Fotodrafitrasan’ny Frankôfônia: Mpandraharaha Malagasy iray very 15 miliara Ariary
Sendra ny tsy nampoizina ity mpandraharaha Malagasy iray ity ka mety ho very 15 miliara Ariary noho ny rendrarendran’ny mpitondra. Araka ny fantatra dia amin’ity anio ity no hotokanan’ny filoham-pirenena ny “Village de la Francophonie” etsy Andohatapenaka. Toerana izay ahitàna fotodrafitrasa maro ary nantsangana manokana ho an’ny fihaonana an-tampony ny Frankôfônia izay hisokatra rahampitso. Mizara roa lehibe moa ny fotodrafitrasa nahorina ao amin’ity “Village de la Francophonie” ity, misy ny trano lehibe tokony handraisana ny ampahany amin’ireo delegasionina vahiny ho tonga eto amitsika, ary ny trano lehibe izay natao ho an’ny fampiratiana ataon’ireo firenena tsirairay avy mpikambana eo anivon’ny OIF, na ny fikambanana iraisam-pirenen’ireo tany mampiasa ny teny frantsay. Ny momba ity fotodrafitrasa faharoa ity indrindra no tiana resahina satria araka ny efa fantatra, dia tsy vita hatramin’ny farany ity fanorenana ity fotodrafitrasa ity kanefa ny fivoriana hisokatra rahampitso. Noho izany indrindra dia nanapa-kevitra ny fanjakana fa dia hajanona tanteraka ny fanamboarana izany fotodrafitrasa izany satria efa tsy tratra ihany ny fe-potoana tokony namitàna azy. Ny olana anefa, araka ny fanadihadiana natao, dia efa nandany hatrany amin’ny 15 miliara Ariary ilay mpandraharaha Malagasy izay nahazo ny tsena amin’ny fananganana ity fotodrafitrasa ity. Raha ny fantatra dia manahy mafy amin’ny mety tsy ahatafaverina intsony ny vola efa lany ity mpandraharaha amin’ny asa vaventy ity amin’izao fotoana izao, ary matiantoka tanteraka ny orinasany. Tsara ny manamarika fa vola tsy toko tsy forohina no lanin’ny fanjakana Malagasy amin’ny fandraisana ity andiany faha 16 ny fihaonana an-tampony ny Frankôfônia ity, na izany aza dia azo antoka fa tsy maintsy hisy amin’ireo orinasa nahazo tsena ao anatin’izany no hitaraina amin’ny resa-bola rehefa vita ny fivoriana. Vao tamin’iny herinandro lasa iny no nahafantarana fa betsaka amin’ireo mpitandro filaminana niasa tamin’ny fihaonana an-tampony ny COMESA, izay natao teto amitsika ny volana oktobra lasa teo no mitaraina satria tsy mbola nahazo ny tambi-karamany. Manoloana izany indrindra no mahatonga ity mpandraharaha Malagasy ity hanana eritreritra fa mety tsy ho voaloan’ny fanjakana intsony ilay vola 15 miliara Ariary.
F.Tsihiavonana
Commentaires