Vaovaon’ny Frankôfônia: Olona 160 mahery no voapoizina an-tsakafo
Miteraka resabe hatramin’izao ny mahakasika ireo olona narary noho ny fihinanana sakafo izay ahiana ho niteraka poizina tao amin’ny “Village de la Francophonie” tetsy Andohatapenaka tamin’ny ankatokin’ny fanombohan’ity fivoriambe ity. Ny foibe ny sampan-draharahan’ny fahasalamana amin’ity fihaonana an-tampony ity izay samy miasa ao amin’ny hôpitaly manara-penitra ao Andohatapenaka ihany no nahatsikaritra ny tranga. Mbola tsy ofisialy ny tarehimarika mivoaka satria mbola eo ampanarahana tanteraka ny mahakasika izany ireo sampan-draharaha voakasik’izany. Nisy ireo marary no nampidirina hôpitaly ary arahi-maso akaiky ny fahasalaman’izy ireo. Zandary no isan’ny voa mafy amin’izany raha ny loharanom-baovao azo hatrany. Vokatr’izany dia sady mandoa no mivalana ireo olona ireo. Marihina fa mila fitandremana mafy ny sakafo amin’ny fihaonana toa itony satria zavatra kely ihany dia mety hitarika fahavoazana be ara-pahasalamana ho an’ny olona izay mandray anjara. Isan’ny mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo toa izao ny tsy fitandroana ny fahadiovana, tsy fahatomombanan’ny fitaovana sy ny kalitaon’ny sakafo aroso amin’izany. Ao koa ny maripana ao amin’ny toerana ikarakarana sy ny fitaovana fampangatsiahina ireny sakafo ireny izay tokony hanara-penitra. Maro ny fepetra takian’ny sehatra matihanina amin’izany mba hialana amin’ny tranga toa ny niseho tao amin’ny “Village de la Francophonie” ka namparary ireo olona nisakafo tao izany. Tsy natao ho an’ny olona tsy matihanina ny fikarakarana toa itony ary tokony ho olona efa voasedra ihany koa na dia efa tafiditra ao amin’ity sehatra ity satria saropady loatra ny resaka sakafo. Hiteraka ahiahy ho an’ny mpandray anjara ny raharaha toa izao ka tokony hijery haingana izany ny fanjakana.
Tsy nampianarina ny zaza Malagasy
Miteraka resabe eto Antananarivo ko ankehitriny ny mahakasika ny fanerena ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana manerana ny nosy haka rivotra mandritra ny herinandro isian’ny fihaonana an-tampon’ireo firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Ny zanaka ny Frantsay any amin’ny “Collège de France” sy ny “lycée français” nefa mianatra soa aman-tsara. Isika Malagasy izany no araka ny fitenenana hoe “ katôlika alohan’i Papa” na “plus royaliste que le roi”.
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.