Farafangana: Manomana ny hanafika ny mangazain’ireo Sinoa

Mafampana ny rivotra sosialy ao Farafangana nanomboka ny alahady 06 novambra 2016 teo ka hatramin’ny omaly alarobia faha 09 novambra 2016. Mbola tohin’ny raharaha fandorana ny biraon’ny Jirama iny no anton’izany. Nampanantena fa hanafoana ny delestazy ny fanjakana taorian’iny fahatezeram-bahoaka iny. Efa tonga any an-toerana ny milina natao hamatsiana jiro ny tanàna nefa mbola mitohy hatrany ny delestazy. Niverina indray ny hatezeran’ny mponina noho izany ka izao manomana fanafihana izao. Misy koa ny fahatongavan’ny Sinoa any an-toerana ka vao mainka nahatonga ny hatezeran’ny olona izany. Mandeha ny resaka fa hitrandraka harena an-kibon’ny tany any amin’ity distrika ity ireo Sinoa ireo. Feno trakta tao Farafangana manainga ny olona handroba ny mangazain’ny Sinoa sy ny biraon’ny Jirama indray ny alahady maraina faha 06 novambra. Vokatr’izany dia miaramila sy zandary manodidina ny 80 eo ho eo, miampy ny pôlisy no nahetsika hiaro ireo mangazay sy hitandro ny filaminana any an-toerana. Mbola nisy nanaparitaka eran’ny tanànan’i Farafangana koa omaly alarobia faha 09 novambra ny filazana manainga ny vahoaka fa hiroso amin’ny fanafihana ireo toerana ireo sy handroba ny mangazain’ny Sinoa indray izy ireo. Tonga tany Farafangana ny minisitra ny Varotra Tazafy Armand izay avy any amin’ity toerana ity ny alatsinainy faha 07 novambra 2016 lasa teo ka rehefa nijanona tao nandritra ny telo andro dia niverina aty Antananarivo indray. Voalaza fa nanao fanelanelanana amin’ity raharaha ity no anton-diany tamin’izany. Omaly alarobia 09 novambra dia nihetsika indray ny raharaha tamin’ny 02 ora tolakandro ka nikatona tanteraka ny tsena tao Farafangana. Ny loharanom-baovao no milaza fa atahorana ny hisian’ny ady an-trano raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana amin’ity raharaha ity. Ny fiainan’ny mponina any an-toerana mihitsy no voatohintohina amin’izao raharaha izao ka mitarika ny korontana ao amin’ity tanàna ity. Marihina fa miaina ao anatin’ny tebiteby tanteraka ny mponina any Farafangana ankehitriny.

Jesy Rabelaolao

Minisitry ny asa vaventy: Mampikatso ny famatsiam-bola eraopeana

Notontosaina teny amin’ny tranon’ny masoivoho frantsay teny Ivandry omaly ny fihaonana fahatelo teo amin’ny Vondrona Eraopeana sy i Madagasikara. Fihaonana ho fanomanana hatrany ny Dinika politika (dialogue politique) hatao any Parisy amin’ny volana desambra io. Ny praiminisitra Malagasy MAhafaly Solonandrasana Olivier mihitsy omaly no nitarika ny solontenan’ny fanjakana Malagasy. Maro ny akom-baovao re taorian’ity fihaonana omaly ity. Amn’ny ankapobeny aloha dia tsy tsara endrika eo anoloan’ny Vondrona Eraopeana ny fihetsiky ny fitondrana Malagasy amin’izay sehatra iarahany.   Mbetika mandady tongotra aman-tanana milela-paladia amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena mahazatra mba hanomezan’izy ireo ny anjara-volany any i Madagasikara, mbetika anefa, tsy mahandry tantana ka mihazakazaka mifampiraharaha amin’ireo ahitany vola hanaovana tetik’asa hanakonana henatra sy handrebirebena vahoaka ho manao zavatra. Raha ny fifandraisana amin’ny Vondrona Eraopeana manokana no asian-teny dia efa tsy vitantsika Malagasy akory ny nanapitra ny anjara-vola natokany ho antsika tamin’ny andiany faha-10 momba ilay “Tahiry Eraopeana ho amin’ny fampandrosoana” (???) (10ème Fed)” satria nisy teo amin’ny 300 Tapitrisa Euros teo nafindra tany amin’ny tany iray ao Afrika ao. Dia niady mafy indray tamin’ity andiany faha-11 (11ème Fed) ity, izay tokony ho nanomboka nisitrahantsika Malagasy hatramin’ny taona 2014. Niady mafy ny fitondrana ka mba tafakatra 518 Tapitrisa Euros izy io, ary hatramin’ny taona 2019 no tokony hananana azy. Isan’izany faharatsian’endriky ny fitondrana Malagasy ny tsy fanajana ny demokrasia, ny mbola tsy fahamarinam-pototry ny tena tany tan-dalàna, ny mbola fisian’ny tsy maty manota toa ny Raharaha Bekasy, ny tsy mbola fahitana fototra ny fiarovana ny zon’olombelona, sy ny maro tsy ho voatanisa e! Teo koa ny fepetra 31 nofaritan’ny Vondrona Eraopeana tamin’ny volana febroary 2014 momba ny raharaham-pifidianana, araka ny nikororohan’ny “Dinika ho Fanavotam-pirenena” (Dfp) tamin’ny alalan’i Maharavo Ratolojanahary (Doudou) azy tamin’ny alarobia teo.

Fa ambonin’izany , fantatry ny Vondrona Eraopeana koa fa mifampiraharaha sy manao tsikombakomba maloto amin’ny firenena na mpampiasa vola avy any ivelany hafa ny fitondrana Malagasy ka misy takalony izany. Ny Vondrona Eraopeana mantsy dia milaza fa ny fanampiany an’i Madagasikara tsy misy takalony (????). Ndeha aloha hoekena izany amin’izao tapany voalohan’ny famakafakana izao. Ka iza àry, hono, io mitsikombakomba amin’ny fitondrana Malagasy io? Ny firenena sinoa, hono; izay ifanarahan’ny fitondrana Malagasy amin’ny fanaovana lalana sy fotodrafitrasa eto, dia eken’ny mpitondra fanjakana Malagasy ny itrandrahany volamena eto…Dia izao tsy mbola marisika hamoaka ny tena vola hiatrehana ny fanaovana fotodrafitrasa eto ry zareo. Ny an-dry zareo Eraopeana mantsy, hono, tsy misy takalony.Voatondro mivantana ho tompon’antoka amin’izao fanomezana vahana ny fandroban’ny sinoa ny volamena Malagasy ho takalon’ny fanaovana lalana eto izao ny minisitry ny asa vaventy, Eric Razafimandimby. Etsy ankilany, ry zareo eraopeana milaza ho manome fanampiana ara-bola an’i Madagasikara tsy misy takalony io dia manohy hatrany mandroba ny hazan-dranomasintsika Malagasy amin’ny fomba ankolaka. Na notapahin-dry zareo Vondrona Eraopeana aza ny famatsiany vola ho antsika Malagasy tamin’ny 2008 vokatry ny fahitan-dry zareo fa afangaron-dRavalomanana ny volam-pirenena sy ny volany manokana mbamin’ny volan’ny orin’asany (toa ilay nividianana ny fiaramanidina force one faharoa), dia tsy mba niato izany mihitsy kosa ny fitrandrahany sy fandrobany ankolaka ny hazan-dranomasina Malagasy. Vao mainka moa mitohy izany amin’izao efa fandrangarangan-dry zareo Vondrona Eraopeana ny andiany faha-11 amin’ny Tahiry “Fed” izao. Etsy ankilany, tsy zakan’ny Vondrona Eraopeana koa ny fizahozahoan’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena nandritry ny lanonana fitokanana ilay Kianja Mitafo goavana vao vita any Toliara. Ny Vondrona Eraopeana no voalaza fa tena nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka an’io fotodrafitrasa io, ary hatramin’ny fotoam-pitokanana no niezaka nitondra ny anjara-birikiny, hatramin’ny fiantohana ny fitaovana rehetra sy ny kojakoja nenti-nanana izany, toy

ny fanamafisam-peo ny Vondrona Eraopeana. Rehefa tena tonga anefa ny fotoam-pitokanana dia zary nofafan’ny fitondram-panjakana ny anaran’ny Vondrona Eraopeana, ary tsy nisy na teny fisaorana ity Vondrona Eraopeana ity aza. Nahatezitra mafy ny masoivohon’ny Vondrona Eraopeana eto izany ka tonga hatramin’ny fangoronana an’ireo fitaovana sy kojakoja nenti-nitokana an’io kianja mitafo goavana any Toliara io.

Ny efa hita aloha teto dia ny mpamatsy vola iraisampirenena nahazatra no efa nahavita nandroba be ny harena teto. Raha manomboka miditra kosa ny sinoa na ny hafa, dia takianay ny hikatsahana ny tombontsoam-bahoaka aminy fa tsy avela handroba eto toy ny hafa teo aloha rehetra ry zareo e! Izay ange ilay toe-tsaina “win win” na “gagnant gagnant” nambara hatrizay e! Izany hoe “ifampizarana ny vokatry ny fitrandrahana harena eto” e!

Analakely: Saika nifandona ny miaramila sy ny pôlisy monisipaly

Nisavoritaka tanteraka ny tetsy Analakely, tetsy anoloan’ny lapan’ny tanàna omaly hariva. Mpivarotra iray voalaza fa vadina miaramila no nodarohan’ny pôlisy monisipaly ka saika niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ireto farany sy ny pôlisim-pirenena. Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo no nanombohan’ny disadisa. Vehivavy mpivarotra iray, mitondra vohoka, no voalaza fa nodarohan’ny pôlisy monisipaly iray. Fotoana fohy tao aorian’izay dia tonga teny an-toerana ny miaramila iray nilaza ho vadin’ity mpivarotra voadaroka ity, izay mazava ho azy fa tsy nanaiky ny herisetra natao tamin’ny vadiny. Naneho fahatezerana tamin’ireo pôlisy monisipaly moa ity miaramila ity ka saika raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ilay miaramila izay niantso ny namany rehefa nahita ny fahamaroan’ireo pôlisy monisipaly. Tetsy ankilan’izay, tahaka ny mahazatra, dia tsy nankasitraka ny fikasihan-tànana ny namany ireo mpivarotra amoron-dalana ka nirohotra teo anoloan’ny vavahadin’ny lapan’ny tanàna ary nangataka ny hamoahana ilay pôlisy monisipaly nidaroka ilay mpivarotra. Nisy tamin’ireo mpivarotra ireo no nitora-bato ka fiara vitsy izay nijanona tao amin’ny tokontanin’ny Lapan’ny tanàna no simba. Hatramin’ny 8 ora alina dia mbola maro ireo mpivarotra no niandry tetsy anoloan’ny lapan’ny tanàna, ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Sécurité kosa dia efa tonga teny an-toerana tamin’io fotoana io. Ireto farany izay niambina nanodidina ny Lapan’ny tanàna. Marihina fa tsy tafavoaka tao amin’ny toeram-piasany ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana raha tsy efa niala daholo ireo mpivarotra nitokona teo anoloan’ny vavahady. Ny olana moa amin’ny raharaha tahaka izao, dia maro amin’ireo mpivarotra amoron-dalana no efa miandry kendry tohina noho ny fahatezerana amin’ny fanadiovana ataon’ny kaominina. Rehefa misy ny pôlisy monisipaly, na mpiasan’ny fivondronana manao fihetsika mety tsy ho voatandrina kely fotsiny, avy hatrany dia mitsangana ireto mpivarotra ireto ary mitroatra mamoaka ny hatezerany. Misy raha teo koa ireo andian’olona vitsy izay tonga mamporisika ireo mpivarotra hitroatra.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire