Vaovaon’ny Frankôfônia: 1- Nafarana ny Mpanjaka dia nampanaovina “P.A”
Eo anatrehan’ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny amin’ny ampahany sy tanteraka ny teny frantsay izay atao eto Antananarivo nanomboka omaly faha 22 novambra ka hatramin’ny alahady faha 27 novambra 2016 izao dia fihetsiketsehana maro no novolavolain’ny fanjakana. Koa satria mbola misy ny fitondrana ara-drazana izay manana ny toerany sy ny lanjany ao anatin’ny fiaraha-monina Malagasy, izay tantanan’ny mpanjaka isam-poko, fa indrindra any anindran-tany, isan’ny nantsoina tamin’ny ora farany hanatrika ity fihaonana ity koa ireny mpanjaka ireny. Raha ny vaovao nampitaina tamin’izy ireny dia hanatrika ny fanokafana ihany izany frankôfônia izany fotsiny no anton-dian’izy ireo. Tamin’ny asabotsy faha 19 novambra 2016 izy ireny vao nasaina hiakatra aty Antananarivo hamonjy ny talata faha 22 novambra 2016 hamonjy ny fanokafana izany. Nasaina nitondra ny akanjo maha mpanjaka azy izy ireny. Teo anatrehan’izany no nilazan’ny mpanjaka iray avy any amin’ny foko iray ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ao fa tena manao tsinontsinona ny mpitondra nentim-paharazana mihitsy ity fanjakana ity. Nasaina nandeha taxi-brousse avy any amin’ny toerana nisy azy avy izy ireo ary nasaina nanao ilay fomba fanaon’ny olona tsy manana saran-dàlana any ampiangana fantatra ny maro amin’ny hoe “P.A” na “payable à l’arrivée” na koa aloa any ampahatongavana ny saran-dàlana. Tezitra ity mpanjaka ity raha nitantara izany tamin’ny manodidina azy ka nilaza hoe “tena tsinontsinoavin’ny fanjakana mihitsy ny mpanjaka, ary tsy manome haja sy ny hasina ny fomba Malagasy io fanjakana io”. Tsy handeha aho hoy izy fa misaotra azy ireo.
Nahoana tokoa moa ny mpanjaka no ampanaovina “PA” sy alefa taxi-brousse toa izany, nefa raharaha lehibe eto amin’ny firenena no ilana azy ? Nahoana koa no nohamaivanina toa izany ireo mpanjaka ireo ka efa antomotra vao ampandrenesina (telo andro monja alohan’ny andro itadiavana azy), nefa ny fanomanana ity fihaonana ity efa roa taona lasa izay no fantatra? Mety heverin’ny mpitondra fanjakana amin’ny andron’ingahy Hery Rajaoanarimampianina izao ho zavatra tsy misy dikany loatra izany, nefa ny maha Malagasy ny Malagasy mihitsy no voatohintohina amin’izany. Endrika ny fanomanana petatoko amin’ity fihaonana ity io na tsy mpandray anjara amin’izany aza ireo mpanjaka ireo fa natao haingom-pety fotsiny ihany.
2- Mpanjaka Mohamed VI: Nandeha tongotra noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana
Omaly talata faha 22 novambra 2016 dia nandalo ny làlana midina an’ Antaninarenina mankany Isoraka iny ny fiarakodia nitondra ny mpanjakan’i Maraoka Mohamed VI. Tonga teo amin’ny làlana nanoloana ny televizionina Malagasy teo aloha izy tratran’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Niala tao anaty fiara nitondra azy ity mpanjaka ity. Nandeha tongotra nidina ny làlana mankany Isoraka iny. Pataloha “slim” kely ambany miloko mangamanga , sy palitao maramara ary kiraro “santiag” ireny no nanaovany tamin’izany. Narahan’ny mpiambina Marokanina akaiky izy. Tsy hita ny mpiambina Malagasy izay niaraka taminy, ary tsy hita koa ilay “cortège” fa nilaozany. Ny olona tao amin’ny “Hôtel Rossini” izay nahalala azy no tonga nihazakazaka niarahaba azy. Teo vao gaga koa ny pôlisy Malagasy fa kay ny mpanjakan’i Maraoka ity mandeha tongotra noho ny fitohanana ity. Mba tsy ho tara amin’ny fitohanana dia aleon’ity mpanjakan’i Maraoka ity nandeha tongotra toa izao.
3-Miaramila tsy mahay miteny frantsay: Ny mpanao gazety Malagasy ihany no atositosika
Isan’ny tranga mampimenomenona ireo mpanao gazety Malagasy koa ny afitsoka ny miaramila mpiambina ny filoham-pirenena malagasy sy ireo mpitandro ny filaminana izay manao ny fandaminana amin’ity fihaonana amin’ny fihaonamben’ny tany miteny amin’ny ampahany sy tanteraka ny teny frantsay ity. Tsy afaka mifampiresaka amin’ireo mpanao gazety vahiny ny ankamaroan’ireto miaramila ireto noho ny tsy fahafehezan’izy ireo ny teny frantsay. Noho izany dia tsy afaka mifandray amin’ireo olona ireo ireto farany ka ny mpanao gazety Malagasy no ataon’izy ireo analana ny tsy fahaizany miteny vahiny, ka ailikiliny atositosika izay tsy izy.
4-Fandriam-pahalemana any amin’ny faritany: Nalefa aty Antananarivo ny zandary ka mirongatra ny dahalo
Tao anatin’ny tapabolana teo izay dia efa nalefa aty Antananarivo avokoa ny ankamaroan’ny zandary sy ny pôlisy tany amin’ny faritany maro. Mpiandry toby sisa no mipetraka any amin’ireny toerana ireny. Fantatra ny dahalo sy ny mpangalatra izany ka mihetsika izay tsy izy ny asan-dahalo saika manerana ny faritra maro manerana an’i Madagasikara noho ity fihaonana an-tampon’ frankôfônia ity.
5-Antsirabe: Miantrana ambava basy ny miaramila
Androany alarobia faha 23 novambra 2016 no ho tonga any Atsirabe ny mpanjakan’i Maraoka Mohamed VII hametraka ny vato fehizoron’ny hôpitaly ho an’ny reny sy ny zaza sy ny toerana fanabeazana izay hatao ao amin’ity renivohitr’i Vakinan-
karatra ity. Vokatr’izany dia miantrana ambava-basy ny miaramila. Toa ireny tany an’ady ireny ny tao Antsirabe omaly noho ny fihetsiketsehana ataon’ireo miaramila ireo manerana ny tanàna.
6-Tsy mandeha ny “Wifi”: Tsy afaka mandefa vaovao ny mpanao gazety
Misedra olana sahady ny tambazotra “wifi” eny amin’ny “centre de presse” eny amin’ny toeram-pivoriana iraisam-pirenena (CCI) Ivato. Vokatr’izany dia tsy afaka mampita ny vaovaony ara-potoana sy ara-dàlana any amin’ny fireneny ireo mpanao gazety. Isan’ny fitaovana lehibe tsy azo hamaivanina ny serasera amin’ny fihaonana toa izao. Noho ny tandrevaka ataon’ny mpikarakara avokoa izany. Mitaraina mafy ny mpanao gazety vahiny eo anatrehan’izany.
7- Nankaiza i Voahangy ?
Isan’ny nametrahan’ny vahoaka Malagasy fanontaniana koa ny tsy fahitana ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina teo akaikiny tamin’ny fanokafana ity fihaonana ity. Ny fotoana toa izao no itadiavan’ny vadin’ny filoham-pirenena manotrona azy. Sanatria ve ka miala bala amin’ny vahiny ireo izy ? Ny tsy fitenenana teny vahiny dia tsy tokony ho sakana amin’izany satria afaka mampiasa mpandika teny tanteraka ny tenany. Tadidio fa tsy voatery hiteny ny fiteny vahiny amin’ny fivoriana toa izao fa mampiasa ny tenin’ny fireneny.
Ny vadin’ny filoham-pirenena dia mandray ny vadin’ny filoham-pirenena vahiny koa ary mazana aza dia manao fandaharam-potoana manokana miaraka aminy. Gaga anefa ny Malagasy fa tsy mahita mihitsy an’i Voahangy amin’ity fihaonana ity.
Jesy Rabelaolao