Raharaha Frankofonia: Fa iza no tena tompon’andraikitra e ?
Fihetsiketsehana tsy misy toa izany amin’izao fotoana handraisana ny fivorian’ny tany mampiasa ny teny frantsay izao. Manararaotra avokoa ary samy te hiseho hoe « iny aho fa mbola eo ary manao zavatra ». Hatramin’ny dapam-pako any anivon’ny fokontany any tokoa, ireo tapaka bariaka famenoana fako an’ny « Rf2 » no petahina taratasy tsy lena ny fanentanan’ny Frankofonia. Mahavariana sy mahagaga nefa maharikoriko koa.
Ny zavatra rehetra ataon’ny fitondram-panjakana sy ny mpanohana an-jambany azy dia mifantoka amin’io fivorian’ny frankofonia io avokoa. Sanatriavina, na hitokana lava-piringy aza dia «atao amin’ny anaran’ny « frankofonia » ary tsy maintsy ampidirana an’io resaka io ».
Fa etsy ankilan’izany koa dia samy mamoaka fepetra araka ny mahafinaritra azy ny isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Toa tsy ahitana taratra ny fandrindran-draharaha.
Maro rahateo ny feo mandeha, nefa tsy misy tompon’andraikitra mitondra fanazavana sy manamafy na mitsipaka azy ireny hatramin’izao.
Marina ve fa tena tsy afaka mifamoivoy ny fiara fitateram-bahoaka (minibus/ taxibe) ? Marina ve fa rarana ny fifamoivoizan’ny sarety sy ny posiposy ary ny môtô ? Ary ahoana izany tsy fahafahan’ny mponina manamorona ny arabe manahy lamba izany ? Sy ny maro hafa.
Tsy misy tompon’andraikitra tokana mba mamoaka fanambarana tokana iombonan’ny rehetra. Endrika isehoan’ny tsy fisian’ny fahamatorana sy fahazaran-draharaha mbamin’ny traikefa izao tranga izao.
Ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izao no hany mba nilaza mivantana fa ny « mpianatra amin’ny sekolim-panjakana dia tsy mianatra mandritra io herinandron’ny frankofonia io ». Ny any amin’ny sekoly tsy miankina dia samy manana ny fandaminany, hoy ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Etsy ankilany, mampihomehy koa ny filazan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena hoe « ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana ihany no tsy mankany an-tsekoly fa ny mpampianatra sy ny mpandraharaha dia toy ny andavanandro fiasana ihany ka tsy maintsy manatona ny toeram-piasany isanandro ihany ».
Etsy ankilany, nahoana raha asiana tompon’andraikitra iray mandrindra ny fepetra rehetra, na eo anivon’ny fitantanana foibe na any amin’ny rafitra isan’ambaratonga any fa mampisavoritaka ny fiaraha-monina e !
Na ny fikarakaran-javatra aza dia samy mandrirotra ny lamba ho any aminy. Ny fiadidiana ny faritr’Analamanga izao omaly dia nahavatra nikarakara hetsika ho amin’ny « andron’ny mpianatra frankofona », hono. Dia nanasa ny ati-dohan’ny tanora mpianatra tao ny hoe «misy tombontsoantsika io fivoriana io».
Izany dia tena mamato-tena mihitsy. Manahy izahay fa aorian’io fivoriana io dia hiteraka olana indray eto satria maro ny olona no manantena tombontsoa mivantana avy amin’io fivoriana io nefa poaka aty ny fanantenany avy eo. Ho sahirana ny mpitondra fanjakana amin’izay satria mitombo an-dalana hatrany ny fampanantenany ny vahoaka.
Ny hita aloha dia maro amin’ny olom-pirenena no tsy rototra amin’izy io. Eny, na ny finiavan’ny olona hijery ka mba hahita maso an’ireo filohampanjakana avy any ivelany aza dia tsy mahataitra ny betsaka. Tsy mba toy ny tamin’ny fotoana sasany hoe nandalo teto izany «Yasser Arafat » mpitari-tolon’ny vahoaka palestiniana izany na ny filoha Algerianina…
Ny marina dia tsy ao am-pon’ny maro ny fitondrana Rajaonarimampianina, manomboka aminy izay filoha farantampony, ka izay rehetra ataon’izany fitondrana izany dia tsy misy mahazo na tafiditra am-pon’ny Malagasy maro koa. Indrindra moa fa itony resaka Frankofonia itony. Mihevitra angaha ny fitondrana Rajaonarimampianina fa voafafa sahady ao anatin’ny rafi-pisainan’ny Malagasy ny nataon’ny Frantsay teto nandritra ny 120 taona izao ?
Ankatoky ny Frankôfônia: Misamboaravoara ny sain’ny Malagasy
Lasa miteraka resabe eo anivon’ny fiaraha-monina eto Andrenivohitra ankehitriny ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia, izay ho tanterahina eto amitsika manomboka ny alatsinainy ho avy izao. Misamboaravoara tanteraka ny sain’ny mponina ankehitriny noho ireo teboka maro tsy mazava mikasika ity fivoriana iraisam-pirenena lehibe ity. Ankoatra ny teti-bola lanian’ny fanjakana Malagasy amin’ny fikarakarana azy, izay tsy misy mangarahara na eo amin’ny vola lany, na eo amin’ny vola mety hiditra, dia toe-javatra maro hafa ihany koa no mbola manjavozavo tanteraka ho an’ny mponina eto Antananarivo. Hatramin’ity androany ity dia mbola tsy fantatry ny ankamaroan’ireo mpiasa, na ireo mpiasam-panjakana, na ireo mpiasa avy amin’ny tsy miankina ny hoe: andro fiasàna sa tsia ny herinandro hanatanterahana io fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia io ? Ny fampianarana eny amin’ireo sekolim-panjakana ihany aloha hatreto no azo antoka fa hiato amin’io fotoana io, mbola tsy nisy kosa ny didy ofisialy navoakan’ny fitondram-panjakana mahakasika ireo mpiasa. Samy mifampanontany ny olom-pirenena any anaty toeram-piasana sy eny anivon’ny fokontany eny kanefa dia eritreritra no betsaka fa tsy misy ireo tena mahalala ny marina. Anisan’ny mampisavoritaka ny sain’ny mponina koa amin’izao fotoana ny resaka fifamoivoizana, ahoana ny momba ireo môtô, ny sarety, ary ny posy ? Tsy mazava ny didy navoakan’ny prefektioran’ny pôlisy eto Antananarivo Renivohitra, misy ve ny ora voatokana ahafahan’izy ireo mivezivezy, ary amin’ny firy ka hatramin’ny firy ? Na ny momba ireo môtô raràna tsy hivezivezy ary dia tsy mazava hoe karazana môtô tahaka ny ahoana no voakasika izany fepetra noraisin’ny fanjakana izany ? Tato anatin’ny andro vitsy izay dia mandeha ihany koa ny resaka fa misy amin’ireo karazana fivarotana madinika no raràna tsy mahazo mivarotra amin’io herinandron’ny Frankôfônia io, anisan’izany ohatra ny mpivarotra lasopy amin’ny vilany mandehandeha. Ny feo nanomboka nivoaka omaly kosa no tena nahasorena ny olom-pirenena, izay mbola tsy fantatra aloha hatreto ny fahamarinany, dia ny fandraràna ny olona tsy hanao kapa amin’iny faritra Ivato, Talatamaty sy Ambohibao iny. Mbola mandeha ihany koa aza ny resaka fa ho hahena ny isan’ireo taxibe mampitohy an’Ivato sy ny Renivohitra mandritra ny fivoriana mba tsy hitondra fanelingelenana ireo vahiny mpizaika.
Izany rehetra izany no mampisaritaka ny mponina eto Andrenivohitra sy ny manodidina amin’izao ankatoky ny fivoriana izao. Raha ny fahitan’ireo mpanara-baovao azy dia fanitsakitsahana tanteraka ny zo sy ny fahalalahan’ny olom-pirenena Malagasy ity fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ity kanefa tsy hitondra na inona na inona ho an’ny vahoaka. Mazava ho azy, ary efa mibaribary tsy takona afenina intsony ankehitriny fa ezahan’ny mpitondra mafy mihitsy ny hanafina ny fahantrana misy eto Madagasikara, ka tadiavina izay fomba rehetra ahatongavana amin’izany na dia mahatezitra ny vahoaka aza.