Tolona Fanorenana Ifotony: Tafapetraka ara-panjakana

Tsangan-kevitra iray efa mahazo vahana sy maharesy lahatra ny maro ny hoe « tsy maintsy hirosoana ny fanorenana ifotony ny firenena malagasy raha tena tiana ny hahitana ny fahombiazan’ny tena fampandrosoana sy fampivorana ary ny fanondrotana ny fiainam-bahoaka mba hialany amin’izao fampahantrana azy izao ».

Iray amin’ny tsy mikely aina mikaroka ny fomba hampahombiazana izany ny hetsika « Tolona Fanorenana Ifotony » (Tfi) tarihin’i Joseph Yoland sy Rasolofo René. Mba ahafahana miroso amin’ireo asa takian’izany sy ny fanentanana ny vahoaka handray anjara amin’izany dia dingana voalohany nataon’ny « Tfi » ny atrikasa nanangonana ny hevitra ho amin’ny tena fanaingana izany fanorenana izany sy ny fametrahana ireo andry isan-tokony ho tanjak’izany dingana izany.

Fa omaly dia naterina teny amin’ny ministeran’ny Atitany ny antontan-taratasy mirakitra ny fijoroan’io hetsika io mba ho ara-dalàna miaraka amin’ny foto-kevi-dehibe momba izany Tolona Fanarenana Ifotony izany.

Ajouter un Commentaire