Fadin-tseranana: Manome vahana ny halatra ny “contrat de performance”
Tao anatin’ny enim-bolana teo ho eo izay no nisian’ny fifanarahana momba ny antsoina hoe “contrat de performance” izay nampiharina tao amin’ny fadin-tseranana tao Toamasina. Ireo mpiasan’ny fadin-tseranana tsirairay no nasaina nifaninana tamin’izany. Mahakasika ny tombana atolotra ny mpandraharaha mpanafatra entana any ivelany no nampiandraketana manokana ireto mpiasan’ny fadin-tseranana ireto amin’ny vidin’ny entana tany ivelany sy ny hetra tokony haloa amin’izany. Raha toa ka mividy entana iray hamidy eto Madagasikara 300 dôlara ny iray ny mpandraharaha dia tombanan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana amin’ny vidiny tiany hatao izany na dia efa mazava tsara aza ny taratasy nividianana azy. Ampiakarany ho 600 dôlara izany ka io vidiny anombanany azy io no andoavana ny hetra ihany koa. Vokany dia lasa mitombo ny vidin’ilay entana rehefa tonga any amin’ny mpanjifa satria tsy maintsy mikajy ireo fandaniana rehetra ireo ny mpivarotra ary mbola mijery ihany koa ny tombony izay tokony halainy araka ny lalànan’ny tsena. Vokatr’ity raharaha ity dia lasa mitombo izay tsy izy ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandron’ny fiainana, toa ny siramamy, ny vary ary ny menaka. Raha toa ka novidiana 3500 ariary ny menaka mandry teo aloha dia lasa 5000ariary izany amin’izao fotoana izao. Ny menaka soja indray dia novidiana 4500 ariary teo aloha nefa nisondrotra 6000ariary ankehitriny, ary ny siramamy izay novidina 2400ariary dia tafakatra hatrany amin’ny 3200ariary. Nitombo 90% ny fiakaran’ny vidin’ireo filana andavanandro ireo noho ny fampiharana ny lalàna samy mandeha ho azy araka ny tombatombana ataon’ny mpiasan’ny ladoany samy irery io ihany izay mifanohitra amin’ny lalàna nataon’ny fanjakana mitondra ny laharana araka ny naoty n° 145/ MFB/SG/DGD tamin’ny faha 06 aprily 2016 mahakasika ny fampitoviana ny haba aloan’ny mpandraharaha rehetra mampiditra entana eto Madagasikara. Vokatr’izany dia mikorontana ny haba alaina amin’ny mpandraharaha fa tsy misy fenitra arahina intsony. Izany no ilazana fa manome vahana ny halatra ankolaka (vol autorisé) ny fanatanterahana ny “contrat de performance” ao amin’ny mpiasan’ny fadin-tseranana. Eo anatrehan’izany dia mihena ny fanafarana entana ilain’ny vahoaka amin’ny andavanandrony eto amin’ny firenena. Raha ny loharanom-baovao azonay amin’ireny mpanafatra entana ireny dia mety hisy krizy mihitsy ny PPN atsy ho atsy satria tsy hisy intsony ny tahiry amin’ireny entana ireny atsy aoriana kely. Raha anontaniana mahakasika ity raharaha ity ny tompon’andraikitra ny fadin-tserana dia mifanilika andraikitra izy ireo. Ny “directeur de valeur” manilika any amin’ny “receveur de douanes”, ary ny tale jeneraly manilika any amin’ny “receveur”. Miteraka olana eo amin’ny asan’ny fadin-tseranana koa ity raharaha ity satria raha vao misy ny fahatarana ny fanomezana ny tambin-karaman’ireo mpiasa miandraikitra ity asa ity dia mitokona avy hatrany ireto farany. Mety hitarika krizy ara-tsosialy indray ny fiakaran’ny vidin’entana toa izao. Mahagaga fa tsy hita izay fandraisana andraikitra ny ministeran’ny Varotra amin’ity raharaha ity satria tompon’antoka mivantana amin’izany koa izy ireo.
Jesy Rabelaolao