Ravalomanana Marc: 1.300.000 ha no tany namidiny teto Madagasikara
Tsy mbola mivalona tanteraka ankehitriny ny raharaha mahakasika ny fivarotana tanindrazana nataon’ingahy Ravalomanana Marc fony izy filoham-pirenena nanomboka ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2008. Manomboka mifanatona amin’ ity filoha teo aloha ity ny orinasa nivarotany ny tany teto Madagasikara dia ny Daewoo-Corporation, araka ny loharanom-baovao azonay amin’izao fotoana izao. Raha averina ny tantara dia ny taona 2006 no nisy ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana Ravalomanana Marc sy ny governemanta notantanany tamin’izany fotoana izany tamin’ny fivarotana tany tamin’ny orinasa vahiny antsoina hoe Daewoo-Corporation. Hanao fambolena amin’ny tany midadasika eto Madagasikara ity orinasa ity ka ny orinasa Tiko no mpiara-miombon’antoka aminy amin’izany. Ny faritanin’ Toamasina, Antsiranana ary Mahajanga no voalaza fa namidin’ny fanjakana Ravalomanana Marc. Velaran-tany mahatratra “1. 300. 000 ha” no namidy amin’ity orinasa ity manokana tamin’izany fa hanaovana fambolena manara-penitra hono. Misy anefa ny milaza fa mba hahazoana mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany no tena anton’izany. Nitarika olana ara-piaraha-monina teto Madagasikara io toe-draharaha io satria maro ny fanoherana nataon’ny mponina tany amin’ireny toerana ireny. Isan’ny nanao fanambarana matetika tamin’izany ny ampanjaka sy ny sojabe tany amin’ny faritra maro manerana ny nosy ny amin’ny tsy fanekeny ny fivarotana amin’ny vahiny ny tanindrazany tamin’izany andro izany. Maro ny fihetsehana nataon’ireny olona ireny tamin’izany nefa tsy noraharahan’ingahy Marc Ravalomana mihitsy. Fampihorohoroana sy fandrahonana ary fanagadrana no valin’izany tamin’ny fotoana io. Mbola nisy koa ny tany hafa izay efa nokasain’ingahy Marc Ravalomana sy ny mpiara-dia aminy tao amin’ny antoko TIM koa tany amin’ny faritra Amoron’i Mania dia ny lemaka tao Andranomiely ao Soavina sy Ambondromisotra ary ny tany tao amin’ny kaominina Ambatofinandrahana mahatratra 10 000 ha, izay voalazan’ny ben’ny tanànan’Ambatofinandrahana tamin’izany andro izany fa hambolena varim-bazaha araka ny baiko azo avy any amin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Ity ben’ny tanànan’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara) tamin’ny taona 2006 ity izay efa nanomboka nikarakara ny tany ho an’ny orinasa voalaza fa hahazo ny tany. Ny ankamaroan’ny tany izay tany Melaky ao amin’ny faritanin’i Mahajanga dia isan’ny efa lafo tamin’izany fotoana izany koa. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany dia manery mafy an’ingahy Marc Ravalomanana amin’ny hanatanterahana ny fifanarahana ity orinasa ity ankehitriny ka mitady ny fomba rehetra hahazoany indray ny tany izay namidy taminy io.
Isan’ny raharaha nitarika ny fanonganan’ny olona an’ingahy Ravalomanana Marc ny fivarotany ny tanin’ny Malagasy tamin’ny orinasa vahiny Daewoo-Corporation iny ny taona 2006-2007. Na tanin’olona vita titre na tanin’omby, na tany misy fasana sy trano fonenana ka tafiditra tao amin’ny tany voafaritra fa hamidy ireo dia nesorina tamin’ny tompony avokoa tamin’izany fotoana izany. Nanomboka teo dia nihamafy ny hetsika ny fitokonana maro isan-karazany teto amin’ny firenena ho fanoherana ny fivarotana tany. Niafara tamin’ny fihetsehana ny taona 2009 izany ka nandosiran’ity filoha teo aloha ity tany Afrika Atsimo. Raha tsiahivina ny tantara dia nanafatra mpikarama an’dy afrikanina tatsimo mihitsy ingahy Marc Ravalomanana hiambina azy sy hanampy ny mpitandro ny filaminana Malagasy tamin’izany fotoana izany hanao famoretana ny mpanao fihetsiketsehana nefa tsy nahatohitra ny vahoaka niaro ny taniny intsony izany. Ingahy Marc Ravalomanana izay nosokajian’ny Malagasy tamin’izany fotoana izany ho filoham-pirenena jadona sy tsy refesi-mandidy.
Ankehitriny indray dia mahazo laka amin’izao fanjakan’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao indray ny fampanofanana tany maharitra amin’ny vahiny( 40 ka hatramin’ny 99 taona) fa indrindra ny Sinoa izay mpitrandraka harena an-kibon’ny tany. Fivarotana tanindrazana amin’ny fomba ankolaka koa ity raharaha ity. Maro no tany efa lasan’ny Sinoa ankehitriny ka nahatonga ny raharaha tao Soamahamanina io sy ny any Bealalana, Mandritsara, Tsarazaza Fandriana ary Mananjary izay mampitroatra ny mponina amin’ireo toerana ireo. Mikorontana ny fiaraha-monina sy ny rivotra pôlitika amin’izao fotoana izao. Ahiana mafy ny hisian’ny fihetseham-bahoaka vokatr’izany. Raha jerena sy arahana ny tantaram-pirenena dia mitovy tsy misy hafa ingahy Ravalomanana Marc sy Hery Rajaonarimampianina satria samy ampangain’ny vahoka ho mpivarotra tanindrazana avokoa izy ireo ankehitriny. Izy roalahy ireto izay mpinamana satria samy niasa tao amin’ny orinasa Tiko avokoa tao anatin’ny taona maro.
JB
Ampasimbe Manatsatrana: Mpandraharaha voatafika, very ny 100 tapitrisa Ariary
Tato anatin’ny herinandro vitsy izay dia tsy nahitàna fanafihana mitam-piadiana firy teto Andrenivohitra. Izany dia vokatra ny fepetra noraisin’ny mpitandro filaminana amin’izao akatoka ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia izao. Na andro mazava, na andro alina, dia hita miasa mafy tokoa ny mpitandro filaminana manerana ny Renivohitra. Mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy any amin’ny faritra hafa ivelan’Antananarivo. Tsy misy fitsaharany ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo ka mandry tsy lavo loha ny mponina, indrindra fa ireo tantsaha sy mpiompy any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ny marainan’ny alarobia 9 novambra lasa teo, tao amin’ny kaominin’i Ampasimbe Manatsatrana, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, dia vehivavy mpandraharaha iray no notafihan’ny jiolahy tao an-tranony ka voaroba tamin’izany ny vola mitentina 100 tapitrisa Ariary. Marihana fa nanao fanamiana zandary ary nisaron-tava ireo jiolahy nanafika izay nitondra basy Kalachnikov sy basy poleta. Avy naka vola tao amin’ny banky iray tao Toamasina moa ity mpandraharaha ity no niharan’izao fanafihana izao. Ankoatra ny vola, dia lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vatakely fitehirizana ny volamena sy ny vato sarobidy tao an-trano. Efa tafatsoaka ireo olon-dratsy vao afaka niantso mpitandro filaminana ity mpandraharaha voatafika ity saingy tsy tratra intsony ireo jiolahy. Tsara ny manamarika fa vao tamin’ny 14 oktobra lasa teo no nisavoritaka tanteraka ny kaominina Ampasimbe Manatsatrana rehefa tsy nanaiky ny famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny tanàna vaovao sy ny ben’ny tanàna teo aloha ny vahoaka any an-toerana. Ankizivavy iray mpianatry ny lycée sy raim-pianakaviana iray moa no maty voatifitra tamin’io fotoana io.
F.Tsihiavonana