Dinika ho Fanavotam-Pirenena “DFP”: “Manome vahana ny fitsaram-bahoaka ny governemanta”
Omaly dia nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina ireo mpitarika ity “Hetsika” ity ka nitondran’izy ireo ny akon’ny fitsidiham-paritra nataon’izy ireo sy ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny no novoaboasany tamin’izany.
Raha akapoka amin’ny ankapobeny ny fanazavana nataon-dRasamoelina Hary Naivo momba ny fitsidihana nataon’izy ireo tany amin’ny faritany dia ny fibaribarian’ny ady an-tranon’ny samy Hvm any amin’ny faritra, izay taratry ny tsy fitoviam-pijerin’ny samy tompon’andraiki-panjakana foibe, hoy izy.
Fa ny isan’ny nivoitra tamin’ny fanazavana nentin-dRatolojanahary Maharavo (Doudou) dia ny tsy fandriam-pahalemana izay azo ambara ho manafotra ny faritra isan-tokony amin’izao fotoana. Endrika iray isehoan’izany ity fitsaram-bahoaka mitranga amin’ny toerana maro eto Madagasikara ity, hoy izy.
Taratry ny tsy fahafehezan’ny mpitondra fanjakana ny fitantanana ny tany sy ny firenena izy io, hoy i Doudou, ary endrika iray ibaribarian’ny tsy fiezahana hametraka ny tena tany tan-dalàna eto.
Etsy ankilany, notsindrian-dRatolojanahary Maharavo koa fa “tsy itokisan’ny vahoaka intsony ny mpitondra fanjakana ka mandray an-tanana ny fiainany ny vahoaka dia sanatria samy manao izay tiany”. Ny tranga isehoan’ny fitsaram-bahoaka dia porofo iray tsy azo iadian-kevitra manamarina ny tsy fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra fanjakana intsony, hoy izy.
Etsy andaniny, raha ny tranga niseho tato ho ato momba io fitsaram-bahoaka io, hoy ihany i Maharavo Ratolojanahary, no halalinina dia saika nateraky ny antsirambina sy ny tsy fahombiazan’ny mpitondra fanjakana foibe, ka ny mpiasam-panjakana manao ny asany any ifotony any no iantefan’ny hatezeram-bahoaka. Na mpitsara na zandary na pôlisy na mpiasan’ny fandraharahana ny hetra na administratera sivila, sy ny hafa, dia maro amin’izy ireny no tsy manan-tsiny fa noho ny fanapahan-kervitra diso na fepetra tsy rariny ataon’ny fitondrana foibe no izakan’izy ireny ny mavesatra. Misy akony any amin’ny ankohonan’izy ireny izany satria miteraka horohoro sy tahotra ho an’ny vady aman-janak’ireny mpiasam-panjakana ireny ny raharaha, hoy ihany ny fanampim-panazavana.
Ny delestazy tsy voavahan’ny fitondrana foibe ange, hoy i Maharavo Ratolojanahary, no mahatonga ny foiben’ny Jirama na ny mpiasan’ny Jirama any amin’ny faritra ianjadian’ny fanafihana sy fandoroan’ny vahoaka azy e! Ny kolikoly avo lenta sy tsikombakomba ataon’ny mpitondra foibe no miteraka tsy fitokisan’ny vahoaka any ifotony ny mpiasam-panjakana any an-toerana.
Izahay “Dfp” koa anefa, hoy hatrany i “Doudou” tsy miaro an’ireo mpiasam-panjakana sasany izay manao rainazy any anivon’ny fiaraha-monina any ka sanatria ianjadian’ny vali-fatin’ny olona. Na izany na tsy izany, tany tokony hanjakan’ny lalàna velona na “fanjakana tan-dalàna” ny eto Madagasikara, hoy ihany ny “DFP” ka na mpiasam-panjakana ambony na mpiasam-panjakana antenantenany na mpitondra fanjakana any amin’ny foibem-pitantanana manao ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny, dia misy fepetra sahaza ny nataon’izy ireny fa tsy hifamono eto na hifamaly faty eto isika.
Teo dia tsy nohadinoin’i “Doudou” ny niantso an’ireo sendika isan-tokony eo anivon’ny asam-panjakana mba hijoro ka hiteny amin’izao loza mitatao amin’ny mpiasam-panjakana izao.
Isan’ny teboka ntondran-Ratolojanahary Maharavo fanazavana koa ny momba ny “Dinika Politika” hifampiresahan’ny mpitondra fanjakana amin’ny mpiara-miombona antoka eo anivon’ny Vondrona Eraopeanina any Parisy amin’ny volana desambra ho avy izao.
Manao kilaingalainga indray ny governemanta, hoy i “Doudou” ka mitetika ny hamitaka ny vahoaka Malagasy amin’ny famahanan-dalitra ny olon-tsotra. Mody narangarangan’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier indray tamin’ny alarobia ny hoe misy tetik’asa ampolony maro handresen-dahatra ny mpamatsy vola, ary karazan’ny efa nahazoana ny fankatoavan’izy ireo, ary hahazoana vola amin’arivony tapitrisa dôlara, hoy i “Doudou” nefa ny Vondrona Eraopeanina itondrany an’izany aza efa nofahanany abobo tamin’ireo fepetra misa 31 momba ny fanarenana ny tontolon-draharaham-pifidianana. Efa hatramin’ny volana febroary 2014 no nomen’ny Vondrona Eraopeanina izany fa mandrak’ankehitriny, hoy hatrany Ratolojanahary Maharavo, na ny iray aza tsy nisy notanterahin’ny fitondram-panjakana. Ka Vondrona Eraopeanina iza no ho voafitak’io fitondrana io intsony, hoy izy, ary izay no tsy maintsy ijoroana mba tsy ho revon’ny kobaka am-bava sy ny volana an-tenda ny olom-pirenena tsotra.
Fanavotana Talatamaty: Mpiasa iray no namoy ny ainy
Mpiasa vavy iray tao amin’ny orin’asa Fanavotana eny amin’iny lalana Talatamaty iny omaly misandratrandro no namoy ny ainy. Ny antony dia noho ny antsojay nataon’ny mpampiasa azy, satria efa tratry ny tsy fahasalamana ity tovovavy ity, ka raha nangataka mba handeha hizaha fahasalamana sy hitsabo tena eny amin’ny Ostie izy, dia nolavin’ny mpampiasa. Ny antony dia hoe “tsy misy mpanolo”.
Nihazo ny efi-trano fidiovana ilay mpiasa ary tao no nitolefika, ary ren’ny mpiasa ny fitraotraofany. Karazan’ny efa manary aina. Izay ny mpampiasa fa nikoropaka nitondra azy teny amin’ny Ostie, saingy olona efa tsy misy aina intsony no tonga teny.
Ireo mpiasa tao an-toerana moa teo anoloan’izany dia nanapa-kevitra ny hanao fitokonana ho fanehoana tsy fankasitrahana ny fihetsiky ny mpampiasa, saingy nampiasan’ny mpampiasa hafetsena indray ka noravany tamin’ny 3 ora tolakandro, raha tokony ho tamin’ny 6 ora vao nirava.
Tsy trangan-javatra tokana aman-tany ity niseho teny Talatamaty ity eo amin’ny tontolon’ny asa fa matetika dia iharan’ny antsojay toa izany ny mpiasa amin’ireny orin’asa afa-kaba ireny. Izany no mbola ivavahan’ny sasany ihany ny hampiroboroboana ireny karazana orin’asa mamono sy manandevo ny Malagasy ireny eto.