Noho ny Frankôfônia: Atao tsinontsinona ireo tsy manan-kialofana

Tao anatin’izao fandraisantsika ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia izao no vao mainka mibaribary ny haratsiam-panahin’ny mpitondra ankehitriny. Tao anatin’izay 3 taona latsaka nitondran’i Hery Rajaonarimampianina izay dia efa niarahan’ny rehetra nahita ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, ny fivarotana tanindrazana, ny famitaham-bahoaka ampahibemaso tahaka izay nataon’ny fiadidiana ny repoblika ny 08 aprily lasa teo. Ankehitriny kosa dia ireo olona tsy manan-kialofana na ireo 4’Mi no atao tsinontsinona noho ny Frankôfônia. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa nampanantenaina tsy misy akory ireo tsy manan-kialofana eto Andrenivohitra an-jatony maro izay notaomina ary nafindra eny Ambalavao Isotry, eny amin’ny Akany Fianakaviana Miarina. Tsiahivina ihany fa ny herinandro lasa teo no nanomboka nitaona ireo 4’Mi mpatory eny amin’ny sisin-dalana ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ministeran’ny Mponina. Nampanantenaina izy ireo fa omena sakafo isan-andro mandritra ny fotoana ipetrahana ao amin’ity akany eny Ambalavao  Isotry ity. Tsy izay anefa ny zava-misy satria hatramin’ny omaly dia nilaza ho mbola tsy nahazo izany sakafo izany akory ireo tsy manan-kialofana eny an-toerana. Raha ny filazan’ireto farany ihany dia noresena lahatra mafy izy ireo mba hifindra eny Isotry kanefa zara raha tanteraka ny fampanantenana natao. Raha ny tena marina dia trano fotsiny no nomena ireto 4’Mi ireto fa izy ireo ihany no mitady ny hanina ho haniny. Noho izany indrindra dia maro amin’ireo efa nafindra eny Isotry no nandao sahady an’ity akany ity ary tsy niverina eny intsony. Tany amboalohany dia manodidina ny 400 ireo tsy manan-kialofana nanaiky nifindra, ankehitriny anefa dia mahery kelin’ny 100 eo sisa no mbola mijanona ao amin’izany toerana izany.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire