Fahalalahana an-gazety: Nanao mpitari-bato vilam-bava indray ny filoha malagasy

Nisokatra omaly maraina ary hifarana anio ihany any Antsirabe Vakinankaratra ny fivoriana iraisam-pirenen’ny Vondron’ny mpanao gazety miteny frantsay (Union de la presse francophone). aika mandray anjara amin’io avokoa ireo mpanao gazety miara-dia amin’ny mpitondra fanjakana izay tonga na nandefa solontena amin’izao fivorian’ny tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay eto Madagasikara izao.

Ny filohampirenena Malagasy, Hery Rajaonarimampianina, no tonga nanokatra izany tany an-toerana. Tamin’ny lahateny nataony no nanomezany lesona ny rehetra momba ny Demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra (liberté d’expression) ka hoe tao anatin’izany ny fahalalahana manao gazety.

Tsy any amin’izy nanome lesona momba izany loatra anefa no olana fa izy mahasahy mamahana lalitra sy abobo ny vahoaka Malagasy. Voafahan-dalitra sy abobo toa izany koa ireo mpanao gazety vahiny mandray anjara amin’io fihaonana io, ary raha tsy manadihady ireo mpanao gazety vahiny ireo dia hitatitra ny voalazan-dRajaonarimampianina amin’ny vahoaka any aminy avy. Ny vahoaka any amin’ireo tany miteny frantsay koa izany dia voafahan dRajaonarimampianina lalitra sy abobo.

Zovy moa no afaka hijoro vavolombelona eto Madagasikara fa voahaja izany Demokrasia izany amin’izao fotoana ?

Rehefa miresaka demokrasia mantsy dia ny fahalalahana maneho hevitra (liberté d’expression) no isan’ny vato fehizoro isehoan’izany, ka tena voahaja ve izy io ? Demokrasia ve no azo andikana ny fandrarana ny olom-pirenena tsy ho afaka maneho ny heviny na anaty efi-trano na andalambe ? Demokrasia ve no fototry ny lalàna momba ny serasera izay navadiky ny fitondrana Rajaonarimampianina ho lalàna mamoritra?

Mety misy milaza koa, ary miombon-kevitra amin’Ingahy Rajaonarimampianina hoe “ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana dia lany ara-pomba demokratika”.

Aminay dia tsy ny fomba nahatongavana eo amin’ny fahefam-panjakana loatra no ady hevitra fa ny fampanjakan’izany mpitondra izany ny demokrasia, satria tsy vitan’ny fandraisana anjaran’ny vahoaka (???) amin’ny fifidianana ihany no amaritana ny hoe “misy ny demokrasia” fa ny fahafahan’izany vahoaka izany manara-maso isanandro mandavan-taona ary mahomby ny fiasan’ny fitondram-panjakana nampindraminy ny fahefana (contrôle permanent, continu et efficace).

Ny tsy fanomezana alalana na ny fanakanana ny vahoaka tsy ho afaka maneho hevitra an-kalalahana dia endrika iray manaporofo fa tsy afaka manara-maso isanandro mandavan-taona ny asan’ny mpitondra ny olom-pirenena.

Ny fampiasana herim-pamoretana isaky ny miiratra ny masoandro mba hampihorohoro ny olom-pirenena koa dia tena porofo isan’ny faran-tampony isehoan’ny fanitsakitsahan’ny mpitondra ny demokrasia, ary manaporofo hatrany ny famahanan-dalitra sy abobo ny vahoaka ataon’ny fitondram-panjakana.

Raha adika amin’ny fomba sy ny kolotsaina Malagasy ny fihetsika sy ny teny ary ny ataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina momba ny fireharehany ho manaja ny fahalalahana manao gazety sy ny fahalalahana mamosa-kevitra ary ny fahalalahana demokratika dia mifanojo tanteraka amin’ilay fitenenana hoe “mpitari-bato vilam-bava, hafa ny ambaran’ny vavany fa hafa ny alehan’ny tongony”.

Ajouter un Commentaire