Vatovavy Fitovinany: Tsy misy mpividy ny letchis
Jerem-potsiny fa tsy misy mpividy ny “letchis” any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany iny. Efa fotoana fanondranana ny “letchis” any ivelany izao. Tsy nisy ny mpividy izany tany an-toerana. Fiarakodia mitondra amin’ny tsena anatiny ihany no tonga manangona ity voankazo ity sisa. Na dia izany aza, tsy maharaka velively ny tolotra ireto mpividy ireto ka zara raha ny ampahazaton’ny “letchis” vokatra no azon’izy ireo. Mazava ho azy fa latsaka ambany dia ambany ny vidin’ny iray garaba. 40kg mahery no amidy 3000 ariary na 2500ariary. Ireo izay manamorona ny làlana io, fa ny lavitra ny làlana dia alaim-potsiny na tadiavina olona hihinana azy satria lo fotsiny na miteraka tazo koa aza noho ny fahasimbany eny ampotony.Tao anatin’ny roa taona izao no tsy nanondrana io voankazo io intsony tany ivelany iny faritra Vatovavy Fitovinany sy ny faritra Atsimo Atsinanana manontolo iny. Vokatr’izany dia kivy ny tantsaha satria lo eny ampotony fotsiny ny vokatra. Tsy mazava ny pôlitikan’ny fanjakana amin’ny vokatra aondrana. Tsy toa ny “bois des roses” sy ny volamena sy ny vatosoa isan-karazany izay aondrana antsokosoko any ivelany ka iadian’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny fanaovana izany satria vola maika. Vonjeo ity faritra ity raha toa ka fanjakana miaro ny vahoaka marina no misy eto fa tsy avela ho potika toa izao ny hatsembohan’izy ireo tantsaha miasa amim-pahamarinana. Ny tsy fahitan’ny fanjakana vahaolana amin’ny zavatra toa izao dia fanapotehana ny firenena sy ny vahoaka ao amin’ny lafiny ekonomika. Efa simba ny kafe ankehitriny ka tadiavin’ny fanjakana hatao toa izany koa ve ny letchis ?
Jesy Rabelaolao