Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra: Laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalana

Manana iray volana ny isaka ny Distrika ato anatin’ny Faritra Vakinankaratra amin’ny fampiasana ireo fitaovana ho fanamboaran-dalana.Ny Faritra no hanome ny fitaovana ny kaominina kosa no miantsoroka ny solika sy ny tambin-karama ho an’ny mpamily…

Ny Distrikan'i Mandoto no nisantaran'ny lehiben'ny Faritra Général Rakotonarivo Wiliam ny fitsidihany taorian'ny nandraisany ny fitantanana ny Faritra Vakinankaratra. Tamin'izao fitsidihana izao dia nisy ny fitokanana ny zava-bita toy ny fanavaozana ny biraom-pokontany izay miteti-bidy 4 tapitrisa Ar, nisy ihany koa ny fankasitrahana ireo mpianatra mendrika tamin'ny taom-pianarana 2015-2016 ary nisy ny fihaonana nivantana tamin'ny vahoakan'i Mandoto. Ny fanamboaran-dalana any amin'ny kaominina no maika amin'izao fiantombohan'ny fotoam-piasany izao. Miditra amin’ny fandaminana izany ny lehiben’ny Faritra ankehitriny ka alefa mipetraka iray volana any amin’ny Distrika ireo fitaovana lehibe ka ireo kaominina any an-toerana no mifandamina amin’ny fampiasana azy ireny. Ny Faritra no manome ny fitaovana sy ny teknisianina, ireo kaominina mandray ny fitaovana kosa no miantoka ny solika ny latsak’emboka omena ny mpamily araka ny nambaran’ny lehiben’ny Faritra ny jeneraly Rakotonarivo William.

Tsy misy ny andraso andraso fa ny dinika amin'ireo tompon'andraikitra eny ifotony izay antoky ny fampandrosoana rehetra no maika ary izao atombony izao. Teto ary dia nihaona tamin’ireo lehiben’ny fokontany sy ireo ben’ny tanàna ary ireo CTD teto anivon'ny Distrika ny tenany ka nantitranteriny fa ny fambolena sy ny fiompiana no singa iray tena mampandroso ny mponina ety amin’ny tontolo ambanivohitra ary vaindohan-draharaha amin'izany ny fandriam-pahalemana. Nanome toky ity farany fa manana traikefa amin’ny fandriam-pahalemana ny tenany ary vonona hifanampy amin'ny eo anivon'ny prefektiora amin'ny fametrahana izany aty amin'ny faritra mena tahaka an'i Mandoto. Maro ny asa miandry mahakasika ny fampandrosoana ny Faritra ary efa misy ny efa natomboka. Tompo-marika tamin'izao hetsika teto Mandoto izao ny ben'ny tanàna sy ny solombavambahoaka Andriamboavonjy Nantenaina any Mandoto. Tafiditra amin’izany ny fanomezana valisoa ho an’ireo mpianatra 3 voalohany avy any amin’ny toeram-pianarana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana rehetra ato amin’ny distrikan’i Mandoto, narahan’ny fitokanana ny biraom-pokontany nohavaozina. Fitaovana sy kojakoja ao amin'ny birao toy ny “étagère”, “armoire”, latabatra, seza kosa no nomen’ny avy ao amin’ny kaominina Mandoto ho fampitaovana izao biraom-pokontani’i Mandoto nasiam-panavaozana izao. Manga arak’izany ny fiaraha-miasan’ireo manam-pahefana aty amin’ny distrikan’i Mandoto eo amin’ny sehatra ny fampandrosoana, taratra etoana ny firaisan-kina eo amin'ny rehetra.        

   Abel Ratsimbazafy

Ajouter un Commentaire