Teti-bolam-panjakana 2017: Toa ho nofy atoandro ilay tanjona !
Namatrapatratra indray ny minisitry ny vola, Rakotoarimanan Gervais sy ny mpiara-miasa akaiky aminy tamin’ny alakamisy teo, raha niatrika an’ireo solombava teny Tsimbazaza, ka niresaka sy nanazava ary namaofivaofy ny tontolon’ilay tolo-dalàna mirakitra ny ho teti-bolam-panjakana amin’ny taona 2017.
Ny tahan’ny fitombon’ny harin-karem-pirenena faobe, hono, dia andrandraina ho 4, 5% raha 4, 1% tamin’ity taona 2016 ity. Ny tahan’ny fiakatry ny vidim-piainana, hono, dia hoferana 7, 1%, ary ny ho tahan’ny tsindrin-ketra dia hezahina ny hiakarany hatramin’ny 11%.
Tsy voalohany ny mpitondra fanjakana nifandimby teto no nanao tombana misavoan-danitra toa izany, ary efa nisy aza tamin’ny 2001 sy tamin’ny 2007 ny filazana fa efa tafakatra 8% ny tahan’ny fisondrotry ny harin-karena faobe. Ny nahavariana dia toa vao mainka nitotongana ny fari-piainam-bahoaka, ary ireo taona roa ireo indrindra no nahafeno ny kapoakan’ny malagasy ka nijoroany sy nidinany an-dalambe nitakiana fiovana.
Efa tany amin’ny taona 1998 tany no nahatsapa ny tompon’andraikitra maro fa « na nisy aza ny fiakatry ny harin-karem-pirenena faobe dia tratry ny ampihimamban’ny sokajin’olona vitsy izany fa tsy niantefa tany amin’ny sarambabem-bahoaka. » Izay no nahatonga ny politikam-pirenena teo amin’ny lafiny ara-toekarena ho nifototra tamin’ny hoe « fisondrotana sady mampihena ny fahantrana ». Io foto-kevitra io no narafitra hoe « antontan-taratasy mirakitra ny paikady ho fampihenana ny fahantrana » (document de stratégie pour la réduction de la pauvreté = Dsrp), saingy toa vao mainka nataon’olom-bitsy ampihimamba ny vokatra nateraky ny fihariana sy famokarana teto.
Ka amin’izao fotoana, toa mbola nofy ihany ny hahitan’ny vahoaka ny anjara-masoandrony amin’io teti-bolam-panjakana novolavolaina io.
Ny antony voalohany dia tsy nisy foto-kevitra vaovao niaingan’ny fanjakana fa ny toe-tsaina tato anatin’ny 35 taona farany ihany no nentina namolavola sy nandrafitra an’io teti-bola io. Ny dikan’izay dia tsy afaka niala tamin’ny fepetra nofaritan’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenen’i Bretton Woods.
Faharoa dia ny tarehi-marika ara-bola entina hanatrarana an’ireo vina ireo no manaporofo fa ho nofy izany.
Voalohany dia nezahin’ny fitondrana nampidanganina hatrany amin’ny 4.008 Miliara ariary ny hoe vola hiditra avy amin’ny hetra sy ny haban-tseranana ary 4.172 Miliara ariary ny vola miditra ankapobeny hafa (ressources internes disponible).
Momba ny hetra dia tsy azo hadinoina fa nofy koa izany hahavita mamory hetra amin’ny vahoaka mahantra izany. Io dia mbola ahitana taratra ny tsy fananan’ny fitondrana politikam-pirenena momba ny hetra. Toa ny efa mpandoa ihany mantsy no volosana, ary ny mpandoa ihany no asaina mizaka ny hetra vaovao foronina.
Dia tombano fa ny antsasany latsaka kely amin’ny vola mety ho tafiditra ao amin’ny kitapom-panjakana amin’io taona 2017 io dia ho lany amin’ny fandoavana ny karama fotsiny. Zara raha hisy 4% no hoenti-manana ny fotodrafitrasa. Izany fandaniana hiantohana ny ara-tsosialy izany moa dia bitika dia bitika. 4% hono. Ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izay fototry ny fanarenam-pirenena koa, dia tsy hanokanan’ny fitondram-panjakana vola afa-tsy 2%.
Nahoana no tsy hita soritra ao amin’ny vola tokony hiditra amin’ny fanjakana ny sandan’ireo harem-pirenena zavon-tany trandrahina sy aondrana avy eto ? Tsy manana tanjona hifehezana azy ireny tsy hivoaboaka tsy misy antony ve ny fanjakana ? Ny fitrandrahana ara-dalàna aza moa, varifitoventy no tafiditra ao amin’ny kitapom-panjakana, toy ny avy amin’i Qmm.
Ny dikan’izany rehetra izany, ampahany ihany amin’ny vina fa vola ho tafiditra ao amin’ny kitapom-panjakana araka ny voafaritra no ho tafiditra aloha. Efa hihena izany ny hahafahana miatrika ny raharaha isan-karazany, na ireo efa voatanisa ireo aza.
Tsy maintsy hihazakazaka hitady vola hozanahina avy amin’ireo mpampindram-bola mahazatra iraisampirenena izany. Ny ho vokany dia efa fantatra fa tsy ho amin’ny tombontsoam-bahoaka fa ho amin’ny fahafaham-pon’ny mpampindram-bola.
Ny sehatra iraisampirenena mahazatra koa anefa dia tsinjo fa somary tsy tena resy lahatra hamoaka ny vola hanampiana antsika , ankoatry ny vonjy aina ara-tsosialy, angamba, aloha.
Etsy ankilany, mbola hanohy ny fanamparam-pahefana efa nataony ny mpitondra, mbola tsy hampitsahatra ny kolikoly avo lentany, mbola hanamafy ny fanakendana ny fahalalahana maneho hevitra, mbola hampihatra henjana kokoa ny jadona, mbola hampihorohoro mafimafy kokoa…
Dia mbola hitohy koa ange izany ny tsy fandriampahalemana e ! Mbola hihamafy koa ny fahasahiranam-bahoaka. Sy ny maro tsy ho voatanisa e !