Fanafihana tao Ilakaka: Notaomin’ny jiolahy amin’ny Mazda ny entana
Tsy nifandrenesana ny poa-basy tao Ilakaka, tao amin’ny fokontany Mangatokana, ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Jiolahy maromaro nitam-piadiana mahery vaika no nanafika trano fivarotana iray tao an-toerana. Tsy afa-nanao na inona na inona ny tompon-trano noho ny fahatahorana ireo jiolahy ka lasan’izy ireo daholo ny vola sy ny entana rehetra tao an-trano. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, dia notaomin’ireo jiolahy tamin’ny fiara Mazda mihitsy ny entana rehefa vita ny fanafihana. Mbola tsy nisy moa ny tranga toy izany tao Ilakaka fa sambany tamin’ity fanafihana ity no mitaona entana amin’ny fiara ny malaso. Tamin’io alina io ihany dia fantatra fa mbola nanafika tao amina fokontany 2, tao Ampandramitsivalana sy Ambalafary ireto jiolahy avy nanafika tao Mangatokana ireto. Teo vao tonga ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fifampitifirana izay naharitra minitra maromaro. Nisesisesy ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ity tanànan’Ilakaka ity tato anatin’ny herinandro vitsy izay. Noho izay firongatry ny tsy fandriam-pahalemana izay dia nirohotra nihazo ny biraon’ny kaominina ny vahoaka, nitaky ny tokony handraisan’ireo manam-pahefana ny andraikitra sy fepetra hentitra mba ahafahana miady amin’ity asan-jiolahy ity. Ny tena olana koa dia tsy ao an-toerana matetika ny ben’ny tanàna fa miakatra aty Andrenivohitra, na mandeha any amin’ny toeran-kafa. Ny tena mahasorena ireo mponina ao an-toerana moa dia betsaka ireo mpitandro filaminana miasa ao amin’ity tanàna ity, saingy ireo teratany vahiny mpandraharaha safira ihany no ambenan’izy ireo. Na misy aza ny antso vonjy ataon’ireo olona voatafika dia tsy taitra mihitsy ireo mpitandro filaminana mpiambina vahiny.
F.Tsihiavonana
Antoko Marina: “Avoahy ny arsiva mikasika ny 29 marsa 1947”
Raharaha iray goavana, nampiova ny tantaran’ny firenena Malagasy, saingy mbola feno mistery tanteraka ny raharaha 29 marsa 1947. Amin’izao taona 2016 izao, izany hoe 69 taona aty aoriana, dia mbola betsaka ny ady hevitra eo amin’ireo samy mpahay tantara avy eto an-toerana. Mba ahafahan’ny Malagasy mahafantatra ny tena zava-niseho marina nandritra ny datin’ny 29 marsa 1947, dia mitaky ny tokony hamoahan’i La Frantsa an’ireo arsiva rehetra eo am-pelatanany momba ity andro lehibe manan-tantara teto amin’ny firenena ity ny antoko Marina, izay tarihin-dRanaivoson Jean Désiré. “Izao fotoana handraisantsika ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia izao no tokony hanararaotra hanao izany fitakiana izany ny fanjakana Malagasy”, hoy ny filohan’ny antoko Marina. Tsy afa-miala amin’ity raharahan’ny 29 marsa 1947 ity ny firenena Frantsay ary manana ilay antsoina hoe “devoir de memoire et de vérité” amin’ny vahoaka Malagasy. Na ny isan’ireo olona maty nandritra ity tolona nataon’ireo mahery fon’ny firenena ity aza dia tsy fantatra mazava ka tokony hivoaka ny tena marina. Tsara ny manamarika fa betsaka amin’ireo olom-pirenena Malagasy, indrindra fa amin’ireo mpanao pôlitika no tsy manaiky ny fanatanterahana ny Frankôfônia eto amintsika raha tsy misy aloha ny fanonerana an’i Madagasikara avy amin’ny firenena Frantsay. Mazava ho azy moa tsy hanao izany fitakiana izany mihitsy ny mpitondra eto amin’ity firenena ity noho ny fanompoana an’i La Frantsa. Na ireo Nosy Malagasy manodidina izay bodoan’ny Frantsay aza dia tsy sahin’ny fitondrana mijoro ankehitriny mihitsy no mitaky azy ireo.
F.Tsihiavonana