao dia ireo antontanisa ambony ireo no tahan’ny fahantrana eto Madagasikara.
Fiantraikan’ny tsy fahaizana mitondra firenena sy ny vahoaka amin’izao fitondrana izao daholo ireo voalaza ireo. Ny voalohany amin’izany dia ny kolikoly izay manjaka amin’ny ambaratongam-pitondrana rehetra. Tsy misy afaka amin’izany avokoa ankehitriny ny sehatra rehetra amin’ny asam-panjakana. Manampy izany koa ny fanodinkodinana volam-panjakana izay ataon’ny olona ao anatin’ny governemanta sasantsasany toa ny ao amin’ny ministeran’ny Atitany sy ministeran’ny Fahasalamana araka ny vaovao izay efa navoakan’ny gazety sy ny haino aman-jery maro ary ny sendika teto Antananarivo tao anatin’ny roa taona izay. Hatramin’izao dia mbola olana lehibe eto amin’ny firenena ny fanondranana harena tsy ara-dalàna mandeha any ivelany toa ny vatosoa sy ny andramena ary ireo biby tsy azo amidy sy aondrana. Tsy tenenina intsony ny fanondranana antsokosoko ny volamena tratra eo amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Mahakasika ny fitrandrahana vatosoa sy volamena dia io iaraha-mahita io ny raharahan’i Soamahamanina, Bealalana, Ambilobe, Mananjary, Tsarazaza Fandriana ary ny toerana maro hafa manerana an’i Nosy izay ataon’ny Sinoa tantely afa-drakotra sy ny Malagasy mitondra fanjakana manome alalana azy ireo. Natao antoka amin’ny Sinoa mandritra ny 40 taona izy ireo. Efa azo lazaina fa fivarotana tanindrazana tanteraka ny fahitan’ny vahoaka azy.
Mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana dia manerana an’i Madagasikara ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo. Tsy hita intsony ny lamina ataon’ny fanjakana amin’izany fa ireo izay efa ataon’ny dahalo mahita faisana amin’ny fanafihana indray no mbola takiana vola hanakaramana ny mpitandro ny filaminana hamandry tany any amin’ny toerana any ambanivohitra ireny. Ny dahalo indray no mifehy ny mpitandro ny filaminana satria maro ny zandary sy ny pôlisy any ambanivohitra any no mitsoaka rehefa tonga ny dahalo. Mahakasika ny halatra omby indray, isan’ny olana goavana amin’ity asan-dahalo ity ankehitriny ny toerana famonoana omby haondrana any Chine ao Toliara, Ihosy ary ny etsy Vontovorona. Vokatr’izany dia maro ny mpitandro ny filaminana no aripaka ny dahalo nandritra izao fotoana nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao, toa ny nitranga tany Ankazoabo atsimo, Beroroha ary Ihosy sy Betroka tao anatin’ny roa taona izay. Tsy hita izay tetika entin’ny fanjakana hiadiana amin’ity raharahan-dahalo ity. Milaza ireo tambanivohitra fa ny fanjakana ankehitriny mihitsy no manome vahana ny asan-dahalo sy miray tsikombakomba amin’ny alalan’ireo abatoara ireo.
Tsy manana vahaolana amin’ny fakana olona ankeriny koa ny fanjakana entin’i Hery Rajaonarimampianina satria raha ataon’ny salanisa dia tao anatin’izay roa taona izay no isan’ny nahitana ity raharaha ity imbetsaka. Potika avokoa ny làlana ifamoivoizana manerana ny nosy, ka jerem-potsiny toa ny varin’amboa mahamay hoy ny fitenenana.
Maro no azo tanisana fa ireo no entintsika hilazana aloha fa tsy voafehin’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny antoko HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) ny firenena.
Vokatr’ireo dia mikorontana ny fiainan’ny Malagasy manontolo ankehitriny. Toa ny tany tsy misy fanjakana ireny fa fanjakana’i Baroa no misy. Mahazo vahana ankehitriny ny fitsaram-bahoaka. Tsy vitsy ny fanafihana biraom-panjakana sy ny tobin’ny zandary ataon’ny vahoaka izay zavatra tsy mbola nisy teto Madagasikara hatramin’izay. Mihena ny tahan’ny ankizy miditra an-tsekoly, ary marobe koa ireo izay mianatra no mitsoaka an-daharana. Ny fahasalaman’ny vahoaka moa dia tsy tenenina intsony satria niverina hatramin’ny “peste” sy ny valan’aretina maro efa tsy nisy teto Madagasikara intsony.
Raha milaza fa miasa io fanjakana io sy ny governemantany dia resaka ambony vavahady ihany izany satria mijaly sy mahantra tanteraka ny vahoaka Malagasy noho ny tsy fahaizan’izy ireo mitondra ny firenena.
Jesy Rabelaolao