Inty sy Nday: Kabary ambony vavahady !
Iray volana lasa teo izay dia tsy mba re teto mihitsy ny ho fandraisana anjaran’i Madagasikara, indrindra fa ny fitondram-panjakana malagasy, amin’ilay fivoriana maneran-tany faha-22 momba ny Fiovaovan’ny toetrandro (Cop 22) izay tontosaina any Marrakech any Maraoka. Ny mpanara-maso dia nanao fanamarihana hoe « tsy mba toa ilay firodorodoan’ny Malagasy nandray anjara tamin’ilay fivoriana faha-21 tany Parisy Frantsa tamin’ny taon-dasa”.
Nisy ny nanamarika fa « toa tsy te handray anjara amin’io any Maraoka io ny fitondram-panjakana Rajaonarimampianina satria maroloha ireo fanekena (engagement) nataony sonia tamin’ny taon-dasa, nefa dia tsy nisy nataony teto izany na kely aza, ka menatra izy ny hiresaka ny tohin’izay natao sonia tany Parisy tamin’ny taon-dasa. »
Asa na vokatr’izay fanamarihana somary nahazo vahana izay fa nitsaitsaika tsy re feo ny filohampirenena nanainga teto an-tanindrazana. Efa any any ampitan’ny ranomasina izy vao re hoe « tsy eto an-tanindrazana ». Tamin’ny talata izy vao re koa fa « lasa nandray anjara amin’ilay fivorian’ny « Cop 22 ».
Dia ny harivan’ny talata izy no nandray fitenenana teo anoloan’ny mpivory ka dia ara-bakiteny ny hoe « kabary tsy valiana e ! »
Nanao laha-pahatra ny filoha malagasy momba ny hoe « ezaka ataon’ny Malagasy (fitondrana tarihiny, hono io) mba hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ».
Taiza sy oviana teto, raha ny tato anatin’ny herin-taona, tompoko, no nisy asa nataon’ny fitondram-panjakana ho amin’izany hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro izany ?
Vao omaly alarobia mantsy, ohatra, dia nirara-pompana ny havandra tao Antsirabe. Nandrakotra ny tanàna mihitsy ary efa ho 20 santimetatra ny haavony. Moa fa tsy ranomandry any amin’ny tendron’ny bolan-tany avaratra na atsimo. Loza.
Oviana teto na tany Antsirabe no nisy toa izany. Efa nisy fotoana koa, herinandro vitsy lasa izay, nitrangan’avandra nirara-kompana toa izany tamin’iny tampon’Ihorombe izay ngazana iny.
Tsy noho ny inona no nahatonga izany fa io fiovaovan’ny toetrandro io. Ny fotoanan’ny lohataona sy fahavaratra toa izao dia tafakatra ambony be (mihoatra ny 3°C raha mitaha amin’ny tany aloha) ny hafanana, ary na somary vitsy aza ny rotsak’orana dia mivatravatra mahery fiavy koa. Rehefa maintany, ririnina koa dia mangatsiaka be, manoatra ny any amin’ny firenena eraopeanina.
Vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro avokoa izany.
Dia mba inona, hono, ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana momba izany ? Mba nisy fanentanana faobe ho amin’ny fambolen-kazo ve ? Mba nisy fanentanana faobe hisorohana ny doro tanety ve ? Ireo ihany dia efa vahaolana goavana raha nanana pôlitikam-pirenena matotra momba ireo ny fitondrana. Tsy misy hita anefa izany fa ny fampirisihan-dry zareo ny fikapana hazo aza mba itsikombakombana amin’ny vahiny haondrana mankany ampita no mitranga. Ny ady amin’ny doro tanety dia tsy nofaritan’ny fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana satria tato anatin’ny 10 volana farany, angamba ry zareo izao, dia nanompana ny heriny rehetra any amin’ilay fivoriana an-tampon’ny tany mampiasa ny teny frantsay na « Frankôfônia ». Kabary poaka aty satria kabary ambony vavahady, kabary tsy valiana, no nataon’ny filoha malagasy tany Maraoka tamin’ny talata teo e !
Ny tanjon-dry zareo dia ny hahazo fanampiana ara-bola hamatorana hatrany ny vahoaka malagasy sy anomezana alalana ny vahiny handroba harena eto.
Faralahy