Antenimierampirenena : lasa mpanohitra ofisialy ny MMM
Roa taona sy tapany aty aorian’ny nitsangan’ny Antenimierampirenena vao misy antoko milaza amin’ny fomba ofisialy fa mpanohitra ny fitondrana mijoro ankehitriny, tsy izy izany fa ny antoko MMM (Malagasy Miara Miainga) sy ireo vondrona pôlitika miara-dia aminy. Omaly no nanolotra ireo antontan-taratasy rehetra milaza ny maha mpanohitra azy tao amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny mpitondra tenin’ny antoko MMM, ny maître Rija Rakotomalala, sy ny filohan’ny vondrona parlemantera Vpm/MMM, ny solombavambahoaka Solaimana Mahamodo. Tsiahivina fa nandritra ny kaongresy nasionaly nataon’ny antoko ny faran’ny volana oktobra lasa teo no efa nilaza ampahibemaso ny Malagasy Miara Miainga fa manohitra ny fitondrana tarihin’i Hery Rajaonarimampianina. Raha ny fanazavana nomen’i Rija Rakotomalala, mpitondra tenin’ny antoko, dia tsy voatantan’ny mpitondra araka ny tokony ho izy intsony ny firenena, hitsakitsahana ny demokrasia amin’ny alalan’ny fomba fanaovana pôlitika maloto, ary tsy misy mihitsy ny fitsinjovana ny tombotsoam-bahoaka. Manoloana izany rehetra izany, dia nisafidy ny haka ny toeran’ny filoha lefitra faha 7 eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, izay natokana ho an’ny fanoherana ny MMM. Tao anatin’izao fitondrana HVM izao dia efa nisy ny volavolan-dalàna vitsivitsy naroson’ny vondrona parlemantera MMM, anisan’izany ohatra ny volavolan-dalàna mikasika ny vondrona itsinjaram-pahefana, na ihany koa volavolan-dalàna ahafahana manatsara ny CENI, saingy tsy noraharahian’ny fitondrana mihitsy ireo volavolan-dalàna ireo. Marihana fa efa nanatitra ny antontan-taratasy teo anivon’ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny MMM mialohan’izao fanolorana ny antontan-taratasy tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena izao. Raha ny lalàna moa dia mbola handinika izay fangatahana izay ny ministeran’ny Atitany, raha toa ka mahafeno ny fepetra takiana ny antoko Malagasy Miara Miainga dia afaka mandray ny toeran’ny filoha lefitra faha 7 eny Tsimbazaza.
F.Tsihiavonana