Mohammed VI tany Antsirabe: Mpanao fihetsiketsehana natao sarika am-pandriana

“Aleo misoroka toy izay mitsabo”, hoy ny Ntaolo Malagasy, ary io lalan-tsaina io no nampiharin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra, nandritra ny fandalovan’ny mpanjaka Marokanina, Mohammed VI. Renim-pianakaviana iray, antsoina hoe Zoky Tantely ary anisan’ireo lohandohany mpitarika ny fihetsiketsehana ao Ambohimanarivo, no nanaovan’ny mpitandro filaminana avy Emmo-Sécurité sarika am-pandriana. Raha ny fanadihadiana natao dia fantatra fa efa nahazo vaovao ny zandary any an-toerana fa mikononkonona ny hanao fihetsiketsehana ary hilanja sora-baventy hanoherana ny fanesorana azy ireo eo amin’ny tany ipetrahany ao Ambohimanarivo ity renim-pianakaviana ity. Tsiahivina ihany fa noho ny tetikasan’ny kaominina amin’ny fananganana fotodrafitrasa maro eo amin’ity tany ity, dia olona manodidina ny 300 eo ho eo no tsy maintsy esorina amin’ny toerana misy azy. Tetikasa izay vatsian’ny mpanjaka Mohammed VI amin’ny volany manokana, izay mitentina amina miliara Ariary maromaro. Rehefa nahafantatra ireo mponina ao Ambohimanarivo fa nosamborina tao an-tranony vao maraina ny mpitarika ny hetsika ataon’izy ireo dia tsy nisy intsony ireo sahy nihetsika fa nipirimpirina daholo. Ireo mpitandro filaminana raha teo koa efa nampitandrina ho an’ireo izay mbola nieritreritra ny hilanja sora-baventy...                                   

     F. Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire