Frankôfônia: Tsy mety milaza ny marina ny Fanjakana

Ampiainan’ny fanjakana ao anatin’nyhaizina tanteraka ny Malagasy amin’ity fanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia eto Madagasikara ity. Tsy misy mazava ny zavatra rehetra nefa zon’ny olom-pirenena rehetra no mahalala ny mitranga eo amin’ny fireneny, indrindra fa raharaha lehibe toa izao. Tsy mazava ny resa-bola ho laniana tanteraka amin’ity fihaonana ity. Ny firenena rehetra izay mandray fihaonana lehibe toa izao dia mampahafantatra ny vahoakany ny fandaniana rehetra mahakasika izany. Na dia tsy ilain’ny vahoaka loatra aza ny mahakasika ny antsipirian’izany fihaonanan izany dia mba tokony ho fantatra ny Malagasy kosa ny fandaniana amin’ny ankapobeny. 10 andro sisa dia ho tonga ny fotoana nefa hatramin’izao dia mbola tsy misy mahalala izay tokony ho fantatra ny Malagasy. Ny filazan’ny komity mpikarakara ny fihaonana ny amin’ny tsy tokony hivoahan’ny olona eny an-dàlana fa hijanonana any an-tranon’ny tsirairay avy no mbola voalaza amin’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Filazana izay niteraka resabe eto amin’ny firenena.

Fantatra koa amin’izao fotoana izao fa misy kaontenera maromaro tonga avy any Canada izay misy fanomezana maro ho entina hanatanteraka ity fihaonana ity. Mandeha ny resaka fa toa misy milaza indray avy any amin’ny fiadidiana ny repoblika fa tonga ny entana novidian’ny Malagasy hatrany ivelany. Tamin’ny herinandro lasa iny no tonga tao Toamasina ireo entana ireo ary voalaza fa fanomezana. Valalanina ny rehetra noho izany satria ny fanomezana lasa nivadika entana novidiana indray. Inona no tena marina amin’ity raharaha ity? Ny zava-misy dia fotoana fanararaotana angalarana ny volam-panjakana ny toa izao. Tsy misy ny fampahafantarana, tsy misy ny filazana fa avela hiaina ao anatin’ny maizina tanteraka ny Malagasy. Na izany aza dia tsy maintsy ho fantatra ihany ny marina amin’ity raharaha ity.

Ankilany indray dia mitaraina ny dokotera izay nampiasana tamin’ny COMESA tamin’ny volana oktobra 2016 lasa teo iny fa tsy naloan’ny fanjakana ny karaman’izy ireo fa ifanilihan’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny sy ny ministeran’ny Fahasalamana ny raharaha. Nisy hatramin’ny tsy fanomezana ny akanjo sy ny fitaovana tokony hampiasana tamin’izany ho an’ireo dokotera ireo. Ampihorohoroana izy ireo rehefa mitaky ny karamany ireo hoe efa any amin’ny ministera ny anaranareo. Amin’izao fotoana izao indray dia mbola terena hiandry raharaha mandritra ny iray volana , izay manomboka ny faha 15 novambra 2016 ka hatramin’ny faha 15 desambra 2016 izy ireo. Terena hoy ireto dokotera ireto fa tsy maintsy manao io asa io, nefa ny fifanarahana teo aloha aza tsy mbola vita akory. Dokotera vitsivitsy no nilaza fa mandainga sady mpamitaka ny fanjakana ankehitriny. Tezitra sy malahelo ireto dokotera ireto satria hono naloan’izy ireo ny tambin-karaman’ny miaramila 40 000ariary isan’andro nandritra iny fihaonana iny. Izay atahorana izany dia aloa ny volany fa izay tsy mahamena-maso kosa dia ampiasana fahefam-panjakana ka valiana fotsiny izao. Mandeha anefa ny resaka fa fikambanana tsy miankina indray no hampiandraiketina ny fitsaboana. Tsy mazava marina ny raharaha fa mitarika ahiahy maro amin’ireto dokoteram-panjakana ireto. Santionany amin’ny zavatra maloto ao amin’ny fitantanana ny frankôfônia izao zava-mitranga izao.

Jesy Rabelaolao

Orin’asa afa-kaba: Vola ampolony tapitrisa no anosihosena ny zon’olombelona

Notaterina teto omaly ny tranga iray teny amin’ny faritr’i Talatamaty iny, izay nisehoan’ny fahafatesan’ny mpiasa iray tao amin’ny orin’asa afa-kaba. Ny antony dia efa narary izy io no nangataka alalana hozaham-pahasalamana tany amin’ny Ostie, saingy tsy navelan’ny mpampiasa. Izany no endri-javatra mianjady amin’ny Malagasy, ary tsy vao omaly na tamin’ity herinandro ity no nahenoana sy nahitana toa izany fa efa hatrizay. Ny orin’asa niasan’io vehivavy io dia orin’asa afa-kaba. Ombieny ombieny dia saika amin’ireny orin’asa afa-kaba ireny no itrangan’ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny lalàna velona. Tsy te hahalala afa-tsy ny fahavitan’ny entana nohafaran’ny tsena any ampita any mantsy ny mpampiasa. Efa nisy teto hatramin’ny mpiasa vavy latsa-jaza any amin’ny trano fidiovana mihitsy ange tamin’ireny orin’asa afa-kaba ireny teto e !

Efa nisy fepetra noraisin’ny mpampiasa amin’ireny orin’asa afa-kaba ireny koa teto, ny fanereny ny mpitsabo tsy hanome fanamarinana tsy fahasalamana ka anomezana andro tsy iasana vitsivitsy ho an’ilay mpiasa.

Nisy ny hoe miasa mandritra ny andro sy mandritra ny alina ny mpiasa amin’ireny orin’asa ireny satria hoe misy ilay tombon’ora ahazoana fanampin-karama (heures supplémentaires). Sodokan’io ny mpiasa maro satria kely loatra ny karama fa raha mba misy an’io amin’ny fotoana mahabetsaka ny fanafarana (commande) dia mba miakatra ny vola raisina.

Tsy tsapan’ny mpampiasa ary tsy tsaroan’ny mpiasa fa misy fetrany ny zakan’ny vatan-tenan’olombelona, ary izany no nahatonga ny mpanao lalàna hametraka fepetra hoe « ora valo isanandro ihany no iasana, ary tsy maintsy misitraka ny fotoana fialan-tsasany (congé) ny mpiasa, sy ny maro ». Ny lalàna eto koa dia tsy tokony hadinoina fa manipika ny fepetra tsy maintsy atao rehefa misy tombon’ora tokony hampiasana ny mpiasa fa hoe nahazo fanafarana entana avy any ampita. Isan’ny fepetra ny hoe « tsy maintsy mampandre andro vitsivitsy mialoha ny tompon’andraikitra momba ny asa, tsy maintsy mamantatra raha tsy misy olona azo alaina hamita ny asa ivelan’ireo efa mamita ny asa amin’ny atoandro, sy ny maro hafa ».

Tsy vitsy ny mpiasa no mitondra takaitra, afa-jaza, marary matetika, sy ny hafa.

Ny mpanara-maso ny asa sy ny mpitsirik’asa koa moa mora tampenan’ny mpampiasa sasany ny masony (kolikoly io e !).

Amin’ny ankapobeny aloha dia ny orin’asa afa-kaba no matetika ahenoana tranga mitory tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny lalàna toa izany rehetra izany. Rehefa nohadihadiana anefa dia zara raha entana nisanda 39 tapitrisa dôlara no tafiditra tany Etazonia, ohatra, tamin’ireny vokatry ny orin’asa afa-kaba (Agoa) ireny teto. Bitika ange izany rey vahoaka e ! Io 39 tapitrisa dôlara io aza tsy hoe miditra 100% mankany amin’ny kitapom-panjakana fa ny tompon’ny orin’asa no tena matavy atoka amin’izy io, ary rehefa voatakalo vola gasy izy io dia ametsifetsena ny mpiasa malagasy. Izany hoe tsy mitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena koa izy ireny nefa efa manitsakitsaka ny zon’olombelona no manarama ambany ny mpiasa malagasy.

Ny vahaolana volaohany indrindra aloha dia ny fandraisan’ny fanjakana fepetra

mba hanajan’ireny mpampiasa amin’ny orin’asa afa-kaba ireny ny lalàna velona eto sy ny rariny ary ny hitsiny. Ny mahavariana anefa dia mijery fotsiny ny tompon’andraiki-panjakana satria hono hoe « ry zareo aza mba mamorona asa ho an’ny tanorantsika ».

Dia asakasatsika Malagasy aloha fa tsy azon’ny saina hoekena ny hoe « andevon’ny vahiny eto amin’ny tanintsika isika noho ny vahoaka nampahantrain’ny mpitondra nifandimby teto ».

Ajouter un Commentaire