Andohatapenaka: Nametrahana « Camera de surveillance » raitra
Nahavariana ny mponina tetsy Andohatapenaka omaly no nahita ireo teknisiana nametraka ireo « Camera de surveillance » raitra teo amina andrin-jiro iray eo amin’ny “rond point” eny an-toerana. Raha ny fahitàna ireto fitaovana ireto dia mitovy tsy misy valaka amin’ireo “camera de surveillance” hampiasaina any amin’ireo firenena mandroso raha ny kalitao no resahina. Miisa 5 izy ireo no napetraka eo amin’ity andrin-jiro ity ary azo antoka fa resaka filaminana ao anatin’izao fanatanterahana ny fihaonana an-tampony ny Frankôfônia izao no antony nametrahana ireto fitaovana ireto. Marihana fa tanàna handalovan’ireo delegasionina vahiny matetika eny amin’iny Andohatapenaka iny satria rehefa hiazo ny lapam-panjakana Iavoloha ireo filoham-panjakana ho raisin’ny filoham-pirenena dia tsy maintsy mandalo eny an-toerana. Izany no mampiseho fa tsy manao ambanin-javatra ny lafiny filaminana mihitsy ny Frantsay amin’ity Frankôfônia ity ka mandray ny fepetra rehetra mba ho azo antoka tsara ny fivahinianan’ny filohany eto amitsika. Tsy fantatra moa raha hijanona eo mandrakizay ireto “camera de surveillance” ireto na esorina avy hatrany rehefa vita ilay fihaonana an-tampony.
F.Tsihiavonana