Matsiatra Ambony: Mifamango sahady ny samy saribakolin’i Claudine Razaimamonjy

Tsy maina akory ny ravina niaraha-nihinana dia raikitra ny tsy fifampitokisana izay miteraka ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpitantana sy tompon’andraikitra ara-panjakana ao Fianarantsoa ao. Manomboka amin’ireo samy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominina andrenivohitr’i Fianarantsoa izany ary miitatra hatrany amin’ny fitantanana ny prefektioran’ny Faritra. Ny tranga voalohany hita aloha dia efa manomboka misintaka amin’ny antoko Hvm sy ny mpitondra foibe ny mpikatroka Hvm hatrany amboalohany any an-toerana. Diso fanantenana tamin’ny fifampitokisana nifamatorana tany ampiandohana izy ireny, ary isam-bahoaka koa ka mahatsapa ny tsy fahombiazan’ny fitondrana Hvm e! Hiara-ho afa-baraka amin’ireo manao ny ataony kosa ve?. Etsy ankilan’izany, re fa malaindaina sy mitaritari-tongotra, mba tsy hitenenana hoe manda tsy mety manao ny asan’ny Hvm ny ben’ny tanàna ao Andrenivohitr’i Matsiatra Ambony. Ny fampanantenana tamin’ny fotoanandro anefa tena nipoapoaka aoka izany.  Fa mampanahiran-tsaina ny eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’i Fianarantsoa koa ny baiko midina avy amin-dRtoa Razaimamonjy Claudine ka sahiran-tsaina izy ireo. Ny ben’ny tanàna rahateo, efa nanaiky ny tsy fandreseny tamin’ny fifidianana tamin’ny jolay 2015 fa ny foiben’ny Hvm no nanao andetrezana ka tsy nanaiky raha tsy nambara fa lany izy. Hatramin’ny tetik’asa fanarenana sy fikojakojana ny tranon’ny kaominina no ahitana taratra ny tsy fifankahazoan’ny samy mpiara-miombona antoka ao anivon’ny Hvm, dia ny samy any an-toerana sy ny any an-toerana amin’ny Hvm foibe na ny fitondrana foibe mihitsy. Fa ny tena nivoahan’ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpitantana Hvm dia ny momba ilay tranobe niorina na naorina ao Ampasambazaha. Efa nisy fotoana nampiatoana ny fananganana azy io. Ny antony dia satria hoe nanakana ny fikorianan’ny rano amin’ny tatatra ilay izy. Amin’izao fotoana anefa dia nisy nanome alalana tampoka ka nitohy ny tetik’asa. Dia niteny tamin’ny haino aman-jery tao an-toerana mihitsy Rtoa ben’ny tanàna, nanadio tena sy nampibaribary ny tsy fifankahazoan-dry zareo samy mpitantana. “Tsy nanome alalana hanohizana ny fanamboarana an’io trano io aho fa tsy haiko na ny prefen’ny Faritra na ny lefitry ny ben’ny tanàna no nanome alalana”, hoy izy. Lefiny ange izany nefa dia nafatony andraikitra e!. Ny fantatra aloha dia isan’ny olo-mahatoky an-dRtoa Razaimamonjy Claudine, hoy ny mponina ao Fianarantsoa no mitonona fa tompon’io tranobe io. Ny dikan’izany ange izany dia avy eny Mavoloha mihitsy no niaingan’ny baiko hitohizan’ny asa e! Eny na hisakana ny fikorianan’ny rano maloto aza, izay sanatriavina hitarika fahavoazana ho an’ny vahoaka manodidina!

Olana ara-piaraha-monina: Manofa ny tany fotsiny ny groupe Socota

Manoloana ny fanoherana ataon’ireo vondron’olona ifotony amin’ireo tanàna manoloana manodidina ny farihin’Andranobe dia nanao fanambarana sy nanome fanazavana tamin’ny antsipiriany ho an’ny vahoaka ny solontenan’ny Vondrona SOCOTA. Nambarany tamin’izany fa manofa ny tany tamin’ny fifanarahana nataony tamin’ny kominina Ambonivohitra Antsirabe izy fa tsy naka na nividy ny tany ny Vondrona SOCOTA ka fambolena haricot vert no hataon’izy ireo. Ny mponina ihany no hamboly eo amin’ny tany fa ny Vondrona SOCOTA kosa no hividy ny vokatra. Nambarany ihany koa fa efa nisy ny fivoriana nataon’ny roa tonta ny faha 20 oktobra 2016 ka nananganana sy nanaovana ny fifanarahana. Manantena ny mpanofa fa efa nazava izany fifanarahana izany ka tsy tokony hisy fifanoherana sy olana intsony. Na izany aza dia tsy mitovy hevitra tanteraka ny vondron’olona ifotony sy ny mpanofa ny tany. Mbola olana mitohy ihany koa ny momba ny tany eny Ambohimanarivo, ary fantatra izao fa nanampy ny fokonolona eny ny avy ao Andranobe ka hiara-mitolona aminy. Miandry izay tohiny ny vahoaka eto Antsirabe kanefa manahy mafy kosa ny hisian’ny korontana indrindra amin’ny fotoana ahatongavan’ny mpanjakan’ny Maroc eto Antsirabe mandritra ny fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia.

Abel Ratsimbazafy

Ajouter un Commentaire