Ravalomanana mivady: Mitohy ny fanampempoana ny Malagasy

Tena mibaribary mihitsy fa olona tsy nahita fianarana lavitra loatra Ingahy Ravalomanana mivady, ka raha mba nahazo fahefam-panjakana kely dia nihazakazaka niantso na nanafatra manam-pahaizana avy any ampita hanampy azy. Hatramin’ny fotoana naha-ben’ny tanàna an-dRavalomanana Marc tamin’ny 2000-2001 no nanao izany izy, ary nitohy sy niroborobo izany fony izy filohampirenena. Amin’izao fotoana maha-ben’ny tanàna an-drtoa vadiny izao dia efa in-telo sahady izy mivady no nanafatra vahiny ka ny vao tonga omaly dia teratany amerikanina ambara ho mpahay lalàna. Fiheverana ny Malagasy ho vongan-javatra fotsiny hatrany koa anefa izany rehetra izany. Tsy mba manana hambom-po ve isika amin’izany ?

Boribepoaka Tsiroanomandidy: Ripaka ny omby noho ny asan-dahalo

Mikorontana tanteraka ny faritr’i Bongolava amin’izao fotoana izao noho ny asan-dahalo. Anisan’ny kaominina be omby indrindra ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ny kaominin’i Boribepoaka, izay efa manakaiky ny faritr’i Melaky. Taona vitsy lasa izay dia mbola maherin’ny arivo ny isan’ireo omby tao amin’ity kaominina ity raha ny antontan’isa teo ampelatanan’ireo sampam-draharaham-panjakana any an-toerana.

Ankehitriny anefa dia manodidina ny 100 eo sisa ny omby ao amin’izany kaominina izany raha ny fanisàna natao farany. Ripaka ny omby satria manjaka ny halatr’omby, ary ny tena olana lehibe dia miray tsikombakomba amin’ireo dahalo ny manam-pahefana ao an-toerana. Raha ny fantatra, araka ny fanadiadiana natao, dia mora amin’ireo mpangalatra omby ny manadio ireo omby halatra satria manomboka eo amin’ny 125.000 Ariary hatramin’ny 48.000 Ariary ny hivarotan’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ny taratasin’omby na ny FIB (Fiche Individuelle de Bovidés). Marihana fa tsy mahara-maso ireo mpiasam-panjakana miray tsikombakomba amin’ny dahalo ny lehiben’ny distrikan’i Tsiroanomandidy sy ny lehiben’ny faritr’i Bongolava. Ny fahamoran’ny fanadiovana ireo omby halatra anefa dia vao mainka mampirongatra ny halatr’omby. Etsy ankilan’izay, betsaka ihany koa ny lesoka sy ny fitavozavozana eo amin’ny zandary any an-toerana izay manome vahana asan-dahalo. Araka ny fanadihadiana natao ihany dia fantatra fa ao anatin’izany atao hoe Vohitra Zozonomby ny toby hitazonana ireo omby halatra, ary ao amin’ny tanàna antsoina hoe Andrafiabe, Mangabe, ary Ambadivato no fitobian’ireo dahalo.

Ireto tanàna ireto izay tsy misy sahy miditra noho ny fahatahorana ireo malaso. Manoloana izany tsy fandriam-pahalemana izany dia miezaka mandray andraikitra ny solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy, Raholijaona Harison, miady amin’ity asan-dahalo ity. Tapa-bolana lasa izay dia omby an-jatony no very tao Boribepoaka ka 80 tamin’ireo omby ireo no tafaverina noho ny fandraisana andraikitra teo amin’ny fokonolona, ny zandary, ary ny solombavambahoaka Raholijaona Harison.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire