Tontolon’ny fitsarana: Nohamafisina ny fahaizamanaon’ireo Vaditany

Nifarana ny zoma lasa teo rehefa naharitra 2 andro ny atrikasa fiofanana natokana ho an’ireo vaditany sy ireo antsoina hoe « commissaires-priseurs », na vaditany mpanao lavanty, eto Madagasikara. Atrikasa izay notanterahina tetsy amin’ny ENMG , na ny Sekolim-pirenena  ambony ho an’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana etsy Tsaralalàna, ary natao hanamafisana ny fahaizamanaon’ireo vaditany eto amintsika sy ny fanatsarana ny tontolon’ity asa ity amin’ny ankapobeany. Teboka 3 lehibe no nodinihana nandritra ny atrikasa, dia ny « éthique », ny « déontologie », ary ny fomba fanatanterahana ny asan’ny vaditany. Araka ny fanazavana nomen’i Heriniaina Ravelo Andriantsima, filohan’ny antenimieram-pirenen’ireo vaditany mpanao lavanty (Commissaires-priseurs), dia mbola betsaka ny olana eto Madagasikara raha ny asan’ny vaditany no resahina. Matetika dia mizaka ny hatezeram-bahoaka rehefa eo ampanantanterahana ny asany ny vaditany, trangan-javatra izay tokony hiova raha ny nambaran’i Heriniaina Ravelo Andriantsima. Hisy moa ny fampahafantarana ho atao amin’ny vahoaka ny tena asan’ny vaditany satria noho ny tsy fahafantarana izany no antony mahatonga ny vahoaka ho tezitra amin’ireo vaditany matetika. Nandritra ity atrikasa ity ihany koa no nahalalana fa ho tanterahina eto Madagasikara ny atrikasa iraisam-pirenen’ireo vaditany amin’ny taona 2017.

Comments are now closed for this entry