Nty Sy Nday: Aoka tsy handrora mitsilany !
Tetik’asa iray isan’ny goavana nifanarahana tamin’ny fanjakana japoney ny hanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Takian’ny vanim-potoana ankehitriny ny fanalehibeazana azy io, hoy ny vokatry ny fanadihadiana. Dia nikaroka mpiara-miombona antoka ny tompon’andraikitra ka taorian’ny fanadihadiana dia ny fanjakana japoney no hita ary vonona hanampy amin’izany. Ny fanadihadiana ara-teknika koa anefa dia nanipika fa raha ny vanim-potoana ankehitriny no jerena dia tsy mety intsony ny manitatra sy manalehibe an’io seranan-tsambon’i Toamasina io fa tokony havela ho amin’ny endriny ankehitriny ihany, ankoatra ny fikojakojana andavanandro, fa tsara raha maka toerana iray hafa hananganana seranan-tsambo iray lehibe takian’ny vanim-potoana ankehitriny. Ny tena antony ara-teknika voalaza fa tsy mahamety ny fanitarana na hanalehibeazana ny seranan-tsambo misy amin’izao fotoana dia satria hoe marivo loatra ny faritra misy an’io seranan-tsambo amin’izao fotoana io ka raha mbola halehibeazina sy hitarina dia hitombo hatrany koa izany ny fandraharahana ara-tsambo eo ary mora hitombo ny loto, mora miakatra ny fasika, ka mety hahamora ny hahatondraka an’i Toamasina. Izany hoe loza mitatao ho an’i Toamasina izany ny firosoana hanitatra an’io seranan-tsambo amin’izao fotoana. Efa nahita toerana na faritra tsara sy mifanandrify amin’ny fotodrafitrasa tokony haorina any amin’iny ilany atsinanana iny ihany ny mpanao fanadihadiana, ka eo no teraka ny fifandroritana. Ny firaisamonim-pirenena izay tarihin’ny fikambanana « Adopt » (zanak’i Toamasina) dia mitaky amin’ny fitondram-panjakana mba hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa ivelan’io toerana efa misy seranan-tsambo amin’izao fotoana io. Mitady hiziriziry ny mpitondra fanjakana satria manao kajy an-kandrina fa raha ny tetik‘asa fanitarana ny misy amin’izao fotoana no hirosoana dia mety hahazo tombontsoa manokana bebe kokoa satria ho kely kokoa ny vola mety ho takiany, fa raha hananganana seranan-tsambo vaovao amin’ny toerana hafa dia mety ho kely no azo antenaina satria mety hila volabe kokoa izany. Resaka ady tombontsoa rano fotsiny no mahadodona ny tompon’andraikitra malagasy amin’ny fanaovana an-detrezana ny tetik’asa fanalehibeazana ny efa misy amin’izao fotoana. Ireo mitaky ny hanorenana amin’ny toerana hafa kosa dia te hanana fotodrafitrasa manaraka ny fenitrta takian’ny vanim-potoana ankehitriny, ary tsy hisy loza mitatao loatra. Na ny teknisiana japoney aza mantsy, hoy ny akom-baovao, dia efa resy lahatra rehefa nanao fanadihadiana koa fa ny manangana seranan-tsambo iray goavana kokoa amin’ny toerana hafa no rariny sy tsy misy ahiana ho an’ny tanànan’i Toamasina. Hanao fihetsiketsehana mihitsy moa ny any Toamasina ato ho ato hanoherana ny tetik’asa amin’ny endriny tetehin’ny fitondram-panjakana hanaovana azy. Raha zohiana tokoa aloha ny tetik’asa efa maha-tongotra mby an-dalana ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana azy dia tonga amin’ilay ohabolana hoe « mandrora mitsilany ka mahavoa tena » e !. Izay fiheveran-diso nahazatra ny mpitondra nifandimby nitantana teto hatrizay no mahatoa izao antsika malagasy, voafatotry ny fahantrana sy latsain’ny tantara. Ny di-doha sy amboletra ary andetrezana fanaon’ny mpitondra fanjakana teto hatramin’izay ka hatramin’izao no maha-fadiranovana ny vahoaka. Noho izany, rehefa hanohy ny di-dohany amin’ity tetik’asa any amin’ny seranan-tsambo any Toamasina ity ny fitondram-panjakana dia tokony mijoro misoroka ny ho voka-dratsin’izy io ny vahoaka dia mitaky ny hamindrana an’io tetik’asa io amin’ilay toerana efa hita fa tsara hanaovana azy.