Ambositra : radio manenjika ny fivavahana kristianina
Tao anatin’ny iray volana latsaka izao dia nisy radio iray izay nisokatra eto Ambositra. Mbola tao anatin’ny fanandramana izany radio izany tao anatin’ny volana vitsy ka hirahira toa ny mahazatra amin’ny fisokafan’ny onja-peo vaovao ireny no nahenoana azy. Tsy mbola mazava loatra ny onja-peo andraisana azy fa indraindray azo amin’ny 102.4 ary indraindray azo amin’ny 104.2. Tsy mahagaga izany satria dia manao izay hanakaiky ny radio roa izay matanjaka ao Ambositra ity radio vaovao ity eo amin’ny halavan’ny onja-peo handraisana azy. Tao anatin’ny herinandro vitsy izay dia gaga ny olona ao Ambositra maheno ny fandaharana alefan’ity radio ity, izay manejika ny fivavahana kristianina tanteraka. Milaza fa i Jesoa na i Jesosy dia tsy zanak’andriamanitra izany, ary i Maria reniny dia tsy virijiny izany fa notefitefena fotsiny ihany. Milaza koa ity radio ity fa tsy manaraka ny tena fivavahana marina ny kristianina ireo. Teo anatrehan’izany dia mikorontana indray ny mponina any Ambositra maheno ity vaovao ity. Efa misy mihitsy aza no milaza fa hotafihina sy ho ravana ilay radio. Ambositra izay isan’ny toerana amaharan’ny fivavahana katôlika sy ny FJKM eto Madagasikara. Manana radio iray matanjakabe ny katôlika ao Ambositra efa ho roapolo taona latsaka kely izao. Ny radio hafa koa mbola mirona amin’ny fivavahana kristianina ihany koa. Mitovy ny fivavahana kristinina katôlika ity radio ity ary isan’ny mahasarika olona marobe. Ny fivavahana kristianina izay azo lazaina fa fivavahan-drazana ao amin’ny distri-kan’Ambositra. Ankehitriny anefa dia izao vetavetaina sy lazaina fa mitory zavatra diso amin’ny finoana izao ny mpitondra fivavahana kristianina rehetra ao Ambositra. Marina fa malalaka ny fivavahana eto Madagasikara saingy tsy ho ekena mihitsy ny fanarantsiana sy ny fitsikerana ny fivavahana hafa. Noho izany dia tezitra ny olona, ary efa mifamory handinika ny hatao amin’ity raharaha ity satria ny kolontsaina any an-toerana mihitsy no voatohitohina ankehitriny. Hatramin’ny mpitondra no sahirana amin’ity raharaha ity. Fantatra moa fa olona avy ao amin’ny ministeran’ny serasera no nampanorina io radio manenjika ny fivavahana kristianina io raha ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Azo inoana tokoa izany satria ny fanokafana radio toa itony dia tsy vita mora. Amin’izao fotoana izao dia mbola misedra olana ny asa fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny ary toa izany koa ny fanokafana onja-peo ireny. Ity radio manohitra ny fivavahana kristianina ity anefa dia nomena alalana hahazo fahazon-dalàna hisokatra. Midika izany fa ny fanjakana no ao ambadik’ity raharaha ity. Tao anatin’ny taona telo teo ho eo dia maro koa ny silamo manokatra ny fivavahany any amin’ity toerana ity, izay mbola tsy nisy hatramin’izay. Ambositra sy Fandriana no efa fantatra izao fa hanorenan’izy ireo toerana fivavahana silamo ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Any Ambatofinandrahana izay nisy ny foiben’ny fanampariahana ny fivavahana FLM (fiangonana loterana Malagasy) tao amin’ny faritra Atsimon’i Mania manontolo hatrany Toliara sy Taolagnaro ary Fianarantsoa izay efa ipetrahan’ny silamo koa ankehitriny. Ny fivarotana no fomba entin’izy ireo isarihana ny olona amin’izany. Tao anatin’izay telo taona izay dia mandeha ihany ny resaka fa hisy ny fisarihana ny Malagasy kristianina hivadika silamo any amin’ity faritra ity. Maro ny resaka mahakasika izany amin’izao fotoana izao any amin’ny faritra ity. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa manao fivoriana mahakasika ny momba ity fidiran’ny radio manenjika ny fivavahana kristianina ao Ambositra ity ny tompon’andraikitra aram-panjakana tao an-toerana ka ho hitan-tsika eo ny fivoaran’ity raharaha ity. Ahiana mafy ny mety hisian’ny korontana aram-pinoana ao Ambositra amin’ity raharaha ity raha toa ka mitohy izao raharaha izao.
JB