Mpiasam-panjakana: Hovonoin’ny fanjakana amperinasa ny ankamaroany

Tafiditra ao amin’ny FEC (Facilité élargie de crédit) izay famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena “FMI” , araka ny fifanarahan’ny fanjakana Malagasy sy ity sehatra iraisam-pirenena ity, fa 65 taona indray no fe-potoan’ny fisotroan-dronono ho an’ny mpiasam-panjakana. Hampidirina holaniana ao amin’ny Antenimierampirenena amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao izany. Hampiharina manomboka amin’ny taona 2017 ity lalàna ity. Ny antony anaovana izany dia noho ny tsy fisian’ny vola tahiry intsony ao amin’ny “caisse de retraite” na ny tahirim-bola ho an’ny fisotroan-dronono. Be loatra ny mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono amin’ny taona 2017 iny ka hialana amin’ny tsy fisiam-bolam-panjakana dia aleo aloha hampiasana ireo mpiasam-panjakana izay tokony hisotro ronono ireo. Tsy mifanahaka intsony ny vola ampidirina amin’ny alalan’ny latsakemboka aloan’ny mpiasam-panjakana izay mbola miasa ka banga be ny volam-panjakana noho izany. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy mandoa vola ho an’ny mpiasam-panjakana ary koa ho an’ireo efa misotro ronono. Tsy nahavita nijery ny mety ho fiantraikan’ny tsy fandraisana mpiasam-panjakana intsony ny fanjakana ankehitriny ka tsy nahita vahaolana raha tsy ny fanekena ny baikon’ny FMI hanemotra ny fe-potoana ahafahana mandeha misotro ronono eo amin’ny faha-65 taona ho an’ny mpiasam-panjakana.

Lozabe ho an’ny fahasalaman’ny mpiasam-panjakana ny fiasana mihoatra ny 60 taona. Tsy afaka mamokatra araka ny tokony ho izy intsony ny olona iray amin’ny ankapobeny rehefa tonga 60 taona. Ny fahasalamana dia manomboka miova ary tsy azo ampiasana mafy intsony. Noho izany dia tsy maintsy mbola hiharatsy ny vokatra ao amin’ny mpiasam-panjakana izay efa ratsy amin’izao fotoana izao. Manomboka ny 60 taona dia miova avokoa ny toe-batana, ny toe-tsaina ary ny fahasalamana ka mila fitandremana mafy. Hatramin’ny fotoana atorian’ny olona iray dia miova rehefa feno 60 taona eo. Midika ho famonoana olona mialohan’ny fotoana tanteraka izao ataon’ny fanjakana izao ho an’ny mpandinika ny vatan’ny olombelona. Manana ny antsoina hoe “esperance de vie” manokana ny Malagasy ka tokony hifanahatsahana amin’izany koa ny fotoana ahazoany miasa mafy. Omanina ny fahanterana ary ilaina fitandremana manokana izany satria fiainana vaovao indray no tsy maintsy diavin’ny olona iray manomboka eo. Tsy misy iraharahan’ny fanjakana izany fa dia ny baiko avy any ivelany hatrany no tanterahana eto Madagasikara na dia hita aza fa mahafaty. Izay mihevitra fa mbola matanjaka no tokony hampiasana aorian’ny 60 taona io fa tsy ny olon-drehetra.

Eo amin’ny lafiny arak’asa indray dia misakana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatra ny asa izao fanemorana ny fotoana handehanana hisotro ronono izao ho 65 taona.

Raha ny loharanom-baovao mahakasika ity raharaha ity dia ho foanana ihany koa ny antsoina hoe “ indemnité d’installation” na ny tambin-karama hanomanana ny fandehanana misotro ronono, izay karama 12 volana raisin’ny mpiasam-panjakana nahatratra 60 taona.

Mazava ihany fa holanian’ny solombavambahoaka sy ny senatera tsy misy fepetra ity raharaha ity satria tsy mahakasika azy ireo ary tsy misy tombotsoany.

Nangonin’i

Jesy Rabelaolao

Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana: Nisy nitory ny orin’asa akaiky ny filohampirenena

Gazety mpiseho isanandro iray sy vondrom-pitaterana an’habakabaka tsy miankina eto an-toerana, izay iray ihany ny tompon’izy ireo no nanao fanentanana ny mpamaky an’io gazety io, sy ho an’izay te hisidina amin’ny fiaramanidina. Ny loka nampanantenaina dia hoe « izay tsara vintana ka voasarika ny momba azy dia mandeha amin’ilay sidina (baptême de l’air) amin’io fiaramanidina io miazo ny nosy Boraha (Sainte Marie)”.

Ratovonjanahary no voasarika tamin’io. Izy rahateo nilaza fa niezaka nandray anjara saika isanandro tamin’ny fandefasana tapakila izay nalaina tamin’ilay gazety mpiseho isanandro. Sady fanentanana ny olona hividy an’ilay gazety koa aloha izany e !

Rehefa voasarika anefa izy dia tsy hita voaka ny fanatanterahana ilay fampanantenana hatramin’izao ka nitory an’io gazety io sy ilay vondrom-pitaterana an’habakabaka eny amin’ny fitsarana Ratovonjanahary.

Manantena ny fahendren’ny fitsarana, noho izany, Ratovonjanahary, sady nanamarika fa « na fantatra aza fa akaiky ny filohampirenena Rajaonarimampianina ireo orin’asa fanaovan-gazety sy io vondrom-pitaterana an’habakabaka tsy miankina io dia  tokony ho porofo iray ity raharaha ity fa malaheo tena ny fitsarana ka tsy ho voatsindritsindrin’ny manam-pahefana ara-panjakana na ny akaiky azy”.

Ilay gazety moa dia ny « La Depeche » ary ilay vondrom-pitaterana an’habakabaka dia ny « Airways Madagascar ».

Ho an-dRatovonjanahary dia « sady fisolokiana no fivadiham-pitokisana izao raharaha izao ». Izany hoe  tsy ho vitan’ny fifanolanan’olona tsotra (affaire civile) fa tena heloka voararan’ny fehezan-dalàna famaizana.

Etsy ankilany, ho an’ny mpandinika maro dia manaratsy endrika an’ireo orin’asa roa ireo (gazety sy fitaterana an’habakabaka) eo imason’ny mpanjifa izao tranga izao ka ho mafy lavitra noho ny fahavoazana ara-pitsarana izay mety na tsy mety hitranga no hihatra amin’izy ireo rehefa tsy itokisan’ny mpanjifa.

Tsy tokony hadinoina fa raharaham-barotra no ataon’izy ireo ka tokony niezaka nikajy ny tombontsoan’ny mpanjifa azy ry zareo fa ny fivadiham-pitokisana toa izao izay miharo asa fisolokiana dia fahadisoana bevava eo anoloan’ny fandraharahana ara-barotra iray.

Port Bergé: Tezitra amin’ny fanjakana ny Mompera Lemainty Sylvain François

Mihatra any Port Bergé ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina eny an-dalambe na « couvre feu » amin’izao fotoana. Fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra ara-panjakana any an-toerana io.

Fa inona angaha, hoy ianao no nitranga ?

Tao amin’ny fokontanin’Ankazomaina ao amin’ny kaominin’Ambodisakoany any amin’ny distrikan’i Port Bergé no nisehoan’ny raharaha.

Tamin’ny fotoana nitondran-dRavalomanana dia nomena alalana hitoetra ka hamboly lojy any ny teratany vahiny. Amin’izao fotoana itondran’ny Hvm izao dia vao mainka nahazo vahana izy ireo.

Ny tanim-boly novolen’ny mponina lojy dia lasan’ireo vahiny ireo ary novoleny landihazo. Ankeriny no nanaovan’ireo vahiny an’izany ary niteraka fahavoazana tamin’ireo mponina izany.

Ny tompon’andraiki-panjakana moa no manome alalana azy ireo ka tsy nanana ahiahy na tahotra mihitsy izy ireo.

Rehefa nahita ny hetsiky ny vahoakan’i Soamahamanina ny tany Port Bergé dia nihetsika koa, ka notorian’ny tompon’andraikitra avy hatrany ny mponina ho nanimba ny voly hasin’ireo vahiny. Dia nosaziana, sazy heloka, ny dimy tamin’ireo mponina.

Niteraka hatezerana tamin’ny raiamandreny ara-panahy tao an-toerana, dia ny Mompera Lemainty Sylvain François izany satria hoe « nahoana no misy fitanilana ny fitantanana ny raharaham-bahoaka ? » Ireo vahiny izay nanimba ny voly lojin’ny mponina, tsy voa kitikitika amin’ny raharaham-pitsarana fa ireo vahoaka niaro ny zony ka nahatohina ny voly hasin’ireo vahiny kosa dia izao voasazy izao.

Tranga maro no isehoan’ny fiarovan’ny tompon’andraikitra ara-panjakana na ara-pitsarana ny vahiny toa izao ka vao mainka mampihempo ny hatezeram-bahoaka.

Izahay aloha dia mbola manamafy hatrany fa tompon’andraikitra amin’ny fikorontanan’ny tontolom-piaraha-monina eto Madagasikara ny manam-pahefana ara-panjakana eto, indrindra fa misy resaka vahiny avy any ivelany. Mbola tsindrianay hatrany mantsy fa tsy misy vahiny iray hanana fahasahiana avy hatrany dia hitoetra amin’ny toerana iray ka hamboly ny tany efa misy mpiasa na hitrandraka harena eo raha tsy nomen’ny tompon’andraikitra ara-panjakana alalana ho amin’izany izy. Na samy malagasy aza ka hoe mpiavy avy amin’ny faritra iray no tonga amin’ny faritra iray dia tsy hanana fahasahiana hanao asa fihariana eo raha tsy vita araka ny fepetra takian’ny fitantanan-draharaham-panjakana (administratif) ny raharaha rehetra. Noho izany, anjaran’ny manam-pahefana ara-panjakana ny miezaka manazava ny sain’ny mponina amin’ny fiavian’ny vahiny iray na vondrom-barotra vahiny hitoetra eo fa tsy faharatsiam-panahin’ilay vahiny fotsiny ny tranga eo.

Ajouter un Commentaire