Inty sy Nday: Ho voaonitry ny Frankôfônia ve ?

Maromaro ny sehatra namoahan’ny fitondram-panjakana fepetra fa tsy afaka mihetsika mandritra ny fotoana hanaovana ny fivorian’ny Frankôfônia eto. Ny mpiasa, ohatra, dia hisy ny tsy hiasa. Ny fampianarana koa dia hiantona. Ireo mpitsikaraka marolafy toy ny mpitarika posy sy sarety koa dia ho voarara. Misy ampahany amin’ny fandraharahana ara-toekarena izany no hitsahatra. Raha hetsi-bahoaka izao no fototry ny fiantonan’ireny asa isan-karazany ireny dia ho nihazakazaka ny mpitondra sy ny mpikarama an’adiny nihampanga hoe « faty antoky ny firenena ny hetsika toa izany satria miteraka korontana ka tsy ahafahan’ny mpihary misehatra amin’ny asany andavanandro ». Tamin’ny 1982, nandritra ny fihetsiketsehan’ny Monima notarihin’i Monja Jaona nanohitra ny voka-pifidianana filohampirenena teto, izay niteraka fitsaharan’ny asa fivarotana teny an-joman’Analakely indray zoma, dia tsaroana tsara ny fahaizan-dRakotovao Razakaboana, minisitry ny vola tamin’izany fotoana, nilaza fa « nahatratra 2.000 tapitrisa ia ny faty antoky ny firenena satria io vola io no tokony ho nikoriana sy nifamezivezy tao afovoan’Antananarivo saingy tsy afaka nanao izany ny mpandraharaha satria nisy iny hetsiky ny Monima iny ». Ka amin’izao fotoana, tsy hetsi-bahoaka no hampiantona ny asa fiharian’ny maro fa ny fikatsaham-boninahitry ny mpitondra. Misy volabe mikoriana anefa amin’io fikarakarana ny Frankôfônia io, ka manitikitika ny saina ny hoe « mba hanonitra ny faty antoka na hanome ny vola tokony ho tafiditra amin’ny rehetra izay voatery mampiantona ny asa fihariany mandritra an’io fivorian’ny Frankôfônia io ve ny fitondrana Hvm ? ». Etsy ankilany, ho an’ny mpihary mivantana izay, fa ho an’ny asa aman-draharaha any anatin’ny birao sy ny namany maro any kosa mba ahoana ?. Fanontaniana tokony hanokatra ady hevitra izany satria tsy mbola nandre aloha ny tena hoe « nisy fivoriana an-tampon’ny Firenena Mikambana isaky ny volana septambra any New York misy ny foiben’ny Firenena Mikambana dia nisy asa aman-draharahan’olona natsahatra na nakatona vonjimaika ». Aoka tsy ho faly fotsiny isika hoe « tsy miasa » na « tsy mianatra » fa ny ho avy no banjinina re e !

Ralay

Ajouter un Commentaire