Inty sy Nday: Mampieritreritra an !
Anio no hifarana etsy amin’ny trano fandraisam-bahinin’i Carlton etsy Anosy ny Atrikasa ho fandravonana an’ireo tosa-kevitra hanatsarana ny lalàna momba ny fifidianana eto Madagasikara. Ny Cenbi sy ny Pnud no tompon’antoka amin’ny fikarakarana azy io, izay naharitra hefarana.
Raha ny tokony ho izy dia ireo sokajin’olona nandray anjara tamin’ny atrikasa nangatahana hevitra, toy ny avy amin’ny antoko politika sy ny avy amin’ny firaisa-monim-pirenena ihany no nantsoina hanao ity fandravonana ity.
Gaga anefa ny maro fa nisy sokajin’olona nantsoina, izay tsy nahafantatra akory ny atrikasa teo aloha.
Nisy tamin’ireo avy amin’ny antoko politika na avy amin’ny firaisamonim-pirenena mba nantsoina nefa tsy nandray anjara tamin’ny atrikasa teo aloha no nitondra hevitra vaovao, saingy tsy nifanandrify tamin’ny lohahevitra ka nampirina izany fotsiny.
Nisy koa ireo nihevitra fa ny lalampanorenana mihitsy no tokony hisy fikitihana rehefa tsy hamolavola lalampanorenana vaovao, vao azo heverina ny famolavolana lalàm-pifidianana vaovao. Nahavariana koa ny niantsoana solontena vitsivitsy avy amin’ny mpanao gazety, izay nasaina nandray anjara tamin’ity atrikasa fandravonana ity.
Ny tena mahavalalanina koa dia hoe « angaha moa ho vitan’ny ady hevitra ambony latabatra sy eo amin’ny samy mpisehatra politika mbamin’ny firaisamonim-pirenena ity raharaham-pifidianana ity ? »
Raha nahafahana niantoka fifidianana ara-pahamarinana sy nahafahana nisoroka ny fampihorohoroan’ny manam-pahefana amin’ny fotoanan’ny fifidianana ange ny resaka ambony latabatra sy lalàna narafitra dia efa ela no lasa lavitra amin’ny raharaham-pifidianana isika malagasy e !
Ny marina dia niniana natao itony atrikasa itony mba hanaporofoana amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena izay mamatsy vola ny Ceni fa miasa ny Ceni sy ny Pnud, ka nandany vola tamin’izany, ary ireto ny faktiora manaporofo ny vola lany.
Faralahy