Inty sy Nday: Tsy ho hay tohaina ny hevitra marina
Somary nangina sy tsy re ako ny sokajin-kery ivelan’ny mpomba ny fitondrana sy ny mpitondra amin’izao fotoana. Nanaiky ny hafetsen’ny mpitondra hampitsahatra ny « resaka pôlitika » ve, sanatria ?
Misy aloha no nandairan’io hafetsen’ny mpitondra io mba hakany dera aman-daza amin’ny vahiny fa ao kosa ireo mihevitra fa toy ny vaninandro rehetra dia manana anjara adidy amin’ny firenena hanaitaitra sy hanentana ny olom-pirenena tsy hanadino ny adidiny sy ny andraikiny ny tsara sitra-po.
Tsy afenina koa fa tao ny niahiahy na nanamafy mihitsy fa misy no voasariky ny mpitondra ka sodokan’ny « mena miraviravy » dia nangina, nanova fomba fiteny.
Ny Rodoben’ny tia tanindrazana liam-pivoarana ho amin’ny fanorenana ifotony, ohatra, anefa dia manomana hetsika amin’ity herinandro ity, raha ny fantatra, ka hanentana hatrany sy hampahafantatra hatrany ny vahoaka malagasy ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Etsy ankilany, ny Hetsika ho amin’ny fahalalahana maneho hevitra (Mouvement pour la liberté d’expression = Mle) koa dia efa nanambara omaly fa manentana ny olom-pirenena rehetra amin’ny sabotsy maraina amin’ny 8 ora sy sasany ho tonga haneho firaisan-kina eny amin’ny fihaonan-dalana vaovao, akaikin’ny fiviliana mankeny Ambohitrimanjaka.
Fanehoana firaisan-kina ho fanamafisana ny fandavana ny fanelingelenana sy fanosihosena ny fahalalahana demokratika eto, ary indrindra ny fanoherana ny fampiharana ilay lalàna momba ny serasera izay navadiky ny fitondrana Rajaonarimampianina ho lalànan’ny famoretana.
Tsy mitombina amin’izao fandraisan’i Madagasikara ny fivorian’ny frankofonia izao ny resaka hoe « aleo ny lamba malotontsika Malagasy mba ho isika samy Malagasy ihany no manasa azy ato antokantranontsika ».
Tsy fanalana baraka ny firenena malagasy ny fanehoana ny fandavana sy fanoherana ny fanosihosen’ny mpitondra fanjakana ny fahalalahana demokratika satria soatoavina iraisam-pirenena na maneran-tany io. Tany Antsirabe, ohatra, ny filohan’ny Vondron’ny mpanao gazety avy amin’ny tany mampiasa ny teny frantsay (Upf) dia nitaky mivantana tamin’ny fitondram-panjakana malagasy mba hiverina hifampidinika indray ka hamolavola sy handrafitra rijan-teny vaovao momba ny serasera.
Tena niombnonan’ny « MLE » tanteraka io hevitry ny filohan’ny « UPF » maneran-tany io, ary raha ny marina aza dia antony nijoroan’ny « MLE » io famadihan’ny fitondrana Hvm ny foto-kevi-dehiben’ny fahalalahana maneho hevitra sy manao gazety ao anatin’ilay rijan-teny nasaina nolanian’ny parlemanta andetrezana io.
Ingahy Filohampirenena Rajaonarimampianina kosa anefa dia indrisy, fa mbola sahy namadika ny resaka ihany ary namahan-dalitra ny vahiny sy ny vahoaka tsotra hoe « hevitra avy amin’ny mpanao gazety sy ny mpisehatra amin‘ny tontolon’ny serasera no narafitra amin’io rijan-tenin-dalàna io ».
Diso izany fa ilay rijan-teny voarafitra avy amin’ny hevitra nalaina tamin’ny rehetra dia novain’ny governemanta Rajaonarimampianina.
Izany tranga rehetra izany sy ireo fisehoan-javatra maroloha izay mampibaribary ny fanakendan’izao fitondrana Hvm izao ny fahalalahana maneho hevitra, ny kolikoly avo lenta sy tsikombakomba isan-tokony izay mikiky ny firenena malagasy, ny fanamparam-pahefana sy fampiasan’ny mpitondra ny herim-pamoretana eo ampelantanany hampihorohoroana ny vahoaka sy izay rehetra te haneho hevitra…. Ireny rehetra ireny no hiara-hientana eny amin’ity faritra misy ny fihaonan-dalana akaikin’ny fiazoana an‘Ambohitrimanjaka ity amin’io marainan’ny sabotsy io, ary hitondra soratra hanehoana ny hetaheta sy ny fitakiana mbamin’ny fanoherana ny tsy rariny. Tsy azo adinoina mantsy fa « tsy hay tohaina ny hevitra marina ».
Ralay