INTY SY NDAY: Lainga marivo tototra …
Dia mihevitra ny vahoaka malagasy ho zaza bodo mora fahanana abobo ve ity fitondram-panjakana Rajaonarimampianina ity e ? Nahoana raha tsorina ny marina momba ny fikarakarana ny fandraisana ny fivorian’ireo filohampanjakana miteny frantsay na « frankôfôna » hoe « tsy tratra ny fifampiraharahana tamin’ireo trano fandraisam-bahiny sasany, na nanda tsy nety niara-niasa tamin’ny fanjakana malagasy ny trano fandraisam-bahiny sasany, ka voatery niantso ny olona manana trano azo hofaina mba hametrahana an’ireo vahiny izahay » ?
Ny gazety iray mpiseho isanandro omaly mantsy dia namaky mivantana fa niantso vonjy any amin’ireo olon-tsotra manana trano valo zoro (villa) azo hofaina mba hametrahana an’ireo vahiny ny fitondram-panjakana.
Ny mahavariana dia ny tompon’andraikitry ny fikarakarana ity fivoriana ity, ingahy Hugues Ratsiferana mihitsy no nanazava fa « hatramin’ireo trano fandraisam-bahiny tsy tena avo lenta (Ravinala) no efa nifampiraharahana satria misy amin’ireo vahiny no maniry mba hipetraka amin’ny karazan-trano tahaka ireny », ary nanamafy mihitsy ity tompon’andraikitra ity, efa ho efa-bolana lasa izay, fa « vonona avokoa ny momba izany ».
Dia mody nanodinkodina resaka indray ny governemanta tamin’ny alalan-dry Roland Ratsiraka, minisitry ny Fizahan-tany, ohatra, hoe « notombanana ho 3000 ny vahiny mpandray anjara ho avy saingy ankehitriny dia tafakatra 5000 izany ».
Dia iza no hino an’izany lainga be izany ? Tena varotra saka be loha izany e !
Nohamafisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny izany hoe « maro ireo mpandray anjara no tato afara vao tapa-kevitra ho avy ».
Ilay tarehi-marika nomen’i Roland Ratsiraka aloha dia tena
sarotra inoana e !
Fivoriana iraisam-pirenena voasokajy ho goavana ve sa bitika ity fihaonana an-tampon’ny frankôfônia ity e ? Efa herin-taona no fantatra fa i Madagasikara no hampiantrano azy amin’ity taona 2016 ity, ary ny fitondram-panjakana malagasy dia efa nanamarika fa « heverina ho tonga hanatrika an’io avokoa ny avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’io rafitra io ». Raha tsy diso ny fiheverana dia hoe « mananika ny 80 na mihoatra ny firenena mpikambana ao ». Izany hoe notombanana fa ny filohampirenena avy amin’ireo tany 80 ireo dia ho avy na handefa solontena ny sasany.
Tampoka teo anefa dia hoe « nihoatra 2.000 ny isan’ny efi-trano tsy maintsy hotadiavina ka izany no niantsoana ireo olon-tsotra manana trano azo itoerana ».
Tsy marina io tarehi-marika hoe mbola mitady 2000 io fa tafakatra 5000 ny vahiny. Raha mba 60 na 100 no vao karohina dia azo eritreretina, fa ny marina dia ilay 3000 mihitsy no tsy vonona dia miala olana sy miezaka mandrebireby sy mamahan-dalitra vahoaka ny governemanta Hvm.
Mba mpandeha manatrika fivoriana iraisam-pirenena ihany ny mpitondra fanjakana malagasy ary mba hita ihany ny tatitry ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta na ny an’ny filankevitry ny minisitra, izay matetika mitanisa ny fanasana any ampita ka hoe « handray anjara isika Malagasy ». Vao tonga ny fanasana dia efa naman’ny ho tonga ny nasaina fa ny antony mety tsy hahatongavany no tsy voafetra. Ka nahoana no hisy mpandray anjara 2000 tampoka milaza fa ho avy eto amin’izao frankôfônia izao ?
Etsy ankilany, aiza marina moa ireo fotodrafitrasa mijoalajoala nampanantenaina fa hatao no tsy hita ? Toa niniana tsy novitaina mba hanomezana tombontsoa manokana ny mpiray miombona antoka ao an-dapa, toa an-dry Claudine Razaimamonjy mbamin-dry Nicole satria ireny no re fa manana trano azo hampanofaina hipetrahan’ny vahiny na manana namana ho amin’izany. Ataovy mangarahara ange ny tontolom-bola amin’izany fa raha trano mihofa 2 tapitrisa ariary isam-bolana dia hosoratan-dry zareo 4 tapitrisa ariary mandritra ny herinandro e ! Mampalahelo.
Rainisoa