Raharaha Claudine: Tena hanao ve sa hitsapatsapa ny Bianco?

Fantatra amin’izao fotoana izao fa manao fanadihadiana any Ambalavao Tsienimparihy sy ao Fianarantsoa ny Bianco na ny Birao mahaleo tena misahana ny kolikoly. Mahakasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy sy ny minisitra ny Atitany amin’izao fotoana izao Mahafaly Solonandrasana Olivier izay voalaza fa tafiditra amin’ny fanodinkodinam-bola tamin’ny vola manokana nampiasana hanaovana fotodrafitrasa tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Nanomboka ny taona 2014 ny raharaha ka vola hanaovana trano vaovao sy fanarenana maro tany amin’ity toerana ity no voalaza fa voahodinkodina tamin’ny teti-bola natokana ho an’ny kaominina. Vola manapitrisany maro no voalaza fa voakasik’ity raharaha ity raha tsy hilaza afa-tsy ny zava-nitranga tany Ambohimahamasina sy Anjoma tao Ambalavao ihany isika. Misy ampolony maro ny fotodrafitrasa misy kolikoly avolenta raha ny tatitra ny fanadihadiana nataon’ny IGE iny no asian-teny. Marihina fa niteraka fanasaziana ireo “Inspecteurs d’Etat” na IGE telo lahy izay avy eto Antananarivo sy avy any Fianarantsoa ny asa nataony ho filazana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana tamin’ity raharaha ity. Ireo olona ireo izay nitondra porofo sy nilaza ny marina indray no voasazy ka nesorina tamin’ny andraikitra nosahaniny. Izany indrindra no ilazanay fa tena hanao ve ny Bianco sa hitsapatsapa ihany? Sa ve hanao sinema amin’ity raharaha ity koa. Izay milaza ny kolikoly avo lenta ataon’i Ramatoa Claudine sy ny minisitra ny Atitany tamin’io raharaha iny dia nahazo sazy avokoa. Tamin’izay fotoana izay dia mbola ny ministeran’ny Atitany ihany no nosahanin’ingahy Solonandrasana Mahafaly Olivier fa mbola tsy praiminisitra velively ny tenany tamin’izay. Ankehitriny dia niakatra ho praiminisitra izy ka izao ahetsika izao indray ny raharaha Claudine Razaimamonjy izay isan’ny voarohirohy amin’ity raharaha ity raha ny taratasy nataon’ny avy ao amin’ny IGE, ary nivoaka an-gazety maro sy notanisain’ny haino aman-jery teto amin’ny firenena tao anatin’ny volana maro. Tsy ireo ihany fa hatramin’ny fivondronan’ny sendika teto Antananarivo sy ny fiaraha-monim-pirenena dia mitaky ny mazava amin’ity raharaha ity avokoa, ary mangataka ny fanadihadiana amin’izany. Hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena aza efa nangataka fanazavana tamin’ity raharaha ity satria ny mpanao gazety tao amin’ny RFI mihitsy no nanontany momba azy ity.

Inona marina no tena dikan’izao fihetsika ataon’ny Bianco izao? Ny ampitso ho hahafantarantsika ny marina satria mikitikitika ny olona manodidina ny filoham-pirenena ity andrim-panjakana ity amin’izao. Sao dia efa te hiala tao amin’ny andraikiny koa ary ny lehiben’ny Bianco sy ireo mpiara-miasa aminy ka miroso amin’ny raharaha Claudine? Aza adinoana fa ny fikitikitihan’ingahy Ravelonarivo Jean izay praiminisitra teo aloha iny raharaha iny koa no voalaza fa isan’ny antony nanesorana azy tamin’ny toerany.

JB

Commentaires   

0 #1 razakason jean noel 16-11-2016 14:16
misy FARANY zava-drehetra e! fa mba anahoana zanaka amam-p
aranao?
Citer

Ajouter un Commentaire