Inty sy Nday: Mpitondra fanjakana mbola matahotra vahiny
Mbola ny resaka Frankofonia hatrany aloha izao no malaza na inian’ny fitondram-panjakana ankalazaina, dia anampempoany ny sain’ny maro. Tsy maninona fa any aminy ny fahefam-panjakana izao ka azony lalaovina araka izay ahitany tombontsoa. Isika olom-pirenena tsotra kosa anefa dia manara-maso hatrany, ary mandray an-tsoratra sy mitahiry koa ny tranga rehetra mba hifampitsarana sy hifampifehezana rahampitso, rahafakampitso.
Nanambara indray izao ny fitondram-panjakana fa « hatevenina sy hamafisina ny fitandroana ny filaminana amin’izao fandraisana ny fivorian’ny frankofonia izao ary hamaroana noho ny fepetra noraisina tamin’ny fandraisana ny fivorian’ny Comesa ny didy amam-pitsipika hampiharina izao. »
Isan’izany ny hoe « mpitandro ny filaminana 7.000 no hahetsika mandritra io herinandro ho avy io ».
Eny tompoko. Zava-dehibe tokoa ny fiarovana ain’ireo vahiny ireo ka rariny sy hitsiny raha andraisana fepetra manokana, ary adidin’ny fitondram-panjakana mampiantrano no miantoka izany, na misy aza ny fifanomezan-tanana avy amin’ny mpiara-miombona antoka amin’io fivoriana io.
Fa ny tsy zakan’ny saina kosa aloha, na ahoana na ahoana, dia ny fahatsapana ny toe-tsain’ny mpitondra fanjakana malagasy e ! Tena mbola mibaribary fa matahotra vahiny.
Izahay aloha tsy te hiteny hoe « fa misy inona ahian’ny mpitondra no mirotsaka mandray fepetra goavana toa izany ? » Izahay koa anefa dia milaza amim-pahasahiana fa tranga te hanehoan’ny mpitondra fanjakana indray izao fa « azy ny fahefana ka tsy misy afaka hanao rainazy eto ». Raha tsorina dia fampihorohoroana farantampony no ataon’ny mpitondra Rajaonarimampianina amin’izany fa tsy resaka fifanentanana amin’ny vahoaka mba hiara-mitempo sy misaina an’io raharaha iray io. Inona amin’ny endrika isehoan’ny tsy fandriam-pahalemana moa no tsy miseho eto amintsika tato anatin’ny vanim-potoana faramparany izao ? Fanafihana mitam-piadiana, dahalo an-jatony miara-manafika tanàna handrobana ny ombin’ny vahoaka, fandrobana tranon’olona, sinto-mahery eny an-dalambe, vaky fasana, fanondrana na harem-pirenena… tsy hita hotanisaina intsony fa ianao mpamaky afaka manohy ny tranga e !
Oviana ny fitondram-panjakana no mba nandray fanapahan-kevitra fa hatao mandavan-taona ny hetsika hiantohana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana manerana ny Nosy, ka hofongorina avokoa ireo tranga mampitondra faisana ny ambanilanitra amin’io tsy fandriam-pahalemana io ?
Toa seho ivelany ihany no hain’ny mpitondra fanjakana ka rehefa fotoana iravoravoan’ny ambanilanitra toy ny amin’ny fetin’ny paska na Krismasy, ohatra, dia manetsika mpitandro filaminana ny eto andrenivohitra sy ny manodidina.
Io resaka fitandroana ny fandriam-pahalemana io no asan’ny mpitondra fanjakana voalohany, na aiza na aiza, na oviana na oviana, ka raha io no tsy voafehiny, dia tsy misy maha-mpitondra fanjakana an’ilay mitana ny fahefam-panjakana izany. Ny vahoaka no aoka hilaza ny zava-misy na mendrika hambara ho mpitondra ny ankehitriny na tsia.
Na izany na tsy izany, hita taratra sy voaporofo amin’izao fotoana koa fa tsy laharam-pahamehan’ny mpitondra ny fiahiana ny filaminam-bahoaka sy ny fitonian-tsain’ny ambanilanitra fa ny dera sy laza mbamin’ny voninahitra eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no zava-dehibe ho azy. Dia atao avokoa izao fepetra rehetra ahafahana mampiaiky ny vahiny fa « mahay mitondra ary mahazaka fivoriana goavana ( ???) iraisam-pirenena ny any Madagasikara ».
Ralay