Fitondrana Rajaonarimampianina: Mitaona ny olom-pirenena hifamono sy hifandroba izany !
Hanomboka rahampitso talata faha-22 novambra izany ny fivorian’ny tany mampiasa ny teny frantsay na ny frankofonia. Haharitra hatramin’ny faha-27 novambra izany ka ny faha-26 novambra no tena hanomboka ny fivoriana an-tampony, izany hoe ny fivorian’ireo filoham-panjakana.
Dia nitety ny haino aman-jery teto andrenivohitra ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier hatramin’ny zoma, ka nanasa ny lohan’ny mponina sy ny mpisehatra politika mbamin’ny firaisa-monim-pirenena hoe « aoka hampitsahatra ny ady hevitra pôlitika aloha isika amin’izao fandraisana ny fivorian’ny frankofonia izao ».
Asa aloha no dikan’ny « ady hevitra politika » na inona na inona fa ny andikan’ny « manam-pahaizana frankôfôna » azy dia hoe « Trêve politique ».
Eo izany no mahatonga ny saina ho taitra e !
Inona moa no antsoina hoe « politika » ho an’ny mpitondra ? Araraotin’ny mpitondra fanjakana eto ny fisian’ny tranga ambara fa « lehibe » ( ???) mba handemena ny sain’ny maro dia iantsoana « fitsaharana politika ».
Tsaroana tsara mihitsy, fony praiminisitr’Ingahy Ravalomanana i Jacques Sylla dia niantso « fitsaharana politika » koa satria hoe « fotoana hanarahan’ny vahoaka ny ady baolina kitra niadiana ny amboara naneran-tany (tamin’izay).
Eo no mahatonga anay hamaritra avy hatrany hoe « mitaona ny olom-pirenena hifamono sy hifandroba eto ange izany ny mpitondra fanjakana e ! »
Ialana tsiny aloha fa mahatsiaro ho manana andraikitra ny tena hitondra fanazavana momba ity ady hevitra iray ity satria sanatriavina toa faty antoky ny ray amandreny sy ny firenena ny niantohana ny tena nianatra politika.
Tsorina ny resaka. Ny politika dia ny tetika enti-mandamina sy mandrindra ny fiainana ara-piaraha-monina iray. Ny dikan’izany, raha atsahatra ny fanaovana politika dia mitsahatra koa izany ny fiheverana sy ny fampiharana izany tetika enti-mandamina ny fiainam-piaraha-monina izany. Ny tanjona amin’ilay fiheverana sy fampiharana ny tetika enti-mandamina sy mandrindra ny fiarahamonina mantsy dia ny hiadanan’ny ambanilanitra, ny hanjakan’ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Ny hiantrehany amim-pitoniana ny asa aman-draharahana mbamin’ny fianarana, sy ny sisa.
Ka rehefa atsahatra ilay raharaha politika dia ny fandaminana ny raharaham-piaraha-monina mihitsy no atsahatra izany. Izany hoe vao mainka hanjaka ny ratsy.
Efa nandavan-taona maro mantsy, raha ifotorana io famaritana ny politika io, no tsy nihatra teto izany fanaovana politika izany. Ary izany indrindra no vao mainka mampihemotra ny firenentsika toa izao. Lasa manararao-pahefana ny mpitondra. Lasa mandroba harem-pirenena. Lasa manodinkodina volam-panjakana sy ny maro tsy ho voatanisa… satria tsy manao politika izy na ry zareo fa variana amin’ny tombontsoany manokana.
Dia hamafisina izany izay tsy fahafahana manao na fampiatoana ny politika izay ? Vao mainka ange izany hanara-po toy ny banga mihomehy alina ny ratsy e !
Any ivelany any tsy misy antso fampitsaharana ny raharaha politika izany na inona mitranga na inona miseho fa eto amintsika ihany no terena sy horohoroina hanaraka an’izany ny ambanilanitra.
Raha tena mpitondra mendrika ny maha-mpitondra fanjakana azy Rajaonarimampianina sy i Mahafaly Olivier Solonandrasana dia ny mitaona ny vahoaka sy ny rehetra, ny mpisehatra politika indrindra indrindra, mba hampiakatra amin’ny lenta sahaza azy ny fanaovana politika eto Madagasikara amin’izao vanim-potoana andraisana fivoriana iraisampirenena izao, mba hampikolay ny vahiny hoe « mahay politika (fa tsy milalao politika) ny malagasy ». Ny fampitsaharana ny resaka politika kosa dia mampibaribary ny fitsaran’ny mpanara-maso hoe « tsy mahagaga raha tsy mitsaha-mitotongana ny firenena malagasy sy ny vahoaka ao aminy, ary tsy mitsahatra voaroba ny harena eto satria tsy politika no ataon-dry zalahy fa fampirisihana ny olon-dratsy hifanararaotra, hifamono, hifandroba, hifametsifetsy, hifanao hosoka, sy ny maro tsy ho voatanisa.
Izay manan-tsaina, aoka izy handinika.
Rainisoa