67Ha : pôlisy saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Potika tanteraka ny fiaraha-monina Malagasy ankehitriny noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Pôlisy iray indray no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka tetsy 67ha, omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva teo. Teo amin’ny tobin’ny Jovenna vaovao no niandohan’ny tantara. Nisy lehilahy iray nandeha môtô no nijanona teo amin’ity tobin-dasantsy ity, ka avy hatrany dia noroahan’ilay pôlisy miambina ny toerana. Ity lehilahy nitondra môtô ity izay mazava ho azy fa tsy nankasitraka ny fihetsik’ilay pôlisy ka namaly azy. Tsy nahazaka novaliana ihany koa ilay mpitandro filaminana ka raikitra teo fifamaliana ary niafara tamin’ny ady totohondry teo amin’ny roa tonta. Mbola nisy moa ny pôlisy 3 hafa niambina ity tobin-dasantsy ity ka avy hatrany dia nanasaraka ny ady rehefa nahita izany. Nentin’ireo mpitandro filaminana tao anatin’ny efitrano fandroana ao amin’ilay tobin-dasantsy ilay lehilahy nitondra môtô ary notazonin’izy ireo tao. Tetsy ankilan’izay, nahatezitra ireo olom-pirenena maro nahita ny zava-niseho ny fihetsika nataon’ireto pôlisy ireto ka notakian’izy ireo ny hamoahana ilay lehilahy nitondra môtô. Ireto olona nitangorona ireto izay efa nitabataba nilaza hoe “ataovy fitsaram-bahoaka”. Soa ihany fa minitra vitsy tao arian’izay dia tonga pôlisy avy amin’ny UIR (Unité d’Intervention Rapide), nandeha tamin’ny fiara 4x4 miisa 2. Ireto farany izay nanaparitaka ireo vahoaka maro nitangorona ary niandry fitsaram-bahoaka. Ny toe-javatra tahaka ity niseho teny 67ha ity dia mbola manamafy hatrany fa misy olana goavana ny fiaraha-monina Malagasy, ary tsy iza no tena tompon’andraikitra voalohany amin’izany fa ny fanjakana izay efa tsy atokisan’ny vahoaka intsony.

F.Tsihiavonana

Kariera ao Bemainty Didy : manampatra fahefana ny zanaky ny filoha

Ny faha 3 ny volana septambra lasa teo no nanomboka nitsofoka tao Zahamena Bemainty, toerana iray misy kariera fitrandrahana safira, ao amin’ny kaominin’i Didy, distrikan’Ambatondrazaka, ireo mpitrandraka Malagasy madinika. Raha ny antontan’isa, dia efa mahatratra hatrany amin’ny 5 alina sy 1 hetsy amin’izao fotoana izao ny isan’ireo Malagasy mitrandraka ao amin’ity toerana ity, raha ny filazan’ny solontenan’ireo mpitrandraka madinika avy any an-toerana izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly. Ankehitriny, raha ny fanazavana nomen’ireto mpitrandraka ao Bemainty ireto ihany, dia efa miditra ao amin’izany kariera izany koa ny zanaky ny filoham-pirenena, Aina Rajaonarimampianina. Voalaza fa roahina avokoa ireo teratany Srilankais mpividy vato amin’ieo Malagasy mpitrandraka any an-toerana, tato anatin’ny andro vitsy izay. Ny zanaky ny filoham-pirenena, miaraka amin’ny teratany Sri Lankais iray antsoina hoe Rizan Saphir, no ao ambadik’izany fandroahana izany raha ny fanazavana azo. Marihana fa manampy ny zanaky ny filoham-pirenena sy ity teratany Srilankais ity amin’izao fandroahana teratany Sri Lankais izao ny “préfet” sy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Raha ny fanazavana nomen’ny solontenan’ireo mpitrandraka safira ao amin’ny kaominin’i Didy izay ihany dia takiana 10 tapitrisa ariary ireo Sri Lankais izay tsy mety miala ao amin’ity toerana misy fitrandrahana ity, ary tsy maintsy mandoa vola 4 tapitrisa ariary any amin’ny “préfet”. Tsiahivina ihany fa tao anatin’izao fitondrana HVM izao dia tafiditra amin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hatrany ity zanaky ny filoham-pirenena lahy ity, ohatra amin’izany ny fitrandrahana tao amin’ilay karieram-bato tao amin’ny distrikan’ Anjozorobe, tamin’ny voalohandohan’ny volana septambra teo. Ny talata 8 novambra teo moa dia efa noresahina nandritra ny filankevitry ny governemanta ny firohatr’ireo olona an’alina maro tonga mitrandraka ao amin’ity kaominin’i Bemainty ity, saingy tsy nisy ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana.

F.Tsihiavonana

Commentaires   

0 #1 RAKOTO 15-11-2016 11:33
Inona no mba ataon'ireo Antoko milaza ho mpanohitra ,sa dia miandry toerana fotsiny . Matokia hiany ireo Antoko milaza fa mahavita azy e !
Citer

Ajouter un Commentaire