Resaka frankôfônia: Mibaribary hatrany ny fanambaniana ny vahoaka malagasy

Tsy mitsahatra ny tranga ahafahana manamarika ny fihetsika amam-piheveran’ny tompon’andraikitra ara-panjakana eo, indrindra fa amin’izao vanim-potoana handraisana vahiny maro ho amin’ny fivorian’ny Frankôfônia izao.

Efa maro no notanisaina teto, nanomboka tamin’ny sora-bola nambara fa hiantohana ny sainam-pirenen’ireo tany ho avy eto. Nananika ny 40.000 tapitrisa na 40 miliara izy tamin’izay. Toa adinontsika io tarehi-marika io satria efa ambolana maromaro no namoahana azy teto. Tamin’izany isika dia nanipika hoe « na hatao saina vita amin’ny volamena avokoa aza ve no harentirenty hihofahofa eto, ary hisy sainam-pirenen’ireo mpandray anjara isaky ny 100 metatra aza dia handaniana volabe toa izany izy io ? »

Taorian’izay isika dia nanipika fa an’aliny tapitrisa koa ny vola hiantohana ny sakafon’ireo vahiny manodidina ny 3000 ao anatin’ny herinandro, fa ny vahoaka malagasy tsy ahafoizana 5.000 ariary isan-tokonam-baravarana akory rehefa mba tonga ny asaramanitry ny fetin’ny fahaleovantena na ny taom-baovao. Vao tamin’ny zoma sy sabotsy koa isika teto no nanipika fa hatramin’ny fandidiana ny marary any amin’ny hopitalim-panjakana no naantona aloha fa mandray ny fivorian’ny frankôfônia ? Dia hoy izahay hoe « mba mampiantona ny fandidiana ny marary any aminy ve ny amerikana rehefa hivory isaky ny volana septambra ny Firenena Mikambana ? Sy ny maro tsy ho voatanisa e !

Ankehitriny indray koa dia mahavalalanina ny saina ny mahita fa mihazakazaka mametraka takamoa (ampoules) amin’ireo andrin-jiro (poteaux) eny andalambe ny tompon’andraikitra ara-panjakana fa hoe ho avy ny vahiny ». Firy tao-maty anefa ny vahoaka malagasy nitakizina tao anatin’ny haizina isaky ny alina, tsy sahy mivoaka intsony rehefa manomboka mipaka ny amin’ny 7 ora hariva sao hianjadian’ny asan-jiolahy noho ny haizina ateraky ny tsy fisian’ny takamoa eny andalana ka tsy misy fahazavana mba ahafahana mitsilo ny dia… ?

Dia toraka izany koa ny fahamaizana nametraka kojakoja fanaraha-maso lavitra (camera de surveillance) eny amin’ny toerana maromaro eny, mba hitiliana ny mpanao asa ratsy hono… satria tonga ny vahiny. Firy taona koa anefa izay no nampirongatra ny olon-dratsy teto fa toa tsy nanan-kevitra ny hametraka kojakoja toa izany na eny amin’ny faritra tena ikoizana amin’ny jiolahy sy ny olon-dratsy ny tompon’andraiki-panjakana ?

Mampalahelo ilay toe-tsaina sy foto-pisainan’ny tompon’andraikitra eto e !

Zinona amin’ny mpitondra eto tokoa moa izay vahoaka malagasy raha ho ringana rahampitso avokoa aza ? Izy ireo angaha hahazoana voninahitra sy tombontsoa intsony fa ny vahiny no afaka miantoka an’izany ka lolohavina antampon’ny loha e ! Indraindraina sy andrianina mihitsy aza !

Comments are now closed for this entry