Inty sy Nday: « Frankôfônia », hono ka hoe….

Mampitolagaga ny Malagasy avy any ambanivohitra sy ny avy any amin’ny faritra izay mandalo eto Antananarivo ny famirapiratan’ny tanàna tato anatin’ny andro vitsy izao, indrindra fa ireo toerana talaky maso sy mety holalovan’ny vahiny amin’izao fandraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny tany mampiasa ny teny frantsay izao.

Vetivety dia niova Antananarivo, hoy ny maro tamin’izy ireny. Teraka tao anatin’izany ny fanirian’ny Malagasy maro any ambanivohitra sy any amin’ny faritany any mba hatao mandavan-taona eto Madagasikara ny fivorian’ny Frankofonia ity dia entina mitety faritra sy distrika ary kaominina. Amin’izay, hoy ny mpaneho hevitra, dia mba ho voakarakara tsara avokoa ny fotodrafitrasa. Manomboka amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo izany, dia mba ho voakarakara haingana ny faritra dobo rano maloto mandavan-taona eny Andranomanalina sy Andavamamba sy ny hafa. Mba ho voajary haingana ny eny Besarety sy Antohomadinika mbamin’Angarangarana eny. Dia mba ho voatsilo jiro manjelanjelatra mandavan-taona ny elakelatrano rehetra sy ny arabe eto andrenivohitra, ary mba ho voaarina sy ho voarakotra tara ny arabe rehetra eto.

Dia miitatra any amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo izany, ary mivelatra amin’ny distrika isan-tsokajiny, hatrany ambany ravin-kazo rehetra any.

Tena mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka malagasy tokoa ny frankôfônia raha izay no atao, hoy ny mangetaheta fivoarana, ary na hotrongisina avokoa aza ny tranom-bahoaka tsy manara-penitra manerana ny nosy dia hoekena tsy misy fandavana, hoy izy ireo, satria ireo olona maro tsy manan-trano tany ambany tonelina sy mpatory eny ambany lavarangana aza, efa novonjen’ny fitondrana Hvm dia nentina tamin’ny fiarabe fitaterana fako, ary napetraka eny Isotry eny. Mba te hokarakaraina manokana toa izany izahay, hoy ny mahantra manerana an’i Madagasikara. Etsy ankilany, andrandrain’izy ireo koa raha totofana avokoa ny tanim-bary sy tanimboly any amin’ny faritra rehetra any, hono, dia hanamboarana lalana migodana toy ny eny Soavimasoandro sy Andohatapenaka. Tsy maninona mihitsy, hono, na tsy misy onitra omena azy ireo aza fa izany no fitiavan-tanindrazana. Mbola tian’ireo mponina mandalo eto andrenivohitra koa, hoy ny akon’ny feon’izy ireny, raha ananganana « Tanànan’ny Frankôfônia » (Village de la francophonie) koa isaky ny kaominina manerana ny Nosy satria efa hitety ny kaominina rehetra eto ihany ny fihaonana an-tampon’io frankôfônia io. Io tanànan’ny Frankôfônia io mantsy no mba sehatra ahafahana mampiranty ny kolotsaina sy ny maha-izy ny tanàna tsirairay eto.

Frankôfônia, hono ka hoe eee !

Faralahy

 

Ajouter un Commentaire