Inty sy Nday: Tsy mety mahatsiaro tena !

Vao nandre ny fanapahan-kevitry ny « Hetsika ho amin’ny fahalalahana maneho hevitra » (Mouvement pour la Liberté d’Expression = Mle) ny talata teo ny mpitondra Hvm mpampihorohoro olona dia naniraka ny Jeneraly Rakotomahanina Florens hiteny ka hampita izany teny feno fampihorohoroana izany amin’ny vahoaka. Tsy inona akory izany rehetra izany fa ny hoe « hijoro amim-pahanginana sy amim-pilaminana eny amoron’ny arabe eny amin’ilay fihaonan-dalana tsy lavitry ny fiviliana ho any Ambohitrimanjaka amin’ny sabotsy ho avy izao ny « MLE » ka manentana ny olom-pirenena mpandala ny fahalalahana maneho hevitra rehetra hifanotrona”. Fifampitantanana (chaine humaine) no hatao amin’izany.

Poa toa izay koa dia nihazakazaka ny Jeneraly Florens Rakotomahanina nampita ny baiko azony fa hoe « tsy maintsy aparitaka ny fivorivoriana andalambe tsy nahazoana alalana ».

Firifiry akory ny tranga eny andalambe miteraka fivorivoriana, na sanatria adin’alika na ireny olona manao fampisehoana hafahafa ireny sy ny hafa, fa toa tsy mba nahita fidinan-dry Jeneraly Rakotomahanina Florens  nidina teny isika. Sa nisy nanome alalana izy ireny ? Ka nahoana no mandrangaranga teny feno fampihorohoroana toa izany amin’ireo olona haneho hevitra ho amin’ny fampanjakana ny fahalalahana maneho hevitra ny Jeneraly Rakotomahanina Florens.

Mba re mahatsiaro tena amin’izay ianao ka manova fihetsika e ! Efa taona arivo fahatelo ange izao e ! Tsy tombontsoan’izao fitondrana izao mihitsy ny manao fihetsika ibaribarian’ny jadona sy ny fanakendana ny maneho hevitra amimpilaminana toa izany. Sao hanenenanareo re izany e ! Mba re ihany ange fa efa mifampiresaka etsy sy eroa amin’ny vondron-kery sasantsasany eto ity manamboninahitra jeneraly mpanatanteraka ny baikon’ny mpitondra jadona ity ka ny hetahetany dia hoe « mba arovy aho ry zalahy rehefa raikitra ny raharaha fa tsy fidiny ho ahy ange ny manao ireny e ! » Mahatsiarova aloha tena e !

Faralahy

Ajouter un Commentaire