Antananarivo Renivohitra: Vita hatreo ny fampiasàna posy sy sarety
Manoloana ny resabe nandeha tato anatin’ny andron’ny vitsy izay, mahakasika indrindra ireo fepetra raisina mandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia, dia nampiantso mpanao gazety ary nitondra fanazavana ho an’ny vahoaka ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny prefektioran’ny pôlisy, omaly. “Betsaka ny resaka mifamahofaho nanomboka ny herinandro lasa teo ka ilaina ny hitondràna fanazavana mba tsy ny tsaho no hanjaka”, hoy ny préfet de police eto Antananarivo, ny kolonely Robert Randriamanjarisoa. Tapitra hatreo ny fahafahan’ireo posy sy sarety mampiasa ny fifamoivoizana manomboka amin’ iny herinandro ambony iny, tsy hoe mandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ihany fa na aorian’ny fivoriana aza, raha ny nambaran’ireto manam-pahefana nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireto. Ireto farany izay nandà ny filazana sy ny resaka mandeha fa noho ny Frankôfônia no antony nandraisana izany fepetra izany. “Lalàna efa nisy teto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra hatry ny ela ny tsy fahafahan’ny sarety sy ny posy mandeha eny amin’ny arabe ka izao vao tena ho hampiharina ny lalàna”, hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna voalohany, Gabriel Harison. Mazava ho azy fa fandrebirebena ny saim-bahoaka fotsiny ny fanazavana nentin’ny lefitry ny ben’ny tanàna sy ny préfet de police satria ny rehetra dia mahalala tsara fa noho ny fisian’ity fivorian’ny Frankôfônia ity no antony nandraisana izay fanapahan-kevitra izay. Ho mafy moa ny sazy miandry ho an’ireo mpitarika posy na sarety izay minia tsy manaja ny lalàna. Eo ny fandoavana lamandy, fa eo ihany koa ny mety ho fanagiazana ilay sarety na ilay posy, ary ny fanasaziana ny tompon’ny entana taterina. Manomboka amin’iny herinandro ambony iny dia tsy hanana fidiram-bola intsony ireto mpitarika posy sy sarety ireto ka tsy fantatra izay ho tohin’ny tantara satria mety tsy hanaiky mora izany izy ireo. Raha ny mikasika ny fahafahan’ireo môtô mivezivezy mandritra ny herinandro hanantanterahana ny fivorian’ny Frankôfônia eny Ivato, dia nilaza ny avy eo anivon’ny kaominina sy ny prefektiora fa tsy marina ny filazana fa tsy mahazo mampiasa ny fifamoivoizana ireo môtô amin’io fotoana io. Ireo karazana fiara izay manana motera latsaka ny 50 Cm3, izany hoe ireo tsy mahazo ny “immatriculation” avy amin’ny CIM (Centre d’Immatriculation de Madagascar) no voaràra tsy mahazo mampiasa ny fifamoivoizana mandritra ny Frankôfônia. Nambaran’ireo manam-pahefana fa mila zavatra manara-penitra ny vahiny rehefa tonga eto amitsika ka tsy azo ekena mihitsy ireo karazana fiara tsy manaraka ny fenitra ahafahana mivezivezy eny amin’ny arabe. Tsy marina ihany koa ny filazana fa voaràra ny fanaovana kapa, na akanjo malotoloto mandritra ny fivoriana eny Ivato.
F.Tsihiavonana