Raharaha Frankôfônia: Loza fa hatramin’ny aretina no nampiandrasina
Tena tampohan’ny mandray fivoriana iraisam-pirenena tokoa ve isika Malagasy sa ny tompon’andraiki-panjakana mpikarakara no te hoderaina e ? Raha tsy eto Madagasikara mantsy tsy misy an’izany hoe « handray fivoriana iray dia mitsahatra avokoa ny raharaha hafa rehetra ». Izany ange no nahatonga an’ilay resa-be mody nialan’ny tompon’andraikitra hoe « tsy misy fiara mpitatitra afaka miasa », « tsy misy môtô sy scooter afaka mikodia », sy ny maro hafa e !
Ny fifidianana ho fanavaozana ny ho tompon’andraikitra any anivon’ny federasiona sy ny rantsa-mangaikany any amin’ny taranjam-panatanjahan-tena isanisany any, izay tokony tanterahina amin’izao volana novambra izao dia hoe « natsahatra sy ahemotra avokoa noho ny fivorian’ny frankôfônia ». Inona no ifandraisan’izany fa tena fanina izahay ?
Angaha handray anjara amin’io fihaonana Frankôfônia io ny mpitantana klioba any amin’ny baolina lavalava na any amin’ny hai-ady karaté na basket, na ny hafa ?
Izao indray koa dia fantatra fa « miantona avokoa ny fanatanterahana ny fandidiana ireo marary izay voasokajy ho tsy maika ».
Ô re vahoaka ô ! Inona no ifandraisan’ny fivoriana eny Ivato sy ny fandraisam-bahiny hitoeran’ireo vahiny ireo mbamin’ny mety ho fizahan-tany hataon’ireo vahiny ireo eto amin’ny fandidiana marary any amin’ny hôpitaly ?
Sa hisy rotaka be ka tsy maintsy handriaka ny ra dia mba hitsenana ny momba izany dia atsahatra avy hatrany ny asa fandidiana ny marary eny amin’ny hôpitaly izay tsy voasokajy ho maika ?. Mety mbola hisy fanapahan-kevitra vaovao hivoaka koa amin’ity faran’ny herinandro ity na amin’ny alatsinainy an !
Aza hitako ka hamoaka didy ny fitondram-panjakana fa « raha misy fianakaviana namoy havana dia voarara aloha ny fahafahana mandevina raha tsy vita io fivorian’ny frankôfônia io ».
Lozaange izany fa vazivazy iray an-dalana e !
Fitokanana lalana tetsy Andohatapenaka: Novidian’ny fitondrana ny mpanao Rugby
Notokanan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly ny lalam-baovao, na ny “Rocade” etsy Andohatapenaka. Lalana izay namboarin’ny orinasa sinoa CRBC ary natao handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia izay hisokatra ny talata faha 22 novambra izao. Tahaka ny efa fanaon’ny filoham-pirenena tato anatin’ny volana maro izay rehefa mitokana fotodrafitrasa any amin’ny faritra, dia nisy endrika fampielezan-kevitra ihany koa ny lanonam-pitokanana natao tetsy Andohatapenaka omaly. Tazana teny an-toerana tamin’io fotoana io moa ny andiana tanora maromaro mpilalao ny taranja rugby. Ireto farany izay nilanja sorabaventy, milaza ho avy amin’ny fikambanan’ireo mpilalao rugby avy eny ambany tanàna, ary manohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia fantatra fa mpilalao baolina lavalava eny amin’iny faritra Andohatapenaka, Ankasina, Ankazomanga sy Antohomadinika iny ireto mpanao fanatajahan-tena ireto ary mazava ho azy fa nokaramaina vola mba hilanja sorabaventy manohana ny fitondrana ankehitriny. Fomba efa fiadin’ny mpanao pôlitika teto hatramin’izay moa ny fividianana ireo mpilalao rugby eny ambany tanàna, indrindra rehefa ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Fomba ratsy efa fanaon’ny teo aloha kanefa mbola tohizan’ny mpitondra ankehitriny. Tsara ny manamarika fa mbola tsy nisy teto amin’ity Antananarivo ity ny fikambanana iray izay ivondronan’ny mpilalao ny taranja baolina lavalava eny ambany tanàna eny. Ireto mpanao fanatajahan-tena ireto izay sarotra ihany ny manome tsiny aza izy ireo satria efa tafalatsaka lalina ao anaty fahantrana ny vahoaka ankehitriny ka zaran’izy ireo aza mba misy ny manakarama kely amin’ny vola dimy arivo, na iray alina ariary tahaka izao.
F.Tsihiavonana