Fjkm sy Flm: Ataon-dRavalo sy Rakoto David fitaovana pôlitika
Mazava izao fa fitaovana pôlitika handrombahana fahefana eto Madagasikara ny fiangonana FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara) sy ny fiangonana FLM (Fiangonana loterana Malagasy). Tamin’ny fanokanana ny mpiandry vaovao izay natao teny Ambohibao tamin’ny talata faha 22 novambra 2016 lasa teo nahitana taratra izany. Ingahy Ravalomanana Marc izay mpanao pôlitika raindahiny ka misolo tena ny fiangonana Fjkm dia nilaza fa tokony ho tokanana mpiandry koa hono ny tenany satria efa nahavita fiofanana nandritra ny fotoana maro talohan’ny nandosirany tany Afrika Atsimo iny. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny fiangonana loterana hono izy satria zandrin’ity fiangonana ity ny FJKM. Hiaraka hanatanteraka ny fankalazana ny faha 150 taonan’ny fiangonana loterana eto Madagasikara koa ingahy Ravalomanana Marc sy ingahy Rakotonirina David izay lehiben’ny FLM amin’izao fotoana izao. Mitovy ny fomba fijery, hoy ny mpanaraka ny raharaha satria samy milaza azy ho mpiara-miasa amin’ny fikambanana amerikanina izy roalahy ireto. Ingahy Rakotonirina David izay mpiara-miasa akaiky amin’ny fiangonana « Missouri Synode » avy any Amerika izay sekta ao amin’ny fiangonana loterana iray maneran-tany, ka manao izay hanjakan’ity finoana ity ao amin’ny Flm ankehitriny. Ingahy Marc Ravalomanana indray dia mikendry mafy ny ho filoham-pirenena malagasy indray amin’ny fifidianana amin’ny 2018 ka efa misintona ny mpivavaka eo anivon’ny FJKM sy ny FLM hanohana azy amin’izany. Maro ny zimnastika pôlitika ataon’izy roalahy ireo amin’izao fotoana izao araka ny voalazan’ny mpanaraka ny raharaham-pôlitika sy ny fivavahana eto Madagasikara no mahatsikaritra io tetika io. Ho hitantsika fa tsy maintsy hitranga tsy ho ela ny afenina amin’ity raharaha ity.
JB