Fanadiovana an’Antananarivo: Handraiso fepetra koa ireo Sinoa sy Karana!
Tao anatin’ny volana maro izao no niroso tamin’ny fanadiovana ny tanàna, na ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha ny fahitàna azy amin’ny ankapobeany, tsy mbola tonga amin’ny tanjony ny kaominina satria hatramin’ity androany ity dia mbola manao fangalampiery eran-tanàna ireo mpivarotra sy ireo mpiasan’ny fivondronana, isan’andro. Anisan’ireo olana lehibe eto Andrenivohitra ny fivarotana amoron-dalana, ary azo antoka fa tsy ho voavahan’ny mpitantana ny tanàna mihitsy ity olana ity raha mbola mahantra tahaka izao ny vahoaka Malagasy. Efa betsaka moa ny soson-kevitra naroso mba ahafahana miady amin’ity fivarotana amoron-dalana ity saingy tsy hampiarin’ny kaominina. Iray amin’ireo vahaolana ireo, ary matetika haroson’ireo olom-pirenena, dia ny fandraisana fepetra ho an’ireo mpamongady Sinoa sy Karana izay manome entana ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna. Ny tena mahagaga ao anatin’ity raharaha ity, tsy misy andro iray ka tsy mifanenjika manerana ny tanàna ireo pôlisy monisipaly sy ireo mpivarotra, giazina ny entan’ireo mpivarotra rehefa tratra, kanefa tsy misy mihitsy ny fepetra raisina amin’ireo Sinoa sy Karana manome azy ireo ny entana hamidy. Maro amin’ireo mpivarotra aza no tsy makasarotra fa eo anoloanan’ilay magazay sinoa, na karana, izay fangalan’izy ireo entana ihany no mivarotra. Inona tokoa no tena antony tsy handraisan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra an’izay fanapahan-kevitra izay? Fanapahan-kevitra izay tsy ilàna famatsiam-bola, na ny “subvention” avy amin’ny fanjakana foibe, tsy ilàna ihany koa ny fanampiana avy any ivelany. Mety ho voakitikitika tokoa angamba ny tombotsoan’ireto mpamongady vahiny ireto ka sarotra ho an’ireo mpitantana ny Renivohitra no manantanteraka izay sosokevitra be mpanolotra izay.
F.Tsihiavonana