Vohibato-Fianarantsoa : mahazo vahana koa ny fitsaram-bahoaka
Tao anatin’ny roa volana izay dia nisy fitsaram-bahoaka nifanesy tao amin’ny distrikan’i Vohibato ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Ny iray dia tao Sahamena ary ny iray kosa tao amin’ny tanànan’i Marovovontany ao Talatan’Ampano. Samy nisy fitsaram-bahoaka avokoa ireo tanàna roa ireo fa ny endriny no samy hafa. Ity farany dia dahalo efatra izao no novonoin’ny fokonolona rehefa azon’izy ireo. Voalaza fa namono tovolahy iray izy ireo nandritra ny asan-dahalo natao tao amin’ity tanàna ity. Tezitra ny fokonolona ka rehefa azon’izy ireo ireto dahalo ireto dia ny fanaperana ny ainy no nataon’ireo fokonolona. Tsy nentiny any amin’ny zandary sy ny fitsarana intsony fa avy hatrany dia izy ireo ihany no nanao ny fitsarana. Tonga tany an-toerana ny depiote avy any amin’ity distrika ity ka nilaza fa: “rehefa tsy handray ny andraikitra ny fanjakana dia vonoy avy hatrany ny dahalo izay tratranareo”. Izany no fanambarana nataony teo imason’ny vahoaka maro namono ity dahalo ity. Midika izao raharaha izao fa efa lasa fanjakan’i Baroa tanteraka ny fitondrana eto Madagasikara. Misy ny milaza fa diso ny olona izay manao fitsaram-bahoaka. Ankilany koa anefa ny fanjakana tsy mahavoafehy intsony ny fandriam-pahalemana. Ho an’ny mpandinika ny raharaham-pirenena dia efa mizotra mankany amin’ny ady an-trano ny fiaraha-monina Malagasy ankehitriny ka raha tsy tsy mahita vahaolana amin’izao ny fanjakana dia zava-doza no hitranga eto afaka fotoana fohy. Matetika ny tranga toa izao manerana an’i Madagasikara tato ho ato, ka mampanahy mafy.
Jesy Rabelaolao
Minisitra ny Vola: Fototra ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena
Mbola mitohy hatrany ny ady hevitra ataon’ny depiote amin’ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Tsy ao amin’ny fivoriam-be itambarana intsony no mitranga izany ady hevitra izany fa amin’ny toerana maro izay ivorivorian’ny solombavambahoaka ireo isan-tarika avy. Iombonan’ny ankamaroan’izy ireo ary hatramin’izao fa ny fitantanana ataon’ny minisitra ny Teti-bola sy ny vola no mampikorosofahana ny firenena amin’izao fotoana izao. Fanakianana mafy no ataon’izy ireo an’ingahy Gervais Rakotoarimanana izay minisitra amin’izao fotoana izao. Minisitra mitanila sy tsy manara-dalàna hoy ny tenin’izy ireo. Mbola nanamafy hatrany ny depiote fa ataon’ity rangahy ity toa ny fitantanana ny vola any antokantranony ny fitantanana ny volam-panjakana, ka izay tiany ihany no ataony. Milaza ity minisitra ity hoy ireto farany fa tsy manam-bola ny fanjakana nefa fantatra izao fa mividy fiarakodia maro ho an’ny ministera izy. Hatrany amin’ny sefon’ny sampan-draharaha isan-karazany any amin’ny ministera no voalazan’izy ireo fa omeny fiarakodia hatramin’ny nitantanany ny volam-panjakana izay. Ny depiote iray avy any atsimo aza dia nilaza fa tokony ho fiara ho an’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana any ambanivohitra no homen’ny fanjakana amin’izao fotoana izao satria izany no olana ngezabe amin’ny fiainan’ny mponina rehetra eto Madagasikara. Raha niaina tamin’ny repoblika voalohany sy ny tapaka ny repoblika faharoa dia nahita fa ny zandary any amin’ny distrika iray dia manana fiarakodia 4X4 roa sy fiara kely iray ho an’ny lehibeny. Vokatr’izany dia afaka namonjy ny fanafihana nataon’ny dahalo ao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Ankehitriny dia fiarakodia hivezivezena aty an-tanàn-dehibe no omen’ny fanjakana ho an’ireo mpiasam-panjakana. Marika ny tsy fahaiza-mitantana izao ka tokony hijery maika izany ny filoham-pirenena hoy izy ireo. Manaraka izany dia tsy mety manatanteraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy koa hono ity minisitra ny Vola ity ka misakana ny fampandrosoana any amin’ny faritany. Milaza ny depiote tafaresaka taminay ireto fa tompon’andraikitra amin’ny fionganan’io fanjakana io ny minisitra ny Vola Gervais Rakotoarimanana, ka hanaovan’izy ireo fanadihadiana parlemantera ny fampiasana ny volam-panjakana sy ireo fiara ireo.
Jesy Rabelaolao